Filtrer les éléments par date : lundi, 11 mai 2020

Natomboka ofisialy androany 11 May 2020 teny amin'ny CEG Ambanitsena, CISCO Manjakandriana, ny fizarana ireo boky ahafahan’ireo mpianatra mampiana-tena antsoina ihany koa hoe "livrets essentiels". Natokana ho an’ireo mpianatra T6, T7, T8 ary T9 ireo boky ireo, izay mahakasika ireo taranja fototra telo, dia ny malagasy, frantsay ary matematika.

Natao hanatevina ny fahalalana efa azon’ireo mpianatra sy hikolokolo ary hanamafy ny fitadidian’izy ireo ity boky iity, noho izy ahitana famintinana lesona, fampiharana ary paika samihafa hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fampiharana sy fanitsiana.

Publié dans Sociale

Arotava miisa 100 000, vary 16 600 kg, tsaramaso 6 600 kg, menaka 416 litatra, ary "pack alimentaire" 4 000 isa, anjara biriky natolotry ny banky BOA Madagascar natao hanohanana ireo « cantines scolaires » ho an'ireo mpianatra eny anivon'ny EPP ho fiatrehana ny valanaretina Covid-19.

Nandray ny fanampiana ny Minisitra Andriamanana Rijasoa, izay naneho fankasitrahana ary manantena ny hitohizan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ity banky ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Nahitam-bokatra ny fanentanana niarahan’ny Solombavambahoaka Raharimampionona nanatanteraka tamin'ny Fokonolona, Fokontany ary ny Kaominina Solila ny amin'ny tokony hamerenan'ireo mitazona basy tsy ara-dalàna ny basy eny aminy.

Tamin’ity Alatsinainy 11 May 2020 ity dia basy vita gasy miisa 31 sy basy maherivaika miisa 3 no naterin'ny Fokonolona avy ao amin'ny Fokontany Fihasinana, Kaominina Solila ao anatin'ny Disitrikan'i Ikalamavony. Natolotra ny lehiben'ny Zandary eto Ikalamavony ireo basy ireo.

Resy lahatra ny Vahoaka sy ny Fokonolona, hoy ny Solombavambahoaka Raharimampionona fa ilaina tanteraka ny fisian'ny fiarahamonina milamina tsy misy herisetra mba hahafahana miasa sy mamokatra am-pitoniana. Nisaotra ny mpitandro filaminana dia ny Zandary sy ny Tafika ny tenany amin'ny ezaka ataon'izy ireo hisian’ny fandriampahalemana maharitra amin’iny Distrikan’i Ikalamavony iny.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Hazo fisaka miisa 353, « chevron » miisa 205, « traverse » miisa 156 ary gony 125 misy holatra saika aondrana no tra-tehaky ny ekipan’ny cantonnement Vohémar nandritra ny fanaraha-maso tao amina trano fitehirizana an’ny teratany sinoa iray tao Ampasy, ny 04 may 2020 teo.

Natolotra ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antalaha ity teratany sinoa ity ny 07 may 2020, taorian’ny famotorana natao azy, ary nahazo fahafahana vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana manaraka ny 20 may 2020 ho avy izao.

 

Publié dans Vaovao

Firenena isany voadona mafy amin’ny valanaretina Coronavirus i Angletera. 31 855 no efa namoy ny ainy noho ity tsimokaretina ity hatramin’ny 23 marsa nampiharana ny fihibohana any an-toerana.

Amin’ny fiandohan’ny volana jona any vao azo heverina ny hisokafan’ny toeram-pivarotana sy ny sekoly ambaratonga fototra, hoy ny praiminisitra Boris Johnson, ary hanenjika fitiliana 200 000 isan’andro, hatramin’ny faran’ny volana, i Angletera hifehezana ny fihanahan’ity valanaretina Coronavirus ity.

 

Publié dans Tselatra

Iles éparses: Andry Rajoelina réclame "la restitution" par la France de ces îles et rejette toute idée d’une cogestion.

 

Publié dans Fil info

Somary nanahirana ny fampiharana ny fepetra momba ny fifamoivoizana nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny CCO. Raha ny voalaza dia Faritra no resaka, izany hoe: raràna ny fidirana sy fivoahana ny Faritra Analamanga sy Matsiatra Ambony ary Antsinanana ho an'ny daholobe (Olon-tsotra mandeha tongotra, fiaran'olontsotra, moto...), fa tsy tanàna Antananarivo sy Fianarantsoa ary Toamasina.

Tsikaritra ihany tamin’ny toerana sasany teto an-drenivohitra fa voasakana na olona hamonjy fodiana aza, na dia teo aza ny fidinana ifotony nataon’ireo lehibe teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, Polisim-pirenena ary ny Tafika Malagasy nanome toromarika ireo mpitandro filaminana, nampahafantatra fa foana ny fahazoan-dalana manokana ; malalaka ny fivezivezena ao anatin'ireo faritra hatramin'ny 01 Ora tolakandro fa manaja ny fepetra rehetra izay napetraka.

Publié dans Tselatra

Nanatanteraka valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany androany ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra, Vyvato Rakotovao. Nambarany fa iray tamin’ireo fianakaviana nitsoaka avy any Toamasina no nitondra ny tsimokaretina Coronavirus voamarina fa nisy teto Antsirabe.

Noho ity renim-pianakaviana ity sady mbola mampinono no mitondra vohoka dia nampiakarina any amin’ny hopitaly Ambohimiandra Antananarivo ity tsy salama ity, hoy ny Governora ary nampiarahana aminy, ireo vady aman-janany miisa 3.

Publié dans Vaovao

11 mai: Journée mondiale des espèces menacées.

 

Publié dans Fil info