Filtrer les éléments par date : vendredi, 27 novembre 2020

Hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 20 Desambra 2020 ny lalao afrikana iadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Judo, ka eto Madagasikara no handraisana izany, araka ny fampahafantarana nentin’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto.

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 25 novambra 2020 izany, ary napetraka mazava ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana tsy maintsy harahana, toy ny fanaovana ny fitsirihana ara-pahasalamana, sy ny fanaovana Test PCR, mialoha ny hidirana eto Madagasikara sy hanaovana ny fifaninana.

Fandrindrana ny fitaterana ireo atleta avy any Afrika ho tonga eto Madagasikara, fanaovana ny fifanintsanana tsy azo hatrehin’ny daholobe, fijanonana any amin’ny toerana hitobian’ireo mpanao fanatanjahantena rehefa tsy mandray anjara amin’ny fifaninana izy ireo, fametrahana arovava orona rehefa mivezivezy ivelan’ny toerana hifaninanana.

 

Publié dans Sport

Fianarana teny anglisy : Voatendry ho Tale misahana ny « Centre National d’Enseignement de la Langue Anglaise (CNELA) » Rakotoniera Zoly Harilala Avotiana

 

Publié dans Tselatra

Voatendry ho Tale misahana ny « Centre National de Recherches Industrielle et Technologique (CNRIT) » nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 25 novambra 2020 Randrianirainy Huchard Paul Berthin.

 

Publié dans Tselatra

Voatendry ho Tale misahana ny « Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT) » nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 25 novambra 2020 Randrianirina Jasmin Emile.

 

Publié dans Tselatra

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Institut Supérieur de Technologie » eto Antananarivo nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 25 novambra 2020 Rakotondrajaona Holy Nirina Jean Luc.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 27 novembre 2020 20:33

ONE : Rakotoson Rija Herisolo no Tale Jeneraly

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Office National de l’Environnement (ONE) » nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 25 novambra 2020 Rakotoson Rija Herisolo.

 

Publié dans Tselatra

Nandefa taratasy fiarahabana an’i Joe Biden, ny 25 novambra 2020, amin’ny nahavoafidy azy ho filohan’i Etazonia ny filohan’i Chine, Xi Jinping.

Tokony halavirina ny ady na koa fifanandrinana hoy i Xi Jinping tamin’ny taratasiny, fa hifanaja anatin’ny fiaraha-miasa mba samy hahazo tombontsoa hahafahana mahita fandriampahalemana sy fampandrosoana.

 

Publié dans Politique

Maty tao anatin’ny fifampitifirana tamin’ny Zandary avy amin’ny CSAO Beroroha, ny marainan’ny 21 novambra 2020 tao Ankilisivy Fokontany Bekifio, Kaominina Tanandava, Distrika Beroroha, i Damison, dahalo raindahiny voarohirohy amin’ny halatr’omby, fanafihana mitam-basy, fandrahonana ho faty.

Omby miisa enina, basimborona iray, fanamiana mpitandro filaminana sy ody gasy maromaro hita niaraka taminy.
Mitohy ny fikarohana ireo dahalo namany.

 

Publié dans Tselatra

Nanolotra famatsiam-bola mitentina 1,2 tapitrisa dolara ho an’ny orinasa telo eto Madagasikara ny governemanta amerikana, amin'ny alàlan'ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) sy ny tetikasa Power Africa, hampandrosoana ny tambajotra madinika, izay hamokatra herinaratra ho an’ny tokantrano sy orinasa ambanivohitra maherin’ny 5 200.

5% monja amin'ny mponina any ambanivohitr’i Madagasikara no mahazo herinaratra mivantana, na dia eo aza ireo loharanon'angovo azo havaozina toy ny masoandro, ny rivotra sy ny rano.

Ary satria mety ho sarotra ny fidirana amin'ireo faritra lavi-toerana, dia izay indrindra no nampifantoka ny ezaka’i Power Africa amin'ny fampiasana ny herin’ny masoandro sy ny tambajotra madinika, miaraka amin'ny Ministeran'ny Angovo, ny Agence de Développement de l’Electrification Rurale (ADER), ary ny sehatra tsy miankina.

Publié dans Economie

Miteraka resabe ny fahalanian’ny tolo-dalàna 03-2020/PL tao amin’ny Antenimieram-pirenena farany teo, izay manova tanteraka ny votoatin’ny lalàna laharana 2011-005 tamin’ny 01 aogositra 2011 mamaritra ny asan’ny “Géomètre expert” eto Madagasikara.

Io lalàna 03-2020 io izay atao koa hoe : "Lalàna Raholdina" dia lalàna te hanova ny satan'ny géomètre expert. Anisany nijoro manohitra azy io ny SYGEP na syndika ivondronan’ny “Géomètre expert” eto Madagasikara, araka ny fanambarana nivoaka tamin’ny 13 novambra 2020.

Taloha dia ny fanjakana no nisahana ny asa fandrefesan-tany sy ny manodidina izany. Tamin'ny taona 1990 tany anefa dia napetraka ny politika fisintahan’ny Fanjakana amin’ny seha-pamokarana rehetra toy ny fambolena, ny fiompiana, ny fandrefesan-tany sns.

Nisy nalefa nisotro ronono nialoha ny fotoana mihitsy ny mpiasa nanoloana izany.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2