Filtrer les éléments par date : dimanche, 10 mai 2020

Mitaraina ireo Mpampianatra FRAM aty Betioky Atsimo manoloana ny tsy fisiana, nefa ny vidin-javatra midangana. Efa miditra 600Ar/kapoaka ny vary gasy amin’izao raha 550Ar/ kapoaka ny vary « stock tampon ».

Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ireo Mpampianatra FRAM mba hivoahan'ny volan'izy ireo, satria efa tsy misy mampitrosa intsony ny olona noho ity Coronavirus ity, satria samy miezaka manangona ny hohaniny ny tsirairay.

100% ny zanabola alain’ny mpanjanabola. Tsy haka nefa ny hohanina tsy misy, hoy ireo Mpampianatra , ka voatery tsy maintsy maka ihany sitrany ahay.

 
Publié dans Tselatra

Namoaka didim-pitondrana ny Prefen’Ambatondrazaka taorian’ny nahafantarana fa nisy olona iray voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ao Moramanga. 

Miato ny fitaterana iombonana amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly amin’ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga amin’i Vohidiala, toy izany koa ny amin’ny lalana iraisam-paritra mampifandray an’i Moramanga amin’i Anosibe An'ala, ho fisorohana ny fihanaky ny tsimokaretina Covid-19.

 
Publié dans Tselatra

Nahavita fitiliana miisa 69 773 ny nosy Maorisy ka 23 101 amin’ireo dia PCR (Polymerase Chain Reaction) ary 46 672 dia TDR (Test de Diagnostic Rapide), nahitana 332 olona mitondra tsimokaretina Covid-19.

12 andro nisesy izao tsy nahitana tranga vaovao atsy Maorisy. 2 sisa ny marary tsaboina, 10 namoy ny ainy, efa sitrana ny ambiny.

4 481 ny tontalin’ny fitiliana PCR vita hatramin’ny 19 marsa 2020 teto Madagasikara, nahitana olona 171 mitondra ny Covid-19. Olona 104 no efa sitrana ka nalefa nody, ny 67 kosa mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitaly.

 
Publié dans Tselatra

Nandray fepetra hentitra ho famerana ny fivezivezen'ny olona ny fanjakana manoloana ny fitomboan'ny isan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus noho ny fifampikasohana izay efa mihitatra amin'ireo tanàna hafa (Moramanga, Antsirabe).

Foana sy tsy manankery intsony ireo taratasy fahazoan-dalana manokana nomena hatrizay, na avy amin'ny CCO na Ministeran’ny fitaterana sy fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro na Ministeran’ny Ati-tany (Prefet, District...) hivoaka sy hiditra ny faritra Analamanga, Atsinanana ary Matsiatra Ambony; manomboka ny alatsinainy 11 may 2020 amin'ny 12 ora atoandro.

Voarara ny fidirana sy fivoahana amin'ireo faritra ireo ho an'ny daholobe (Olon-tsotra mandeha tongotra, fiaran'olontsotra, moto...). Tsy misy vahaolana azo omena eny amin'ireo sakana ifotony ara-pahasalamana fa tsy maintsy arahana.

Ny fiara lehibe mitatitra entam-barotra sy ny fiara mitondra marary na razana kosa dia afaka mandeha raha misy porofo mazava.

 
Publié dans Tselatra

Hatairana ny an’ny mponina Anosizato Atsinanana  sy ny mpandalo tamin’ny lalana « digue » androany marainan’ity Alahady 10 may 2020 ity, nahita setroka mainty matevina nijolofotra nivoaka avy amin’ny rihana misy ny Radio sy Teleziona Record.

Mpiasa ao no nilaza fa nisy fahamaizana ny « studio » iray, fanodinana ny fandaharana isa-maraina « La Matinale ». Tonga ara-potoana ny Pompier sy ny Jirama, ka voafehy tsy niitatra tamin’ny birao hafa ny afo. Voatery notapahana ny fandaharan’ny radio sy fahitalavitra nisorohana ny mety ho fahasimban’ny fitaovana.

Misokatra ny fanadihadiana hamantarana ny niandohan’ny loza, na ankoson’aratra aza no tombanan’ny maro ho antony.

 
Publié dans Tselatra

Hetahetan’ny mponina any Midongy Atsimo sy Befotaka Atsimo ny mba hanamboarana ny lalana RNT 18 fa tena mampitondra fahoriana. Vangaindrano-Midongy Atsimo, lalana mirefy 94 km atao ao anatin' ny 2 andro sy tapany na 3 andro. Midongy Atsimo - Befotaka Atsimo, lalana mirefy 42 km atao iray andro maninjitra.

Misy fiantraifakany amin’ny vidin’ny entana jifain’ny olona andavanandro io, ary fahasahiranana ho an’ny olona marary ka voatery halefa toeran-kafa ny fitsaboana azy.

Vonona hanamboatra ity RNT 18 ity ny Faritra Atsimo Atsinanana miandrandra tohana ara-pitaovana toy ny « Niveleuse » sy « Compacteur » amin' ny fitondram-panjakana.

 
Publié dans Tselatra

Betsaka ny mpanjifa mitaraina fa tavela ao ny « permis » na vaovao na navaozina, toy izany koa ny « carte grise », « carte violette » sns. Efa herinandro maromaro izao no tsy mihodina ny CIM (Centre Immatriculateur) Antananarivo izay manana ny foibeny etsy amin’ny Faritany Ambohidahy.

Manaitra ny Ministeran’ny Ati-tany ny mpanjifa mba hamaha ny olana satria mety hanome vahana ny kolikoly indray ity fikatsoana fotoana maharitra ity.

 

Publié dans Vaovao

Teo anelanelan’ny tamin’ny 10ora sy sasany ka hatramin’ny 12ora sy sasany, ny andron’ny 8 mey 2020, dia olona niisa 50 no tratra tsy nanao arovava ka vazaha ny roa tamin’ireo, tamin’ny toerana roa dia teo amin’ny lalana Podium sy sampanana Andingandingana.

Nisy 40 hafa ihany koa tratra teo Madiotsifafana sy Anosindrafilo teo anelanelan’ireo ora ireo. Samy nizarana arovava avy izy ireo taorian’ny fanaovana asa ho tombontsoan’ny daholobe.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Efa namono olona maherin’ny 10 000 tany Brezila ny Covid-19. Hanokana telo andro ho fisaonam-pirenena ny any an-toerana manoloana izao loza izao. Tombanan’ny manampahaizana ara-pahasalamana ho any amin’ity firenena ahitana mponina 210 tapitrisa ity no ho foiben’io valanaretina Covid-19 io amin’ny volana jona any.

 

Publié dans Tselatra

Tompon’ny saha ihany no nahatrarana ireo lavanila 8kg ireo tao Ambohitrakongona Distrikan’i Sambava ka lavanila 3kg andalam-panamainana sy lavanila maitso 5,200kg. Ny Zandary sy ny « Quartier Mobile » ary ny Sefo Fokontany no nahatratra azy.

Fiotazana lavanila mialoha ny fisokafan’ny taom-piotazana ara-dalàna no anenjehana azy. Notazomina ao amin’ny Brigadin’ny Zandary Sambava ny tompon’ny lavanila, atao famotorana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2