Filtrer les éléments par date : mercredi, 04 novembre 2020

Mivelatra sy mivoatra hatrany. Nampahafantarina sy notokanana androany ny ITU Design School, rantsana iray eo anivon’ny IT University, manana ny foiben-toerany etsy Andoharanofotsy.

Hamaly ny filana eo amin’ny lafiny serasera, dokambarotra, tonta printy ny fisokafan’ity lalampiofanana « design » ao amin’ny IT University ity. Sehatr’asa mivelatra ary mbola malalaka rahateo ireo eto Madagasikara, saingy mitaky fahaizana manaraka ny fivoaran’ny teknôlôjia.

Publié dans Art et Culture
mercredi, 04 novembre 2020 21:58

Miandry kely aloha nareo any atsimo

Pilo kely: Miandry kely aloha nareo any atsimo, ho avy any ny filoha rehefa avy namita adidy ara-pianakaviana tany an-dafy sy amita ny fitokanana ny kolize.

Efa niainga avy aty Antananarivo rahateo ireo vary sy vatsy fanampiana, ka tsy marina izany ny filazana hoe raha nandeha an-tongotra ny vatsy fanampiana dia efa tonga.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Namoahan’ny Polisim-pirenena filazana fikarohana i Natacha sy Haingonirina Serge Aimé. Voarohirohy ho amina raharaha fivadiham-pitokisana, halatra ary fanamboarana sy fampiasana taratasy hosoka izy ireo.

Niasa tamin’ireny « microfinance » na orinasa mpampindram-bola madinika ireny izy ireo.

 

 

Publié dans Vaovao

Voasambotry ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahefatra ireo andian-jiolahy saika hanao fanafihana teny Namontana, Boriborintany fahaefatra Antananarivo Renivohitra.

Efa-dahy niaraka tamin'ny basy miisa 02 nisy bala no tra-tehaka voalohany, fa tafatsoaka nandritra ny fifanenjehana.

Tra-tehaka teny Ambohibao ny jiolahy 01 tafatsoaka tetsy Namontana. Tetsy Mahamasina ny jiolahy fahaenina. Rehefa nosavaina ny tranon'ity farany dia nahitana basy mahery vaika "fusil d'assaut Ak 47 " sy « boite chargeur » miisa 06 tao aminy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
mercredi, 04 novembre 2020 21:31

Organisme rattaché : Nofoanana ny CREAM

Nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra androany ny CREAM, na ny « Centre de Recherche d’Etudes et d’Appui à l’Analyse Economique ». Voalaza fa mitovy asa amin’ny “Direction Générale de l’Economie et du Plan” ny CREAM, araka ny rafitra mipetraka eo anivon’ny ministeran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 04 novembre 2020 19:18

CENI : Fiomanana amin'ny fifidianana Loholona

Tontosaina eto amin'ny foibe CENI Alarobia ny Sehatra ifampidinihana manodidina ny fifidianana Loholon'i Madagasikara, izay hatao ny 11 Desambra 2020 izao.

Fanakalozan-kevitra andraisana fanakianana ho fampandrosoana ny fifidianana. Modely aty afrika ny CENI eto madagasikara hoy ny filohan'ny CENI.

Mifarana amin'ny febroary 2021 ny fotoam-piasan'ireo Loholona.
Ny ben'ny tanana sy ireo mpanolontsain'ny tanàna voafidy vokatry ny fifidianana natao farany teo no mpifidy lehibe.

Publié dans Politique

Misokatra androany Alarobia 04 Novambra ato amin’ny trano malalaky ny faritra Atsinanana ny « GUICHET UNIQUE ».

Toy ny isan-taona dia ato no ivon-toerana ampivondronana ireo Birao rehetra tokony handalovan’ny mpikarakara taratasy rehetra :
- Biraon’ny Hetra,
- Biraon’ny Statistiques,
- Biraon’ny Kaominina ho an’ny «droit de stationnement»,
- Ireo Sampandraharahan’ny faritra mikirakira ny lafiny « ristournes ».

Isan-taona dia fahombiazana tanteraka izao fikarakarana izao, satria dia manamora ny fiomanan’ireo rehetra mian-tsehatra amin’ity asa mandalo nefa iankinan’ny toe-karenan’ny kaominina sy ny faritra ary tokantrano maro eto Toamasina ity.

Publié dans Economie