Filtrer les éléments par date : mercredi, 03 juin 2020

Nigadona teny amin'ny BANI Ivato, tamin'ity Alarobia 3 jona ity, ny fiaramanidina manokana avy any Émirats Arabes Unis mba haka ny fanomezana Tambavy CVO miisa 10 000 amin'ilay misoroka sy manasitrana natolotry ny fitondram-panjakana Malagasy ho azy ireo.

Ho fanampiana an'i Madagasikara kosa dia nanolotra fitaovana fiarovana ho an'ireo mpiasan'ny fahasalamana toy ny « sur-blouses », « gants », aro-vava, « sur-chaussures » ny Émirats Arabes Unis. Nanolotra fitaovam-pitiliana ny Covid-19 TDR miisa 25 000 ihany koa izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Ny 02 jona tokony ho tamin'ny 09 ora alina no nitranga ny loza teo Iavoloha. Fiara nentina lehilahy mamo no nanivaka ny sakana, ka nandratra miaramilan’ny CAPSAT iray. Nalefa notsaboina avy hatrany teny amin'ny Hopitaly Miaramila ilay naratra, nogiazana ambalam-pamonjana ny fiara. Natolotra ny Zandarimaria miandraikitra ny famotorana ilay mpamily.

 

 

Publié dans Vaovao

Tonga eo amin’ny andiany faha-15 amin’ity taona 2020 ity ny « Volambetohaka », izay fety ankalazaina amin’ny fotoana miaka-bokatra aty Amoron’i Mania.

Mihodina isan-droa taona, amin’ireo Distrika efatra mandrafitra an’Amoron’i Mania miampy ny departemantan’i Imadiala ny fampiantranoana ny « Volambetohaka ». Anjaran’ny Distrika Ambositra amin’ity andiany faha-15 ity, ary ny 23-26 jolay 2020 no efa voafaritra fa hankalazana izany

Manoloana ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 dia nanapa-kevitra ny komity mpikarakara fa hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny « Volambetohaka » ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka.

Ambovombe Centre, renivohitry ny Distrikan’i Manandriana no nandray ny andiany faha-14 tamin’ity hetsika ara-kolontsaina mampiavaka ny Faritra Amoron’i Mania ity ny taona 2018.

 

Publié dans Art et Culture

Ny fahitana ny moto nentiny, tra-tehaky ny Fokonolona tao Ambodivoanio, Distrika Vavatenina no itazoman’ny olona azy sy ireo vavolombelona nahita maso azy ho mitsikombakomba amin’ny halatra lavanila.

Zandary kilasy voalohany miasa ao Vavatenina ity voarohirohy ity. Namoahana taratasy fanenjehana izy, hitohizan’ny famotorana azy.

 

Publié dans Tselatra

Voafonja enin-dahy, ka mpirahalahy iray tampo ny telo, tazomina am-ponja vonjimaika nanomboka tamin’ny 29 may 2020, ary samy tsy mbola voatsara no tafatsoaka ny fonjan’Ambatolampy ny alin’ny 1 hifoha ny 2 jona 2020.

Nolavahan’ireo voafonja ireo teo ambany varavaran’ny efitra nemetrahana azy ireo sy ny rindrina, ka teo no nahafahan’izy ireo nitsoaka.

Mifarimbona amin’ny fikarohana azy ireo ny mpitandro ny filaminana sy ny mpandraharaha ny fonja.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Lehilahy iray sy vehivavy iray, mpanera eo amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy Antananarivo no tratra ambodiomby tamin’ny fisian’ireo « caméra de surveillance » ary voasambotra androany alarobia 3 jona 2020. Natao famotorana ary natolotra ny Fampanoavana avy hatrany izy ireo androany. Tazomina am-ponja vonjimaika eny Antanimora taorian’izay.

 

Publié dans Tselatra

Nisy ny hetsika nataon’ireo mpamily fiara zotra nasionaly sy ireo mpivarotra ao amin'ny tsenan'Ambatondrazaka mitaky ny anjara fanampiana "Vatsy tsinjo" sy "Tosika fameno" hiatrehana izao hamehana ara-pahasalamana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nosokafana ofisialy ny talata 2 jona 2020 ny tsenan'omby ao amin’ny Kaominina Fihaonana, Distrika Tsiroanomandidy. Fanirian’ny Mpandraharaha omby sy ny tantsaha mpiompy omby ny fisokafan’ity tsenan’omby ity. Talata sy Alarobia no tsenan'omby ao Fihaonana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nifarana ny 1 jona 2020, rehefa nanomboka tamin’ny 23 may 2020, ny fe-potoana fandraisana firotsahan-kofidiana izay ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI, hisolo ny toerana banga taorian’ny fametraham-pialan’i Rakotonarivo Thierry, filoha lefitra.

Miisa efatra ny atontan-taratasy firotsahan-kofidiana voarain’ny Birao maharitra eny Tsimbazaza. Hotanterahina amin’ny 10 jona 2020 ny fifidianana, ary ho filoha lefitra avy hatrany izay voafidy eo.

 

Publié dans Politique