Filtrer les éléments par date : vendredi, 17 juillet 2020

Lehilahy iray, handeha hamonjy asa any amin’ny toeram-pitrandrahana vato ao Antsijoriaky 15km miala an’i Maintirano no notafihin’ny dahalo teny an-dalana. Naratra mafy, tsaboina ao amin’ny hopitaly eto Maintirano izy amin’izao.

Manomboka tsy mandry fahalemana aty amin’ny faritry Melaky, ka miantso vonjy amin’ny Fanjakana ny mponina manoloana izany.

 

Publié dans Tselatra

Sary niparitaka tamin’ny facebook nampiseho Polisy iray nanao taingin-droa tamin’ny moto teny Itaosy teny no nanokafan’ny tompon'andraikitra teo anivon’ny Polisim-pirenena fanadihadiana, ka tonga tamin’ny fanapahan-kevitra nampiatoana tamin’ny asany avy hatrany ilay mpitandro ny filaminana hita amin'ny sary.

 

Publié dans Tselatra

Nitondra ny Real Madrid any amin’ny anaram-boninahitra faha-34 maha tompondakan’i Espaina azy ny fandresena azony 2 noho 1 omaly, nanoloana ny Villarreal.

Ilay Frantsay, Karim Benzema no namono ny baolina roa mariky ny fandresena nandrombahan’ny Real Madrid indray ny tompondakan’i Espaina.

 

Publié dans Sport

Nanao fanambarana ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM), ny 16 jolay 2020, ora vitsy taorian’ny nampidiran’ny fitsarana am-ponja an’i Rahajason Harry Laurent, minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana teo aloha, ary mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny HVM.

Mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra an’i Rahajason Harry Laurent ny HVM, mandrampiandry ny fotoam-pitsarana azy, mba tsy hampisy savorovoro ny firenena izay mandalo krizy ara-pahasalamana lalina amin’izao, araka ny fanambarana.

Miantso ny fitsarana mba hanao ny asany tsy misy teritery ho fitadiavana ny marina.

Aoka tsy ho raisina ho fanenjehana politika sy ho hery famoretana ny tsy fitovian-kevitra, hoy hatrany ny HVM tamin’ny alalan’i Rachidy Mohamed, Sekretera jeneraly nasionaly ; ity farany izay miantso ny Rodoben’ny mpanohitra hiara-hisalahy.

 

Publié dans Politique

Tsy mianatra ny mpianatra rehetra eto an-tampon-tanànan'i Maevatanana, na miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana, anio zoma 17 jolay, araka ny fampahafantarana nataon’ny DRENETP Betsiboka.

Noraisina ny fepetra « noho ny fisian'ny trangan'aretina coronavirus eto Maevatanana » hoy ny fanazavana.

Manentana ny tsirairay avy mba hanaraka ireo toromarika ny DRENETP Betsiboka mba ho fiarovana amin'ny fiparitahan'ity valan'aretina ity.

 

Publié dans Tselatra

« Mbola aty amin’ny hopitaly aho, resetsika ny Covid », hoy Rasoloelison Lanto tamin’ny pejiny facebook. Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, ary efa minisitry ny fitantanam-bola sy tetibola tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina izy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
vendredi, 17 juillet 2020 09:24

17 juillet: Journée mondiale des émojis

Émoji, ou emoji, est un terme issu du japonais pour désigner les pictogrammes utilisés dans les messages électroniques et les pages web japonaises, qui se sont répandus dans le monde entier. Le mot emoji signifie littéralement « image » + « lettre » ; la ressemblance avec « émotion » est un jeu de mot interculturel.

(Wikipédia)

 

Publié dans Fil info

17 juillet: Journée mondiale de la justice internationale.

 

Publié dans Fil info

Notapahana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly fa ahemotra ny lanonana ara-miaramila hamoahana ny andiany « FANDRESENA 2020 », noho ny fahamehana ara-pahasalamana sy noho ny fotoana lalovan’ny firenena ankehitriny.

 

Publié dans Tselatra

Nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana manendry ny Tale Jeneraly « Office National pour l’Environnement » (ONE).

Noraisina ny fanapahan-kevitra, 24 ora taorian’ny nahamay kila hotohoton’ny afo ny foiben’ny ONE eo Antaninarenina.

 

Publié dans Tselatra