Filtrer les éléments par date : samedi, 28 novembre 2020

Nolanian’ireo Solombavambahoaka ny alin’ny zoma 27 novambra 2020 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2021.

Rehefa avy nodinihin’ny vaomieran’ny ara-bola sy ny teti-bola nandritra ny andro vitsivitsy dia nentina teo amin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina ary nolaniana tamin’ny endriny nasiam-panitsiana.

Solombavam-bahoaka miisa 97 tonga nanatrika ny fivoriam-be teny amin’ny Antenimieram-pirenena no nandany ny volavolan-dalàna laharana 016/2020 mifehy ny teti-bolam-panjakana 2021 rehefa nasiam-panitsiana.

Raha ny voarakitra ao anatin'ity lalàna ity dia tombanana ho 4,5% ny tahan'ny fitombon'ny harin-karena faobe ho an'ny taona 2021.

Nitondran’ny Solombavam-bahoaka fanintsiana ny mahakasika ny fanafoanana ny hetra alaina amin'ny tataom-bidy (TVA) eo amin’ny famarotana volamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Izany no natao dia mba ho fanamafisana ny fananganana ny tahirin’ny volamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara.

Publié dans Politique
samedi, 28 novembre 2020 09:57

28 novembre : Journée Mondiale Sans Achats

28 novembre : Journée Mondiale Sans Achats

Publié dans Fil info