Filtrer les éléments par date : jeudi, 21 mai 2020

Mafy ny fifandonana. Fiara Sprinter mpitatitra olona no nindona tamin’ny moto nanao taingin-droa tao amin’ny Kaominina Belalanda, Toliara II amin’ny lalam-pirenena faha-9 io maraina io. Nivadika ilay fiara, maty tsy tra-drano ireo olona nitaingina moto.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Tonga nijery sy nandray tamin’ny fomba ofisialy ireo fanomezana avy amin’ny Fondation Jack Ma, teny Ivato ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka malagasy Pr Ahmad Ahmad sy ny Masoivoho Sinoa eto Madagasikara Rtoa Yang Xiaorong.

Fampitaovana ara-pahasalamana andiany fahatelo natolotrin’ny Fondation Jack Ma ho an’i Madagasikara izao, izay ahitana fitaovana fitiliana, arotava, akanjo fiarovana (EPI), « respirateur », ary natokana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay lohalaharana amin’ny ady amin’ny valanaretina « Coronavirus ».

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Mety hampiroborobo ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana, ny tsy fisian’ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra amin'izao ady amin'ny Coronavirus izao.

Zonao ny mitaky izany na anaty hamehana aza. Namolavola Boky kely "Torohay ho an'ny Olompirenena iadiana amin'ny kolikoly ao anatin'ny Covid-19" ny Transparency International - Initiative Madagascar (TI-MG), tohanan'ny Masoivoho Soisa.

Publié dans Politique

Niroso tamin’ny famaranana tanteraka ny lisi-pifidianana ho an’ny taona 2019-2020 ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny 15 mey 2020, araka ny voalazan’ny andininy faha-39 amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana (lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018).

10 381 133 ny isan’ny mpifidy ao anaty lisi-pifidianana nofaranana ny 15 may 2020. Mpifidy vaovao nampidirina ny 524 669 amin’izy ireo.

443 119 ny isan’ny mpifidy noesorina taorian’ny famaranana vonjimaika ny faran’ny volana febroary 2020.

Tsiahivina fa 10 299 583 ny isan’ny mpifidy tao anatin’ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny 15 mey 2019.

 

 

Publié dans Politique

Le paiement des aides financières TOSIKA FAMENO à 13 000 ménages vulnérables situés dans 50 Fokontany des IIIème et VIème arrondissements de la Commune Urbaine d’Antananarivoa été entamé cette semaine avec l’appui du Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD).

Ces ménages bénéficieront d’un transfert monétaire non conditionnel de 100 000 Ariary défini par l’État Malagasy, représenté par le Ministère de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la Femme et le Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes, dans le cadre du Plan Stratégique d’Urgence Sociale Covid-19.

Ils ont été identifiés suite aux analyses de vulnérabilité basées sur le recensement des ménages dont les revenus sont interrompus à cause du confinement, et résidant dans les 19 fokontany du IIIème arrondissement et les 31 fokontany du VIème arrondissement.

Publié dans Sociale

Fiaramanidina goavana, mahazaka mpandeha 500 indray miondrana ny Airbus A380. Torak’izany koa ny fandaniany isaky ny misidina, mandany solika betsaka, hany ka mamono antoka raha tsy feno ny toerana isaky ny miainga.

15 taona nampiasana an’ity karazana Airbus ity ny Air France, hijanona alohan’ny fotoana ny fiarahany amin’ny Air France, raha mbola tokony hitohy roa taona sy tapany eo.

 

 

Publié dans Economie
jeudi, 21 mai 2020 14:12

Teti-bolam-panjakana 2020

Nisy ny fidinana hatramin’ny 1858,8 miliara Ariary ny fampidiran-ketra.

 

Publié dans Economie

200 miliara Ariary ny teti-bola natokan’ny fanjakana Malagasy ho an’ny Drafitra Sosialy anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana ihatrehana ny Covid-19 izao.

 

Publié dans Sociale

Tokantrano tsy ilaozan’olana, fa teto lasa lavitra ny raharaha, may hatramin’ny trano sy fananana.

Mpivady manan-janaka efatra, manao asa velontena fitaterana mitondra « tuc-tuc » na Bajaj ralehilahy. Efa tsy mahataitra ny manodidina ao Ambodifotatra ny adiadin’izy mivady, nisy fotoana efa may hatramin’ny « tuc-tuc », fa ny harivan’ny talata teo dia may hatramin’ny trano fonenan’izy ireo sy ny entana tao anatiny.

Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ilay ramatoa natao fanadihadiana.

 (Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nividy « respirateur » miisa 170 tany Espaina ny fanjakana Boliviana, hiatrehana ny Coronavirus. 10 000 dolara ny vidin’ny iray amin’ireo fitaovana fameloman’aina io, ivarotan’ilay orinasa espaniôla nividianana azy. 28 000 dolara isanisany anefa no nandoavan’ny fanjakan’i Bolivie azy.

Miahiahy kolikoly avy hatrany ny fanjakana, ary tao ambadik’izany ny minisitry ny fahasalamana amperinasa ao an-toerana. Nosamborina avy hatrany io omaly alarobia 20 may 2020.

4 000 eo ny mararin’ny Coronavirus any Bolivie, 200 no namoy ny ainy.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2