Filtrer les éléments par date : mercredi, 20 mai 2020

Nivoaka androany alarobia 20 may 2020 ny didim-pitondrana iraisan’ny ministeran’ny varotra sy ny fanjifana ary asa tanana sy ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary jono, mamaritra ireo daty isokafan’ny taom-piotazana lavanila sy varotra lavanila ho an’ny taom-piotazana 2020-2021.

Miisa sivy no voasokajy fa mamokatra lavanila eto Madagasikara dia Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Anôsy, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, DIANA, SAVA, Sofia ary Vatovavy Fitovinany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie
mercredi, 20 mai 2020 22:28

Betafo RN34: Fiara roa levon’ny afo

Lozam-pifamoivoizana niafara tamin’ny fahamaizana fiara anankiroa. Teo Atsinanatsena Betafo, Faritra Vakinankaratra, amin’ny lalam-pirenena faha-34 no niseho ny loza androany alarobia 20 may tokony ho tamin’ny 1ora tolakandro.

Fiara Peugeot 505 familial nijanona teo amoron-dalana no nifatraran’ny Mazda minibus, nilaozan’ny hisatra nefa nidim-pidinana. Mafy ny fifandonana, nitarika firehetan’ireo fiara roa. Nitorajofo ny afo, may kila ireo fiara sy ny entana tao anatiny avy. Tsy nisy ny aina nafoy.

Voatery notapahana ny jiro, rehefa nampandre ny Jirama ny Ben’ny tanàna Livasoa Randriatahianamalala, satria nisy andrinjiro teo akaiky ny toerana nitrangan’ny loza. Nifarimbonan’ny olona ny famonoana ny afo, efa niverina amin’ny laoniny ihany koa ny jiro taorian’izay.

 

Publié dans Tselatra

Mitaraina ireo mpiasa ECD sy Vacataires ao amin’ny LTP Mahajanga fa efa mananika ny « 11 volana » izy ireo izao no « tsy nandray karama ». Manao antso avo amin’ny mpitondra izy ireo hamahana ny olana fa « efa mipaka am-bilany » ny tsy fisiana amin’izao.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 20 mai 2020 22:22

20 mai: Journée mondiale des abeilles

20 mai: Journée mondiale des abeilles.

 

Publié dans Fil info

20 mai: Journée mondiale de la métrologie.

 

Publié dans Fil info

Namoha ny varavaran-tsekoly ny any Korea Atsimo. Miverina nanomboka androany ny fampianarana any an-toerana rehefa nikatona nandritra ny roa volana sy tapany noho ny valanaretina Coronavirus.

Miova tsy toy teo aloha anefa ny fiaimpiainana an-tsekoly, noho ny fepetra tsy hiparitahan’ny Covid-19 dia ny elanelana 1m, sasa tanana matetika, sns.

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana ny Sekretera jeneralin’ny Frankôfônia Louise Mushikiwabo taorian’ny dinika nifanaovany tamin’ny filoha toniziana Kais Saied, fa ahemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny fihaonambe faha- XVIII ny Frankôfônia tokony hatao ao Tunis ny 12 sy 13 desambra 2020, noho ity valanaretina Coronavirus ity.

Mbola maneho ny fahavononany hampiantrano io fihaonambe io i Tonizia amin’ny taona 2021, ka any Djerba no toerana narosony hanatanterahana izany.

 

Publié dans Politique

Nanao fampandrenesana ireo teratany kaomoriana tavela ao Mahajanga, nefa efa manana tapakila tokony hiverenana, ny Consulat an’i Comores ao Mahajanga, fa hifarana amin’ity anio ity ny fara-fisoratana anarana ho azy ireo, hahafahany mody.

 

Publié dans Tselatra

Lehilahy iray no maty tao amin’ny hopitaly manarapenitra CHU Andrainjato androany alarobia 20 may 2020. Raha ny loharanom-baovao dia isan’ireo olona miisa 148 teny Iboaka miandry valim-pitiliana PCR izy.

Publié dans A la Une

Nanao fanambarana fanohanana ny Filoham-pirenena sy maneho firaisankina amin’ny governemanta ny Antenimieram-pirenena, androany alarobia 20 may 2020, amin’ny fitakiana ireo Nosy Malagasy.

Mitsipaka marindrano ny vinan’ny fitondrana frantsay hanao ho Tahirinjavaboaharim-pirenena ny nosy Sambatra –iles Glorieuse – ihany koa ny Antenimieram-pirenena Malagasy, tamin’ny fanambarana nataony teny amin’ny CCI Ivato.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique
Page 1 sur 2