Filtrer les éléments par date : jeudi, 04 juin 2020

Miaramila mpamerikeloka ity nidoboka am-ponja ity. Nandao tsy ankiera ny toeram-piasana izy tamin’ity indray mitoraka ity, ary tany Ambodimangatokana Fokontany Ambodimanga, Kaominina Ambinanifaho, Distrika Antalaha izy no nandeha niaraka tamina olona roa, mpanao trafika rongony.

Nitaky vola 800 000 Ariary tamin’ireo mpanao trafika rongony ilay miaramila rehefa sarona, hanaovana kolikoly handaminana ny raharaha.

Natolotra ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha androany izy telo lahy ireo rehefa natao famotorana, ary dia notazomina amponja vonjimaika taorian’izay.

 

Publié dans Vaovao

Avy any Antanetibe Anativolo, Distrika Anjozorobe ity vehivavy bevohoka ity, ary ny 28 may 2020 tamin'ny 1ora maraina no tonga tao amin’ny hopitaly CHRD Anosy Avaratra, Distrika Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga.

Tera-dahy tao ihany izy ny 29 may 2020 ary velona soa aman-tsara ilay zaza.

Voalaza fa nisy fambara fahasemporana ilay vehivavy taorian'ny fahaterahany ary dia maty io 29 may 2020 ihany.

Publié dans Tselatra

Taorian'ny savorovoro omaly alarobia 03 Jona, dia nisy androany Alakamisy ny fifanatonana narahina fanambarana:

Publié dans A la Une

Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, dia nandray didim-panjakana ny Filohan'ny Repoblika Malagasy, Andry Rajoelina, hanala tsy ho minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny fampiofanana ara-tekinika sy ara-kasa, intsony an'i Ramatoa Rijasoa Andriamanana Josoa.

Ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Ramatoa Assoumacou Elia Béatrice no hisahana vonjy maika izany ministera izany mandram-pahatonga ny fanendrena governemanta vaovao.

 

 

Publié dans Politique

Nanapa-kevitra ny mpitantana ny tanàna aty Morarano Chrome sy ny solontenam-panjakana Amparafaravola nanakatona ny tsenabe Alakamisy ho fisorohana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
jeudi, 04 juin 2020 14:32

Pyramide d'Egypte: Sound and light

Raha mandeha any Egypte misy ireo Pyramide na fasana ilevenan'ireo Mpanjaka egypsianina fahiny, dia amin'arivony ireo mpizaha-tany mankafy ilay fampisehoana atao amin'ny alina, misy feo manako eny anelanelan'ny Pyramide sy Sary vongan'ny Pharaon, arahina mozika sy jiro maro loko. (Son et lumière).

Vita ny fampisehoana dia amidy etsy akaiky ilay horonan-tsary azonao jerena any an-trano, sy ireo karazana fahatsiarovana, na sary na statuette, na pyramide kely vita amin'ny vato na sary sikotra isan-karazany.

Azo antoka fa manana ny fombany sy ny fadiny ireo Egypsianina, fa hainy ny nampiaraka an'izay amin'ny fahampahafantarana ny tantarany sy ny fampidiram-bola.

Publié dans Editorial

Lehilahy iray voalaza fa Inspekteran’ny « Domaine » no nanao hitsin-dalana tamin’ny fiara 4x4 nentiny ny « barrage sanitaire » tao Ambokala sy tao Marofarihy, Distrika Manakara ny alin’ny 2 jona 2020.

Tsy vitan’izay fa mbola naniratsira mpitandro filaminana amperin’asa tamin’ireo sakana ihany koa ity lehilahy ity, ary natsivalany teo amin’ny arabe ary novonoiny ny moteran’ny fiarany rehefa voasakana tsy afa-nanohy ny lalany dia iny izy no lasa.

Tany anaty « bar » no nahitana azy rehefa nokarohina.

Nanokatra fanadihadiana momba azy ny Zandary.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

4 jona 2018 – 4 jona 2020, feno 2 taona katroka androany ny nanendrena voalohany an’i Christian Louis Ntsay ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Krizin’ny andrimpanjakana niitatra teny amin’ny arabe nivadika ho hetsi-bahoaka notarihin’ny solombavam-bahoaka niisa 73 no nitarika tamin’ny fandravana ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier ka nanendrena an’i Christian Louis Ntsay hitarika ny governemanta marimaritra iraisana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

L’Union européenne vient d’octroyer un don de 3 000 000 d'Euros (11,6 milliards d'Ariary) en vue de contribuer aux efforts actuellement déployés par le Gouvernement de Madagascar pour la prévention et la lutte contre la pandémie de Covid–19, notamment pour répondre aux besoins sanitaires et sociaux.

Cette enveloppe permettra de soutenir deux projets portés par des groupements d’Organisations Non Gouvernementales internationales et malagasy, en partenariat étroit avec des associations malagasy locales.

 

 

Publié dans Fil info
jeudi, 04 juin 2020 10:10

4 juin

Journée Internationale des enfants victimes innocentes d'agression.

 

Publié dans Fil info