Filtrer les éléments par date : mardi, 30 juin 2020

Eny Andraisoro sy Anjanahary no fanaovan’ireto andian’olona ireto ny asa ratsiny, ary miandahy miambavy. Ny sasany mamaky trano, ny hafa manendaka, ao ny mamaky fiara.

Miisa enina izy ireo no tra-tehaky ny Polisin'ny Boriborintany fahatelo Antananarivo. Ny telo amin'ireo dia mpamaky trano eny Andraisoro. Nanao akanjo halatra ny vehivavy iray ka hitan'ny tompony ary niantso Polisy avy hatrany ity farany. Nosamborina ilay vehivavy ary rehefa nosavaina ny tranony dia hita tao avokoa ireo entana nangalarina. Nosamborina ihany koa ny vadiny sy ny lehilahy iray izay tompon'antoka tamin'ilay famakian-trano.

Mpanendaka miisa roa sy mpamaky fiara iray ihany koa no tra-tehaky ny Polisy tetsy Anjanahary. Fisafoana amin'ny alina avokoa no nahatratrana azy ireo, ary mbola nahitana antsy be teny amin'ireo mpanendaka, raha toa kosa ka fitaovana famakiana fiara no hita teny amin'ilay mpamaky fiara.

(Loharanom-baovao: Polisim-pirenena)

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Tontosa androany talata 30 jona 2020 teny amin’ny CCI Ivato ny fifidianana nataon’ireo Solombavambahoaka izay ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI.

Publié dans A la Une

Ho vahinin'ny fandaharana manokana TVPlus Madagascar ny Amiraly Didier Ratsiraka ny alarobia 1 jolay 2020 amin'ny 8ora30min alina.

 

Publié dans Tselatra