Filtrer les éléments par date : vendredi, 19 juin 2020

Nitrangana halatr’omby tany Bemanondrotsy Kaominina Ambatosola, Distrika Bekily ny tapaky ny volana may 2020. Lehilahy roa ahiahiana ho ambadik’izao halatr’omby izao no nosamborin’ny Zandary manao fampandriantany ny 18 jona 2020, niainga avy amin’ny fanomezam-baovao voarain’ny Zandary.

Teny an-dalana hitondra ireo olona voarohirohy ireo amin’ny moto hiazo eny Bekily io 18 Jona io ireo Zandary ireo no nisy nitifitra tokony tamin’ny 05 ora hariva. Maty voatifitra tamin’izay ny iray tamin’ireo olona nosamborina voarohirohy tamin’ny halatr’omby, ary naratra ny Zandary iray.

Efa tsaboina ao Bekily ilay Zandary maratra. Efa tonga ao Bekily ihany koa ireo namany sy ilay olona iray ahiahiana sisa tsy maty. Efa any amin’ny tranom-paty ao Bekily ny razana.

Mitohy ny famotorana.

 

Publié dans Tselatra

Natolotra ny Fitsarana ny 18 jona 2020 ary dia notazomina am-ponja vonjimaika ao Antanimora Antananarivo ny zandary iray milanja galona Adjidà izay nanakorontana sady nanambana basy ireo namany tany ampamitana iraka nanao tantsoroka ireo namany eo amin’ny sakana ara-pahasalamana teo Ambatolaona-Manjakandriana, lalam-pirenena faharoa.

Nentin’ny hamamoana izy ny 10 jona 2020, ka sady nakorontany no nandrahona hitifitra tamin’ny basy teny an-tanany. Nandray andraikitra avy hatrany ireo lehibe mpifehy azy nanokatra fanadihadiana ary nitondra ny raharaha teny amin’ny Fitsarana.

Natolotra ny Fampanoavana omaly dia ny fitazomana am-ponja vonjimaika no didy savaranonando nivoaka.

 

Publié dans Vaovao

Voarohirohy ho mpiray petsapetsa tamin’ny fanafihana mitam-basy fiara kamiao mpitety tsena ny 07 may 2020, izay nahafatesana olona, ny Ben’ny tanànan’i Vohimanga, Distrikan’i Bekily sy ny lefiny. Tsy hita nanjavonana izy ireto taorian’ny loza, fihetsika izay nampiahiahy ny havan’ny maty ka nahatonga ireto farany nametraka fitoriana.

Publié dans Vaovao

Fitakiam-bola mitentina 1 340 000 Ariary mba handaminana raharaham-pitsarana, nanokafana fanadihadiana no isany anenjehana an’ity zandary ity. Tranga izay niseho tamin’ny 11 jona 2020. Nanomboka teo no tsy namonjy toeram-piasana tao Anilobe ilay zandary, mitondra galona kilasy voalohany.

Tokony natolotra ny Fampanoavana ny 15 jona 2020 ny raharaha mahakasika azy, nefa tsy nipoitra izy. Nokarohina tany amin’ireo toerana noheverina fa tokony ahitana azy, fa tsy hita ary tsy tratra antso. Mitovana ny fandikan-dalàna vitany, amin’ny tsy fandehanany nefa tsy nahazoany alalana.

 

Publié dans Tselatra

« Adjudant Chef » ny galona isalorany ary mitonona ho lefitry ny komandin’ny brigady izy, entiny anaovana ny asa ratsiny. Olona tsara sitrapo no nampandre ny fisian’ity lehilahy iray, 50 taona misandoka ho zandary ity.

Roso tamin’ny fikarohana sy fisamborana azy avy hatrany ny Zandary vao nahazo ny vaovao. Voasambotra ary tsy nisy fanoherana ny fisamborana azy ny tolakandron’ny 18 jona 2020. Nahitana akanjo « vert armé », galona « Adjudant Chef », « béret noir », lobaka manga tanora ary kiraro tao anaty kitapony rehefa nosavain’ny Zandary avy ao amin’ny kaompania Sambava.

Notazomina atao famotorana ilay rangahy, ary hatolotra ny Fitsarana ao Antalaha aorian’izay.

 

Publié dans Tselatra

Tra-tehaka ambodiomby teo ampangalarana omby tao Edazo, Fokontany Akomanga, Kaominina Tsaraitso, Distrikan’i Betroka ity dahalo, vao avy nivoaka ny fonja ity, ny alin’ny 17 jona 2020.

Teny an-dalana ho entina hiazo ny biraon’ny Brigadin’ny Zandary Betroka ilay dahalo no voalaza fa nanararaotra hitsoaka, rehefa tonga tao amin’ny toerana antsoina hoe : Kininitokana. Tamin’izay izy no voatifitra ka maty.

 

Publié dans Tselatra

Nitondra fitarainana teo anivon’ny Vondrotobim-pileovan’ny Zandary Amoron’i Mania ny Ben'ny tanànan’ny Kaominina Ambatofitorahana ny 17 jona 2020 teo, momba ny fanararaotam-pahefana sy herisetra tsy ara-drariny ary fisavana trano tsy ara-dalàna nataon'ny Tafika tao amin’ny Kaominina iadidiany.

Nambaran’ny Ben'ny tanàna Ambatofitorahana fa nisy mpanara-dia omby very avy any amin’ny Kaominina Fiadanana, Distrika Ambohimahasoa, niaraka amin’ny miaramika miisa dimy tonga tao an-tanànan’i Morarano, Fokontany Miandrifaikona, Kaominina Ambatofitorahana, Distrika Ambositra ny 09 jona 2020.

Tsy hita mazava ny tena dia nidiran'ireo omby voalaza fa very avy any Fiadanana rehefa natao ny famoahana ny dia. Rehefa tsy tafavoaka ny dia, nanao fisavana trano ireo miaramila niaraka tamin’ny mpanara-dia omby very ka nisy basim-borona niampy vola 400 000 Ar nofaohon'izy ireo. Niezaka ny nampiseho taratasy maha azy ny basim-borona ny tompony fa mbola nentin’ireo miaramila hatrany ilay basy.

Publié dans Vaovao

Notafihina andian-dahalo maromaro ny tanànan’i Manevy Kaominina Mahabo, Distrika Betroka ny alin’ny 17 jona 2020.

Efa niambina ny Fokonolona tao Manevy ka raha vao tafiditra ireo malaso dia raikitra ny fifandonana. Vokany, dia maty ny telo tamin’ireo dahalo, lavo ihany koa ny telo tamin’ireo Fokonolona. Tsy nisy omby lasa.

Nanokatra fanadihadiana sy manao hazalambo ireo dahalo nitsoaka ny Zandary avy ao Mahabo sy ny avy amin’ny USAD (Unité Spéciale anti-Dahalo).

 

Publié dans Tselatra

Main’ny herinaratra ary maty tsy tra-drano ny zazalahikely iray 9 taona. Tao Antsaingona, Fokontany Ambohijatovo, Kaominina Antanetibe Mahazaza, Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga no niseho ity loza ity ny 17 jona 2020 teo amin’ny fiandohan’ny tolakandro.

Tariby mitondra herinaratra mahery vaika, nidaraboka tamin’ny tany no nitera-doza. Tsy nisy azo natao nanavotana ilay zaza, na notapahana haingana aza ny herinaratra mandalo amin’ilay tambazotra.

Tonga nanao fizahana ny zava-misy ny Zandary avy ao amin’ny « Poste Avancé » Mahazaza niaraka tamin’ny dokotera avy amin’ny CSB-II, ary ny Ben’ny tanàna ao Antanetibe Mahazaza. Taorian’ny fanamarinana dia nalain’ny fianakaviana ny razana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nisy sorabaventy sy fanambarana nataona andian’olona mitaky ny hamerenana amin’i Madagasikara ireo « Nosy Malagasy» androany atoandro teo anoloan’ny masoivoho Frantsay eo Ambatomena Antananarivo.

Anisany nitarika sy nandray anjara tamin’ity hetsika ity ny antoko Otrik’afo, ireto farany izay nampahatsiahy fa « manakaiky ny datin'ny 26 jona 2020, fotoana nampanantenain'ny Filoha Andry Rajoelina hiverenan'ireo « Nosy Malagasy» ireo amin'ny Malagasy ; koa mila asa izany fa tsy kabary fotsiny ».

Nizotra tamim-pilaminana ny hetsika ary nahazoana alalana ihany koa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique
Page 1 sur 2