Filtrer les éléments par date : samedi, 13 juin 2020

Taorian'ny fakan-kevitra natao tamin'ireo filohana Andrimpanjakana 3: ny Antenimieram-pirenena, ny Antenimierandoholona, ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, dia nandray didim-panjakana ny Filohan'ny Repoblika Malagasy Andry Rajoelina, teo anivon'ny filan-kevitry ny minisitra, fa tohizana ary mihatra avy hatrany, manomboka ny 13 jona 2020, eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « Fahamehana ara-pahasalamana » (état d’urgence sanitaire) mandritra ny 15 andro noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dalàna ny asan’ireo fahefam-panjakana.

 

Publié dans Tselatra

Mananika ny 829 902 ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 any Brezila, ary 41 901 ireo namoy ny ainy. Tarehimarika vonjimaika izay mametraka an’ity firenena ahitana mponina maherin’ny 212 tapitrisa ity eo amin’ny laharana faharoa manerantany ahitana olona betsaka namoy ny ainy tamin’ireo voan’ity Covid-19 ity, aorian’i Etazonia izay 116 347 no namoy ny ainy tamin’ireo marary miisa 2 090 553, hatramin’ny atoandro teo.

(Sary nindramina Brezila)

 

Publié dans Tselatra

Tena ampitiavana no hilazako hoe, aleo ajanona amin'izay ity resaka alina amin'ny raharaham-panjakana ity.

Eo ihany ny resaka fomba amam-panao sy ny finoana samihafa, tsy idirantsika iny. Fa amiko aleo manao zavatra amin'ny mazava, alohan'ny mitatao vovonana. Efa fanaontsika izany raha mampiakatra Sainam-pirenena, tsy azo akarina aorian'ny 12ora izy io eny anivon'ny Foloalindahy. Ny filoham-pirenena anefa dia Filohan'ny Foloalindahy, ary alohan'ny hiteny izy dia akarina ny Sainam-pirenena, ary redonina ny "Tanindrazanay malala".

Raha hikabary ny Filoham-pirenena, na anangana Governemanta, na misy zava-dehibe, dia ataovy amin'ny ora mazava, fa ity maizin'alina sy sasakalina ity tsy mahasoa.
Voafehy tsara amin'izay ny zavatra atao, satria vita homana milamina, rehefa tena vonona vao hilazana ny olona amin'ny fotoana, satria ny tsy fanajana fotoana dia manamaivana ny zavatra resahina, satria tsy manaja ny teny nomena.

Ny télé azo averina ho an'izay tsy nahita, fa tsy atao an'izany hoe resaka audience ka ny hariva no be mpijery, ny Youtube azo iverenana, ny rediffusion betsaka, maheno sy mahita foana ny rehetra, na tsy mivantana aza.

Ampitiavana.
Patrick

 

Publié dans Politique

Ankoatran'ireo fizahana tsirairay ireo marary na ireo mitondra otrik'aretina Covid-19, essai et observation clinique individuelle, dia nandritra izay 90 andro nihibohana izay (15j x 6) dia efa azo jerena ny tarehi-mariky ny vokatra azo.

Mila tony sy tsy ampidirana resaka politika na hambom-po izany ny famakiana ny tarehi-marika, fa entina kosa anampy amin'ny fanapahan-kevitra izay ho raisina satria aim-bahoaka no resaka.

Nanomboka ny 21 marsa 2020 isika no naka fepetra voalohany iadiana amin'ny Covid-19, izay nametrahana ny Fahamehana ara-pahasalamana na ny état d'urgence sanitaire, ka anisan'ny fanapahan-kevitra noraisina tamin'io ny fanakatonana ny sisin-tany, ny fihibohana sy ny famerana ny fivezivezena na ny olona na ny fiara, na ny alina na ny atoandro.

Publié dans Editorial

Na isika miara-miaina aminy dia soloina ny tetikady, na isika manohy miady aminy, dia tohizana fanimpitony ny fepetra fihibohana, izay maro ny tsy nanaraka.

Ny tarehi-marika aloha dia manambara, fa manohy mianaka tsikelikely isam-paritra ny Covid-19, ary tsy maharaka arak'olona sy fitaovana ireo toera-pitsaboana.

Mirary soa e.
Patrick

(Sary nindramina, misaotra ireo mpikirakira tarehi-marika)

 

Publié dans Tselatra