Filtrer les éléments par date : mercredi, 10 juin 2020

Mpitsabo mpandidy, manampahaizana manokana momba ny aretin’ny voa i Profesora Radesa François de Sales. Isan’ireo mpiara-miasa tamin’ny Profesora Zafy Albert izy ; Praiminisitra lefitra tamin’ny Repoblika Fahatelo, ary efa solombavam-bahoaka.

 

 

Publié dans Tselatra

La République du Tchad a affrété, pour une seconde fois, un avion spécial pour récupérer des lots du remède traditionnel amélioré Covid-Organics. Depuis la réception du premier lot du Tambavy CVO le 9 mai dernier, la République du Tchad a constaté son efficacité sur les patients atteints du Coronavirus en tant que protocole de traitement additionnel ou en protocole de traitement exclusif.

Le Président tchadien, Idriss Débi a ainsi sollicité auprès de l’État Malagasy, un plus large lot du remède traditionnel amélioré Covid-Organics. Une délégation menée par le Directeur de Cabinet Adjoint de la République du Tchad, Abdelkerim Idriss, a ainsi récupéré officiellement 20 000 doses de traitements curatives et préventives du Covid-Organics ce 10 juin 2020 à l’aéroport de la BANI Ivato.

Publié dans Politique

Nanatanteraka famelabelaran-kevitra narahina adihevitra teo anivon’ny Antenimierandoholona ny “WaterAid” androany alarobia 10 jona 2020. Fiarahamonim-pirenena miandraikitra ny rano “WaterAid” izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola no mifanohana amin’ny “Organisation de la Société Civile pour l’Eau Assainissement-Hygiène”.

Nandritra famelabelarana izay nataon'ny tompon’andraikitra ao amin’ny « WaterAid » no nilaza fa 95%n’ny malagasy no manana olana amin’ny fisitrahana rano ho fanadiovana sy fidiovana. Amin’izao fipariahan’ny valanaretina izao anefa dia ny fanasàna tànana amin’ny rano sy savony no vahaolana voalohany entina hanakànana izany.

Publié dans Sociale

Raha voafaritra hotanterahina androany Alarobia 10 jona 2020 teo, teny amin’ny CCI Ivato, ny fifidianana izay ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI, dia nanapa-kevitra ireo solombavam-bahoaka tonga nivory fa ahemotra ho amin’ny fotoam-pivoriana manaraka izany noho ny fangatahan’ny Vondrona Parlemantera IRD sy GPR.

Miisa 15 ireo nametraka firotsahan-kofidiana ho solontenan'ny Antenimieram-pirenena eo anivon'ny CENI, 11 tamin'ireo no neken'ny komity mpisivana, izay tonga nanatrika ny solombavam-bahoaka androany ireo nandalo sivana.

Nilaza ny filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine fa mbola mitohy ny fandraisana ny firotsahan-kofidiana mandram-pahatonga ny fotoanan'ny latsa-bato.

Nahemotra ihany koa ny fananganana ireo vaomiera misahana ny fiampangana eo anivon’ny Fitsarana Ambony (Haute Cour de Justice), izay tokony natao androany, noho ny fahatsapan’ireo Solombavam-bahoaka ny maha zava-dehibe ireo vaomiera ireo, ka mila fandinihana mialoha.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Nanaitra ny olona ny nahita maso sorabaventy nihantona teo amin’ny vavahadin’ny hopitaly Ambanja ny talata 09 jona maraina. Ny maraina ihany izy io dia efa nisy nanala saingy efa niely tamin’ny tambazotra serasera sosialy facebook, ary isany nampahafantatra ny fisian’io tranga io ny olobe ara-drazana manana ny mahaizy azy aty amin’ny faritr’i Sambirano.

Mifandraika amin’io dia heno fa misy nanao fangatahana fahazoan-dalana hanao hetsika ho fanoherana ireo endrika tsindry ataona manampahefana sasantsasany eto Ambanja amin’ny alakamisy izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Teny nandratra fo, niitatra hatrany amin'ny fandrahonana hampiditra am-ponja, nivoaka nandritra ny famoriam-bahoaka notarihin’ny solombavam-bahoaka voafidy tao Antsalova nanaovana fanentanana iadiana amin’ny valanaretina Covid-19, sy nametrahana paikady ho an’ny fandriampahalemana, ny 16 may 2020 no niteraka disadisa, tsy mety miravona eo amin’ity olomboafidy ity sy ny raiamandreny sojabe aty Bekopaka.

Niandry fialantsiny ho mari-panajana araka ny soatoavina Malagasy ny taty an-toerana, saingy tsy nisy izany, ka dia tapa-kevitra ny Fokonolona fa hiroso amin’ny fanatanterahana fombandrazana hanadiovana ny tanàna sy hamerenana ny Hasina, izay kolontsaina aty amin'ny faritra.

Publié dans Art et Culture

Mpiasa manao asa fanarenana ny trano fonenan’ny mpiasa ao amin’ny Paositra Malagasy etsy Analakely no nahatsikaritra ny fisian’ity gony jiafotsy nisy basy ity, omaly talata 9 jona 2020 tolakandro. Nampilaza tamin’ny lehibeny ireo mpiasa, ity farany indray no nampahafantatra ny zava-misy tamin’ny tompon'andraikitry ny asa eo anivon’ny Paositra Malagasy.

Publié dans A la Une

Manodidina ny 160 eo ireo mpivarotra mitety tsena isan-kerinandro amin’ireo Kaominina ato amin’ny Faritra Bongolava.

Mangataka ny hahafahany manohy ny asany manaraka ny fepetra ara-pahasalamana izy ireo, hamelomana ny vady aman-janaka satria tapaka ny fidiram-bola, hoy izy ireo noho ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana noho ny Covid-19, nefa tsy mba nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana.

 

Publié dans Tselatra

Miteraka ahiahy ary fizarazaran-kevitra teo amin'ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra ny antso avo nataon'ireo sekoly tsy miankina teto Sambava fa hiverina hianatra avokoa ireo kilasy rehetra. Nandray fepetra ny avy amin'ny Fari-piadidiam-pampianarana notarihin'ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika sy arak'asa SAVA Randrianarison Jean Luc sy ny lehiben'ny Cisco Sambava nitsirika sekolim-panjakana, ka miisa 06 no vita androany.

Nampodiana avy hatrany ireo mpianatra ankoatra ireo kilasim-panadinana izay efa mahazo alalana avy amin'ny fanjakana foibe fa mianatra.

Publié dans Vaovao

Tao amin'ny tobim-paritra Antsalova no nisehoan’ity tranga ity ny alatsinainy 9 jona tokony ho tamin'ny 07 ora hariva. Lehilahy iray, 25 taona, voatazona noho ny resaka halatr'omby no nanararaotra ny fotoana nandehanany nivalan-drano ka nitsoaka niaraka tamin’ny rojo vy nifatotra amin’ny tanany.

Vao avy nanaraka fitsaboan-tena io lehilahy voatazona « garde à vue » io noho ny aretina nahazo azy, ary efa miandry ny fanolorana azy ny Fampanoavana ao Maintirano. Voalaza fa toromarika avy amin’ny Fampanoavana no tsy nametrahana azy anaty trano fihibohana (violon) fa ajanona sy arahana maso ao amin’ny birao ihany.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2