Filtrer les éléments par date : samedi, 16 mai 2020

Taorian’ny fakan-kevitra nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta araka ny fahefana nomen’ny Filoham-pirenena azy, tamin’ireo Filohana Andrimpanjakana 3 eto amin’ny firenena: ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimierandoholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, dia nandray didim-panjakana ny fitondrana fa mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, izay mihatra avy hatrany manomboka nys sabotsy 16 may 2020 ny « Fahamehana ara-pahasalamana ».

 

Publié dans Tselatra

Nametra-pialana omaly zoma 15 may i Nelson Teich, minisitry ny fahasalamana any Brezila. Tsy fitoviam-pijery ao anaty governemanta amin’ny fitantanana ny ady amin'ny valanaretina Covid-19 no nanosika azy hiala tsy ho mpikambana ao amin’ny governemanta.

Tsy nisy iray volana akory no nanendren’ny filoha Jair Bolsonaro an’i Nelson Teich tamin’io toerana io, nasolo an’i Luis Henrique Mandetta, rehefa nesorin’ny filoha Bolsonaro ity farany.

 

Publié dans Tselatra