Filtrer les éléments par date : mercredi, 24 juin 2020

Hiala ao an-tranony eny Ambatobe ny nofo mangatsiakany ny zoma 26 jona amin'ny 10ora maraina, ary ho entina ao amin'ny Fiangonana Hermona Finoana Ambatobe hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra, mialoha ny hametrahana azy any amin'ny fasan-drazany eny Talata Volonondry.

 

Publié dans Tselatra

Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato androany alarobia 24 jona ny fandaniana ny Volavolan-dalàna laharana faha 009/2020 momba ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2020.

Taorian’ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Toe-karena sy ny vola dia nandray anjara fitenenana ireo solontenan’ny vondrona parlemantera, ary rehefa natao ny fifidianana dia 94 no nanaiky, tsy nisy ny nanohitra ary 9 no tsy naneho hevitra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Maloka ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry ny marainan’ity alarobia 24 jona 2020 ity, i Ratsimba Nambinintsoa Solomon na Lôlot Ratsimba, anarana nahafantarana azy teo amin’ny sahan’ny asa fanaovan-gazety.

Publié dans A la Une
mercredi, 24 juin 2020 09:27

Toe-karena: Mitontongana ny vola malagasy

Miazakazaka be ny fidinan'ny sandam-bola malagasy mihoatra amin'ireo vola vahiny fitaratra, na ny dollar izany, na ny Euro.

Ny talata 23 jona 2020 dia mila 4 322.06 ariary vao mahazo 1 Euro, ary mila 3 851.47 ariary vao mahavidy dollar iray.

Raha 4 248.85ariary ny 1 Euro, ary 3742.58 ariary ny 1 dollar roa herinandro mahery lasa zay, ny 5 jona 2020.

Ho an'ireo mpanondrana entana ka ampody ny volany aty izy, na ireo andefa vola amin'ny fianakaviany aty Madagasikara dia tsara amin'izy ireo ny maha ambony ny Euro sy ny dollar.
Nefa tsy mifandanja amin'ny ankapobehany ny fanondranana entana any ivelany ataon'i Madagasikara, mihoatra amin'ny fanafarana entana.

Publié dans Editorial