Filtrer les éléments par date : mardi, 14 juillet 2020

Nodimandry androany talata 14 jolay 2020, maraina tao amin'ny Hopitaly Loterana Ambohibao ny Filohan'ny FLM nisotro ronono, Pastora Dr Rabenorolahy Benjamin.

Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy na FLM teo anelanelan’ny 1989 sy 2004 izy. Efa Senateran'i Madagasikara isan’ireo notendren’ny filoha Marc Ravalomanana ihany koa ny tenany.

80 taona i Dr. Rabenorolahy Benjamin, izao nindaosin’ny fahafatesana izao.

Noho ny hamehana dia tsy ho tody any Toliara ny vatana mangatsiaka fa ny Foibe FLM no hanondro izay toerana handevenana azy eto an-drenivohitra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra