Filtrer les éléments par date : vendredi, 27 mars 2020

Araka ny toro-mariky ny filoha frantsay Emmanuel Macron, dia nanao fanambarana ny praiminisitra Edouard Philippe androany zoma 27 mars fa ampitomboana 15 andro indray ny fihibohan'ny rehetra an-trano ka tsy hifarana izany raha tsy ny 15 aprily. Nambarany fa mety mbola hiitatra io raha mbola tsy voafehy ny aretina.

1696 hatreto no namoy ny ainy, ary 13 904 no any amin'ny hopitaly manaraka fitsaboana, 5 ny mpitsabo maty, ary zandary 1.

299 ireo maty tao anatin'ny 24ora farany.

Raha ny ambaran'ireo dokotera mpahay ny areti-mifindra, dia 40 andro (quarantaine) no ilaina mihiboka tanteraka vao mahomby ny ady, nefa ao anatin'izay dia manao fitiliana, fitiliana, fitiliana marobe.

Miakatra 20 000 isan'andro amin'io herinandro io ny fitiliana atao any Frantsa.

 

Publié dans Tselatra

Namoy ny ainy tamin’ny 7ora sy sasany harivan’ity zoma 27 marsa 2020 ity ihany koa i Jao Léonard, raim-pianakaviana, 57 taona, iray tamin’ireo efatra narary ary niditra hopitaly tao amin’ny CHRR Besopaka noho fihinanana atsantsa avy tany Anjiakely Kaominina Farahalana tamin’ny herinandro lasa teo iny.

Roa aminy izao no namoy ny ainy, mbola misy zaza roa mianadahy izay tena mbola reraka tsaboina ao amin’ny hopitaly.

 

 

Publié dans Vaovao

Nitohy tany amin’ny Distrika Ambohidratrimo ny fizarana fanomezana avy amin'ny filoham-pirenena ho an’ireo zokiolona. Tao amin’ny Kaominina Mahitsy dia zokiolona miisa 150 no nisitraka izany, nahitana vary, menaka, sira, macaroni sy fanampi-tsakafo maro samihafa. Niisa 193 kosa izy ireo tao amin’ny Kaominina Anosiala.

Nifarimbona nanatontosa ny fizarana ny avy amin'ny Minisiteran'ny Mponina, ny DASP (Directeur des Affaires sociales et politiques de la Présidence) ary ny Association Fitia no nanatitra izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

26 hatramin’ny hariva teo ireo olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara. Tranga vaovao ny 2 amin’ireo, tao anatin’ny fitiliana 11 vita.

 

Publié dans Tselatra

Voaporofo tamin’ny fitiliana natao azy fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus i Boris Johnson, praiminisitra anglisy. Izy tenany no nanambara ny vaovao tao amin’ny kaontiny Twitter. Misy soritr’aretina izy ary efa nitoka-ponenana, na izany aza nambarany fa manohy ny asa maha praiminisitra azy, ary mampiasa teknôlôjia toy ny vidéoconférence izy amin’izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 27 mars 2020 17:58

Tetsy sy teroa

Tetsy sy teroa

(Jereo Tohiny)

(Sary Gasypatriote sy nindramina)

 

Publié dans Tselatra

Ankona ny mpiasa tonga handray karama volana febroary 2020 nahita peta-drindrina sy nahazo fampilazana avy amin’ny mpitantana ny SONIA MADA Textile, orinasa mpanao akanjo, eny amin’ny Zone Filatex Ankadimbahoaka, androany zoma 27 marsa 2020, fa halefa « chômage technique » izy ireo manomboka ny 1 aprily 2020. Mpiasa 1000 eo ireo mpiasa voakasik’ity fepetra ity.

Raha ny votoatin’ny petadrindrina, dia noho ny fanafoanan’ny mpanjifan’ny orinasa sy ny fisian’ny valanaretina coronavirus tsy voafehy, no nandraisan’ny orinasa fepetra hampiatoana mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fifandraisana ara-barotra rehetra, dia voatery ny orinasa hanakatona ny orinasa sy handefa ny mpiasa « chômage technique » manomboka ny 1 aprily 2020.

 

Publié dans Economie

Tamin’ny tatitry ny fivoaran’ny fihanaky ny coronavirus nataon’ny Pr Vololontiana Hanta, mpitondratenin’ny Foibem-pibaikoana momba ny coronavirus io atoandro io, no nilazany fa nisy tranga coronavirus iray vaovao voamarina tamin’ireo fitiliana niisa 223 vita teo anelanelan’ny alakamisy 26 marsa 2020 tamin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny androany mitatao vovonana teo.

Nanipika ity sojaben’ny fakioltean’ny fitsaboana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ity, fa tsy isan’ireo olona nandeha fiaramanidina tonga avy any ivelany ity tranga vaovao ity, fa olona teto an-toerana ary viriosy azony vokatry ny fifampikasohana no nahavoa azy.

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana io atoandro io ny Governoran’i Mahatsiatra Ambony, Razafindrafito Lova Narivelo dit Paupil taorian’ny fivorian’ny OMC notarihiny fa misy tranga Covid-19 iray mampiahiahy ao Fianarantsoa, taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo.

Publié dans A la Une

Fotoana fiakaran’ny voka-bary izao ety anivon-tany sy faritra maro. Tsy latsaky ny 450 000 taonina fotsim-bary no vokatra hiandrasana ireo mpanangom-bokatra, hoy ny avy eo anivon’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.

Misy ihany ny vary nafarana ka eo amin'ny 22 000 taonina eo izany mba ho fitsinjovana mandra-pahatongan’ireo vary vokatra tamin'ity fotoam-pambolena ity eo amin'ny tsena. Efa tonga ao Toamasina ireo vary nafarana ireo.

Miantso ireo mpivarotra ny fitondram-panjakana mba hiara-hisalahy amin’ny famonjen’aina amin’izay tahiry ananany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie
Page 1 sur 2