Filtrer les éléments par date : vendredi, 06 novembre 2020

Nanapa-kevitra ny CAF fa hatao "à huit clos" ary tsy hasiana mpijery ny lalao rehetra mahakasika ny fifanintsanana CAN Total Cameroun 2021 hatao noho ny toe-javatra ara-pahasalamana mitranga ankehitriny vokatry ny Covid-19 sy mba hampirindra tsara ny lafiny ara-piarovana.

Ho an’ny Barea sy ny Elefanta, dia hatao any Abidjan Côte d’Ivoire ny 12 novambra ny lalao mandroso, ary ao Toamasina ny lalao miverina eto Madagasikara ny 17 novambra.

Hanomboka amin’ny 9 novambra izao ny fampivondronana ireo mpilalao ho an’ny ekipam-pirenena malagasy.

 

Publié dans Sport

Nitambotsotra tampoka ary nidaraboka i Zafimbelo Ellysson Sylvestre Gervais teo ampiandrasana ny fahatongavan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny Anatirova, androany, hitokana sy hanolotra ireo Lapa nasiam-panarenana.

Publié dans A la Une
vendredi, 06 novembre 2020 16:00

Rova Manjakamiadana : Aza disoana ny tantara

Isaorana ny mpitondra izay nanarina sy nanamboatra ny Rova Manjakamiadana izay may, isaorana ihany koa ireo rehetra nanome tanana sy nanome vola anaovana izany.

Vakoka Malagasy, ary Vakoka fantam-pirenena maro io Rova io.

Ny tantara kosa no tokony hapetraka tsara.
Rovan'ny fanjakana Merina ny Rova Manjakamiadana, fa tsy Rovan'ny fanjakana Malagasy, na tiana afohezina hoe Rovan'i Madagasikara.
Rovan'i Malagasy izy, amin'ny maha vakoka iombonana azy, toa ireo Rova isaky ny Faritra, izay an'i mpanjaka sy ny foko misy isam-paritra.


Hajaina, omena Hasina sy ny toerana tokony hisy azy avy tsirairay.

Raha misy vakoka, na fanaka, na satroboninahitra ao anatiny, toa ity naverin'i Frantsay aty amintsika ny an'i Ranavalona III ity, izay mpanjaka teto Imerina, dia vakoka an'ny Malagasy rehetra, fa tsy "Fiandrianam-pirenena" akory.

Publié dans Editorial

Le conseil des ministres de mercredi a nommé un nouveau Commandant de la Circonscription de la Gendarmerie nationale (CIRGN) pour Antsiranana en la personne du Colonel Hery Lala Randriamaharivo (en médaillon).

Il succédera de fait, à la tête de cette grande formation, sous le contrôle du Général de brigade Fiederch Behivoka (photo) depuis 2018.

L’officier supérieur était le Commandant du groupement de la Gendarmerie pour Alaotra-Mangoro, tandis que l’officier général était le Commandant de la CIRGN de Mahajanga avant de rejoindre son poste à Antsiranana.

Le Général Behivoka est réputé pour son grand professionnalisme et surtout pour son sens de la communication.
Entre autres, il était également directeur de la Police des mines.

Christophe Bélier 

(Voir Suite Photo)

 

Publié dans Politique

Tanterahina ao amin’ny FLM Tsaramandroso Mahajanga ny Komity Sinaoda Lehibe faha-23 an’ny Fiangonana Loterana Malagasy.

Tontosa mandritra izany, ny 05 Novambra 2020, ny fifidianana izay ho Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy.
Nahazo isam-bato ambony indrindra (320/483) taorian'ny Fihodinana Faha-4, ary voafidy ho Filohan'ny FLM i Pastora Dr Rakotozafy Denis, hitantana mandritra ny efatra taona.

Telo no kandida, dia i Pastora Dr Rakotozafy Denis, Pastora Dr Randrianjaka Olivier ary Pastora Andrianjafy Octave Bénil.

Pastora Andrianjafy Octave Bénil, filoha lefitry ny FLM no niakatra ho Filoha nitantana sy namarana ny taom-piasan’ny birao foiben’ity fiangonana lehibe, iray amin’ireo mandrafitra ny FFKM ity taorian’ny nafahatesan’ny Pastora Dr Rakotonirina David, filoha tompon-toerana, ny 11 jolay 2020.

Nitandrina tao amin’ny FLM Tanjombato Antananarivo i Pastora Dr. Rakotozafy Denis.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Feno 62 taona anio ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial.

Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara izy teo anelanelan’ny 25 Janoary 2014 ka hatramin’ny 7 Septambra 2018.

 

Publié dans Tselatra

Cérémonie accueil de la couronne du dais royal de la Reine Ranavalona III (Rova Manjakamiadana) en Photo.

(Voir Suite Photo)

Publié dans Fil info

Vita ny asa fanarenana ny Lapa Manjakamiadana sy Lapa Besakana ao Anatirova, ary dia hotokanana ity 6 novambra 2020 ity izany, araka ny nambaran’ny filoha Andry Rajoelina, ny talata 3 novambra lasa teo.

Nanomboka ny asa goavana rehetra tamin’ny fanarenana ireto fotodrafitrasa ao Anaritova ireto ny fitondrana notarihin’ny filoha Marc Ravalomanana. Namarana azy izany izao fitondrana tarihin’ny filoha Andry Rajoelina izao.

Nandray anjara tamin’ny fitia tsy mba hetra ihany koa ny Vahoaka Malagasy, nanangonana vola fanampiny nenti-nanana ny fanarenana.

Manamarika ity fotoana anio ity, ny fiverenan’ny satroboninahitry ny tatarom-piandrianan’ny Mpanjaka Ranavalona III ao an-dapa, rehefa nalain'ny mpanjanaka Frantsay tao 123 taona lasa izay.

Fa mahabe resaka ihany koa sy mampizarazara ny Malagasy, ary ady tonga eny amin’ny Fitsarana, ny fisian’ny singa vaovao, “Colisée” fotodrafitrasa vaovao nihazakazahan’ny fitondrana ankehitriny naorina ao Anatirova nifanindran-dalana tamin’ny famitana ny fanarenana ireo Lapa sasany izay hotokanana anio.

 

Publié dans Tselatra

6 novambra 1995 – 6 novambra 2020, feno 25 taona katroka androany ny nandravan’ny afo mahery vaika an’Anatirova. May kila hotohoto nandritra izany ny Rova Manjakamiadana.

Andro fisaonana sa androm-pifaliana ity andro ity ?

 

Publié dans Art et Culture

6 novembre : Journée Internationale pour la préservation de l'environnement en temps de guerre.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2