Filtrer les éléments par date : mardi, 26 mai 2020

Manolona ny fisian’ny trangan’aretina vaovao ao Tolagnaro sy Toliara dia nanapa-kevitra ny Faritra Androy fa atsahatra aloha ny fitaterana olona mampifandray amin’ireo Faritra mifanolobodirindrina aminy.

Misy fepetra maromaro noraisain’ny Faritra Androy hisorohana ny fihanak’ity Covid-19 ity.

 

Publié dans Tselatra

Miisa 150 eo izy ireo, avy amina firenena samihafa. Hisy fiaramanidina manokana haka azy ireo aty Toamasina rahampitso alarobia, hitondra azy ireo hitodi-doha any amin’ny firenena niaviany avy.

Nisy andiany efa lasa taloha, teratany Afrikana tatsimo.

Maromaro ny mpiasan’Ambatovy voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina Covid-19, nisy teratany filipiana iray nindaosin’ny fahafatesana ny 19 may 2020 noho io tsimok’aretina io ka nidirany hopitaly nanomboka ny 11 may 2020.

 

Publié dans Tselatra

Nilatsaka ny sazin’ny Federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra na FIFA mampiatona amin’ny asany an’i Yves Jean-Bart, 73 taona, filohan’ny federasiona ny kitra any Haiti, noho ity farany voarohirohy ho nanolana zazavavy tsy ampy taona, mpilalao baolina kitra.

Ny gazety anglisy The Guardian no nitatitra ny fitarainan’ireo zazavavy tsy ampy taona niharan’ny fanolanana nataon’i Yves-Jean Bart. Nisy tamin’izy ireo no voatery nanala zaza.

Taom-piasana enina izao no nitantanan’i Yves-Jean Bart ny federasiona ny kitra any Haiti.

 

Publié dans Sport

Manankery manomboka ity Talata 26 may 2020 ny lalàna mankato ny fanambadian’ny mitovy fananahana any Costa Rica. Naneho ny hafaliany tamin’ny alalan’ny tambazotra Twitter ny fikambanana iraisam-pirenen’ny LGBT taorian’ity fanapahan-kevitry ny fanjakana any Costa Rica ity.

Nikasa hanao fety ny LGBT any an-toerana noho izao dingana izao, saingy tsy azo tanterahina izany noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19.

 

Publié dans Tselatra

Hita ny marainan'ity Talata 26 mey 2020 ity ny vata-mangatsiakan'ny Zandary kilasy faharoa Tsilangoui Angelico, niasa tao amin'ny Tobin-janam-paritra Sahavato, izay latsaka tao anatin'ny lakandrano Sakaleona Pangalana ny harivan'ny 23 mey 2020.

Hody avy namita iraka arak’asa tany amin'ny Fitsaràna Mananjary ireo zandary miisa telo, ka nihazo ny lakandranon'i Pangalana niaraka tamin'ny lakana. Ratsy anefa ny andro ka rehefa nandalo sahabo ho tandrifin'ny Kaominina Sahavelo izy ireo no voalaza fa nibolisatra ity Zandary ity ka latsaka tao anatin'ny reniranon'i Sakaleona ary tsy hita nanomboka teo.

Natao ny fikarohana niaraka tamin'ireo Zandary avy any Nosivarika sy Mananjary ary ny Fokonolona manamorona ny Pangalana, ka androany vao hita izy efa tsy misy aina intsony.

(Loharanom-baovao: Infocom Seg)

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Mbola ao anatin’ny ady amin’ny valan’aretina Covid-19 tanteraka i Madagasikara. Isan’ny ahiana hiparitahan’ity valan’aretina ity ny fivezivezen’ny olona avy any amin’ny toerana efa ahitana izany makany amin’ny toeran-kafa.

Ho an’i Vakinankaratra manokana dia manao ny ezaka amin’ny ady amin’izay fivezivezena an-tsokosoko izay, ka misy ny fepetra noraisin’ny Zandarimariam-pirenena nanomboka ny 21 Mey lasa teo, nisakana izay fivezivezena izay ka manomboka amin’ny 9 ora alina mandra-maraina amin’ny 5 ora izany.

Publié dans Vaovao