Antenimierandoholona: Hotanterahina etsy Anosikely ny fivoriana
Araka ny andininy faha-84 ao amin’ny Lalampanorenana dia mivory ara-potoana in-droa isan-taona ny Antenimierandoholona. Enimpolo andro ny faharetan'ny fotoam-pivoriana. Manomboka ny talata voalohan'ny amin'ny volana mey ny fotoam-pivoriana voalohany, ary ny talata fahatelo amin'ny volana oktobra kosa ny fotoam-pivoriana faharoa, izay atokana indrindra amin'ny fandaniana ny lalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana.
Hotanterahina ny talata 05 mey 2020 amin'ny 4 ora sy sasany tolakandro ao amin'ny trano fivorian'ny Antenimierandoholona Anosikely ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany ho an'ity taona 2020 ity.
Ambilobe: Voasambotry ny Polisy ireo ahiana ho namono vehivavy iray vadim-bazaha tao Nosy-Be
Voasambotry ny Polisy teto Ambilobe, androany, ny vehivavy iray 26 taona sy lehilahy iray 32 taona, izay mpivady heverina fa isan’ny tompon’antoka tamin’ny famonoana vehivavy iray, vadim-bazaha, tao Diégo Hely Nosy-Be. Nikasa hiazo an’i Sambava izy ireto no izao tra-tehaka androany izao. Fanomezam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahatrarana azy ireo.
Tratra tany amin’izy ireo ny entana maro, fananan’ilay vehivavy maty novonoina, anisan’izany ny moto fitondran’io vehivavy io.
Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay vehivavy, avy eo nalevin’ireo olon-dratsy teo an-tokontanin’ny trano nipetrahan’ilay vehivavy ihany. Nofaohin’ireo olon-dratsy avokoa ny entana tao anaty trano rehefa nojeren’ny mpanao fanadihadiana.
Mitohy ny fanadihadiana.
(Jereo Sary Tohiny)
Fitaterana: Hiato tsy hiasa ireo Taxi-be eto an-drenivohitra sy ny manodidina rahampitso
Fatiantoka ara-bola sy ny fitombon’ny tranga Coronavirus no nambaran’ny UCTU (Union des Coopératives des Transporteurs Urbains) sy ny UCTS (Union des Coopératives de Transport Suburbain) mitrandraka ny zotra eto an-drenivohitra sy ny manodidina ka nitarika tamin’izao fandraisana fanapahan-kevitra ny tsy hiasa izao manomboka ny talata 5 mey 2020.
Amerika: Miisa 18 000 ireo lainga nataon'i Donald Trump hoy ny gazety New York Times
Mafana ny fampielezan-kevitra any Amerika ankehitriny, na dia ao anatin'ny ady amin'ny valanaretina Covid-19 izy ireo amin'izao.
Raha nanombana ho 60 000 ny isan'ireo ho matin'ity aretina ity, dia nilaza indray ny fitondran'i Donald Trump fa mety hiakatra 100 000 ireo olona hienjera amin'izao valanaretina izao.
Etsy akilany ny gazety New York Times, dia manisa ireo lazainy fa lainga nataon'ity filoha ity. Mahatratra 18 000 ny isan'ny lainga nataon'i filoha amerikanina Donald Trump amin'izao raha ny fanisana nataon'izy ireo, hatramin'ny nandraisany ny fitondrana.
Santionany amin'izany hoy ireo mpanara-baovao ny lainga ataony mikasika ny ady amin'ny Coronavirus, ny filazany fa marobe ireo vita fitiliana, ary mihoatra lavitra noho ny vitan'ireo firenen-kafa. Izay rehetra mila fitiliana dia atao fitiliana avokoa, nefa dia vitsy no vita fitiliana ny fiandohan'ny volana marsa hoy ny sampana mpanara-maso ny valanaretina.
Arphine Rahelisoa: Nivoaka ny fonjan'Antanimora nitazomana azy
Nivoaka ny fonja androany alatsinainy 4 mey 2020 i Arphine Rahelisoa, mpanao gazety talen'ny famoahana ny gazety an-tsoratra Ny Valosoa Vaovao.
Ankaraobato: Voatora-bato ny tranon'ny Ben'ny Tanàna
Ahiahian'olona manakepoka ny vary sy fanampiana ny Ben'ny Tanàna Ankaraobato, Antananarivo Atsimondrano, ka dia raikitra ny filanjana sora-baventy sy tora-bato teo anoloan'ny tranony. Maro ireo kamioa tonga mitatitra fanampiana hoy ny mponina nefa dia tsy hita izay fanampiana zaraina.
Nilaza anefa ny Ben'ny Tanàna Ramamenosoa Herinjato Samuelson, fa tsinjaraina amin'ireo sahirana avokoa ireo fanampiana tonga, fa misy ireo manely tsaho entina anakorontanana.
Raha ny fomba fiasa dia entitra tokoa ny fitantanana, rehefa tonga ny entana dia ampiantsoina ny sefo-mpokotany miaraka amin'ny lisitr'izy ireo, izay nakariny tany amin'ny Distrika, ary dia miaraka amin'ny Loharano sy ny sefo-mpokotany, ny Ben'ny Tanàna mizara ireo fanampiana isan-trano.
Ny sabotsy teo no nisy fizarana vary masaka farany.
(Jereo Sary Tohiny)
Fanampiana: Tsy mazava amin'ny maro ny masotsivana ahazoana azy
Re sy hita eny anivon'ny fiaraha-monina eny fa nisy ny fizarana ny fanampiana, na Vatsy Tsinjo, na ireo fanampiana fanampiny 100 000ariary. Tsy mazava amin'ny ankamaroan'ny olona ny masotsivana anondroana ireo olona tokony hisitraka azy ireny.
Ao ny milaza fa izay mipetraka amin'ny trano hazo ihany, ireo tsy an'asa sy ireo sehatra mikatso toa ny fitaterana... Nefa hoy ny maro hoe samy sahirana avokoa izao na ireo manana asa fa voatera mihiboka, na tsy mandray afa tsy tapakarama, ireo tsy afaka manao ny asany...
Colombie: Lamba mena miantona am-baravarakely ilazana fa noana any ato
Manoloana ny fihibohana noho ny valanaretina Covid-19, dia tsy maharaka ny fanjakana any an-toerana amin'ny fanampiana ny mponina, ka hita ao Bogota renivohitra, sy amin'ireo tanàna anisan'ny feno olona mahantra toa an'i Medellin any Colombie, ireo lamba mena miantona eny am-baravarakely ilazana fa noana maty mosary ny ao amin'ilay trano, ka mila vonjy.
(Jereo Sary Tohiny)
Trangam-piarahamonina: Novonoin'ny jiolahy dia nalevina teo an-tokontaniny ihany ilay vehivavy
Nivarahontsana ny iray tanàna teto Diégo Hely nahita an’ity tranga ity. Vehivavy iray no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana. Nalevin’ireo olon-dratsy teo an-tokontanin’ny trano nipetrahany ihany ilay vehivavy.
Nanokatra fanadihadiana ny Zandary rehefa nahazo fanairana. Foana tsy nisy entana tavela tao anaty trano rehefa nojeren’ny mpanao fanadihadiana. Olona akaiky an’ilay vehivavy namoy ny ainy no ahiahiana ho nahavanon-doza. Mandeha ny fikarohana. Efa noloarana ny razana.
(Jereo Sary Tohiny)