Antsirabe: Tovolahy iray maty nazeran'ny bisikilety, avy eo voahitsaky ny fiara
Tovolahy iray, mpianatra amina oniversite tsy miankina eto Antsirabe, no maty tsy tra-drano nianjera tamin'ny bisikilety nentiny, avy eo voahosin'ny fiara.
Teo Sahatsiho, izay fidinana voalohany raha hivoaka ny tanànan'Antsirabe ka hianavaratra manaraka ny lalam-pirenena faha-7, no niseho ny loza androany tolakandro.
Toliara: Tsy nahitana fiovany ny vidin'ny PPN
Tsy nahitana fiovany ny vidin'ny entana ilaina andavan'andro (PPN) teny anivon'ny tsena teto Toliara (Bazar Sakama, Bazar be, Bazar Sanfily). 450Ariary ny kapoakan’ny vary, 2110Ariary ny kilaon’ny lafarina, 2500Ariary ny siramamy ary 5000Ariary ny litatry ny menaka, tamin’ny fidinana nataon’ny Sampan-draharaham-paritry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa-tanana Atsimo Andrefana izay notarihan'ny Talem-paritra sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky mba hahafahana manara-maso ny vidin'entana.
Nitohy tamin’ny fijerena ireo tahiry sisa tavela sy izay nafarana teny amin'ireo mpanafatra entana ny fisafoana nataon’ireo iraka ireto.
Hatao matetika izao fidinana ifotony izao hiarovana ny mety ho fanararaotana ataon'ny mpandraharaha sasatsasany.
(Jereo Sary Tohiny)
Isoanala RN 13: Dahalo mpanakan-dalana roa lavon’ny Zandary, iray azo sambobelona
Nahitam-bokany ny fikarohana nataon’ny Zandary ireo dahalo nanafika taksibrosy « Carandal » nitondra mpandreha niainga avy ao Antananarivo hiazo an’i Tolagnaro ny alin’ny 12 febroary, niseho tao Sakoamanambadimanga, 7km atsimon’i Isoanala manaraka ny lalam-pirenena faha-13.
Voatifitra teo amin’ny kibony ny mpamily, nentin’ireo dahalo nampijanonana ny fiara. Vola mitentina 12 000 000 Ariary miampy « panneaux solaires » roa, bisikileta roa, findain’ireo mpandeha no voaroba. Nentina tao amin’ny « Poste Fixe » Somotsoy ireo naratra, nalefa ao amin’ny CSB Isoanala koa ilay mpamily voatifitra.
Ntsay Christian: « Tokony hisokatra amin’ireo teknolojia vaovao ampiasaina amin’ny fambolem-bary isika »
Anisan’ny mampaharary ny vahoaka ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny mosary amina faritra maromaro eto Madagasikara hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, raha nitarika mpikambana ao amin’ny governemanta, nidina tany Betroka, omaly, nijerena akaiky ny sehatra rehetra mahakasika ny fiainam-bahoaka amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny.
Niara-dia taminy, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny minisitry ny Fitsarana, ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.
Ambalatany-Andranomavo: Nogiazana ilay sambo sinoa mpandraoka volamena
Nanaovan’ny « Police des mines » iraka avy amin’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny mpitandro ny filaminana, notarihin’ny lehiben'ny Distrikan’i Mananjary sy ny solombavam-bahoaka Mamihaja Charlot, voafidy taty an-toerana, be midina tao Ambalatany, Kaominina Andranomavo, ny fampitsaharana avy hatrany ka nanidiana sy nigiazana ilay milina goavana mitsingevana ambony rano mitrandraka volamena.
Nampitaraina ny vahoaka taty ami'ny faritra ny fanimbana tontolo iainana sy ny fiantraikan’io fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa io amin’ny famokaran’ny tantsaha. Efa nitondran’ny solombavambahoakan’i Mananjary, Haja tatitra tamin’ny governemanta ny handraisana fepetra amin’io fitrandrahana io.
Tonga tao Ambalatany ireo solontenam-panjakana ireo omaly alakamisy 13 febroary, nampitsahatra ny fitrandrahana ; fanapahan-kevitra izay nankasitrahan’ny Vahoaka.
(Jereo Sary Tohiny)
Antsohihy: Manahy ny fanimbana ny ezaka vitan'ny Tontolon'ny Fonja ny vahoaka
Mahagaga ny mponina ny fahenoana feo matetika fa ho esorina amin'ny toerany ny Lehiben'ny Fonja eto Antsohihy. Ambetin-dresaky ny Talem-paritra ny Fandraharahana ny Fonja eto an-toerana andavan'andro moa ny hoe esoriny ny Lehiben'ny Fonja ka mampisavorivory ny olona maro.
Raha tsiahivina dia vao aingana no nanendren'ny fanjakana ity Leben'ny Fonja ity, ary tsy ampy 2 volana taorian'izay dia nisongadina ny zava-bitany, teo ny fanatsarana ny ivelany sy anatin'ny fonja iray manontolo (réhabilitation), ary vita ihany koa ny kianja fanaovana ny fananganan-tsaina na ny terrain de rapport, teo koa ny fampitaovana sy ny fanatsarana ary ny fitsinjarana ny sakafo ho an'ireo misazy.
Izany dia niainga tamin'ny fanampian'ny olona tsara sitrapo, te ahita ny fanajana ny zon'olombelona sy hisian'ny fanamafisana ny fandriampahalemana, izay manana anjara toerana lehibe amin'izany ny fonja. Izay fahavitan'ny asa aingana izay ve no nampisy disadisa tamin'ity Talem-paritra miadidy ny fonja sy ity lehiben'ny Fonja nahita vahaolana izay tsy niankina taminy ity?
14 février
Journée internationale de sensibilisation aux cardiopathies congénitales.