HJRA Ampefiloha: Natokam-ponenana ny mpitsabo, mpiasa ary ny marary rehetra ao amin’ny sampana mitsabo ny homamiadana
Mikatona nanomboka ny 11 may 2020, sady tsy mandray marary no tsy manao asam-pitsaboana ny service Oncologie, itsaboana ireo olona voan’ny homamiadana ao amin’ny HJRA Ampefiloha. Tsy mbola voafaritra ny fotoana hisokafany indray. Misy ny Naoty manamafy izany.
Tsena Andravoahangy: Tsy nisy ny tsena isaka Alarobia
Kotaba vao maraimbe teny Andravoahangy – Antananarivo androany. Noraràna tsy hamelatra entana ireo mpivarotra mpamonjy tsena isaka Alarobia ; ireto farany izay nilaza no tsy nandre fampilazana mialoha momba izany.
Nisy ihany ny nanararaotra namelatra ny entany teny anelanelan’ny fiara mijanona miazo an’i Behoririka, nitady ny sitrany ahay.
Naaton’ny Prefektora sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny tsena isan-kerinandro eto an-drenivohitra, hisorohana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19.
13 mai: Journée mondiale de l'ingénierie pour l'avenir
13 mai: Journée mondiale de l'ingénierie pour l'avenir.
13 may: 48 taona lasa izao ny Tolom-bahoaka nitarika ny fifaranan’ny fitondrana Philibert Tsiranana
Mpianatra ho mpitsabo no nitarika ny fitakiana nanohitra ny fiangarana tao an-toerampanofanana eo Befelatanana. Nanao randra-nitarika ny grevy rehefa niharan’ny herimpamoretana ny mpianatra. Niitatra ho tolom-bahoaka ary isany nanamarika izany ny datin’ny 13 may 1972, nahamay ny Lapan’ny tanàna Antananarivo Renivohitra teo Analakely. Namindra fahefana ny filoha Philibert Tsiranana nanoloana ny herim-bahoaka tsy hay notohaina na nisy aza ny rà nandriaka.
48 taona aty aoriana, mbola mitoetra ny olana amin’ny tontolon’ny fampianarana sy fanabeazana eto Madagasikara, tsy mampifanara-kevitra ny programam-pampianarana, mbola ifandroritana ny tetiandrom-pampianarana. Misy elanelana ny fampitaovana sy ny fotodrafitrasan-tsekoly an-tanandehibe sy ambanivolo. Mbola misy mpampianatra mikarama vary masaka.
(Tahirin-tsary ANTA: Hetsika nandritra ny fitsidihan'i Jeneraly Ramanantsoa tao amin'ny Radio Nasionaly Malagasy Anosy 1972)
Vaky vava maraina: Iza no mpitari-bato vilam-bava?
Karaman'ny Sefo fokontany 40 000ar isam-bolana
Karaman'ny sekreteram-pokotany 50 000ar isam-bolana, tsy misy Cnaps, tsy misy Ostie, roahina rehefa tsy ilaina, roahina rehefa miova ny ben'ny Tanàna, tsy misy congé, tsy misy filazana mialoha.
SME na SMIG, karama faran'ny ambany ara-dalàna 200 000 ar, tsy maintsy misoratra Cnaps sy Ostie.
Iza izany no tena manao ny mpiasa toa ny andevo?
Tsy misorona maraina.
Patrick