Tandremo sao katsaka nasiam-panovana
Pilo kely : Tandremo sao katsaka nasiam-panovana (OGM - Maïs transgénique) no zaraina amin'ny kere any atsimo
Tafandria mandry e.
Patrick
Diego Maradona : Nodimandry teo amin’ny faha-60 taonany
Nindaosin’ny fahafatesana androany 25 novambra 2020, teo amin’ny faha-60 taonany i Diego Armando Maradona Franco, fantatry ny maro tamin’ny anarana Diego Maradona teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra.
25 novembre : Journée Internationale pour l'élimination de la violence à l'égard des femmes
25 novembre : Journée Internationale pour l'élimination de la violence à l'égard des femmes.
25 novembre : Journée mondiale anti foie gras
25 novembre : Journée mondiale anti foie gras
Fanolanana : Ben'ny tanàna teo aloha tratra nanolana zazavavy 14 taona
Lehilahy 54 taona, Ben'ny tanàna teo aloha voatoroka fa nanolana zazavavy 14 taona tao Imerinimamo, fokontany Ambohimanana, Kaominina Antoby Antsinanana, ny 10 novambra 2020.
Nosamborina ka nanaovana famotorana lalina ilay rangahy.
Natolotra ny Fitsaràna ny andron'ny 24 novambra 2020 ilay Ben'ny tanàna ary naiditra amponja vonjimaika.
AmbondronA: '' Ho Soa Hatrany'', rakikira faha-7 an’ny tarika
Hivoaka manerana ny nosy ny 26 novambra 2020 ny rakikira vaovao ny tarika AmbondronA, nampitondraina ny lohateny '' Ho Soa Hatrany''.
Rakikira faha-7 an’ny tarika ity hivoaka ity, izay nampahafantarina omaly tao amin’ny Pho Resto Ampasamadinika ny mombamomba azy.
Ny taona 2013 no namoaka rakikira farany ny tarika.
Fiainana : Masahia manakatona varavarana iray, hisokafan'ny varavarana hafa
Indraindray toa tsy mandroso mihitsy ny fiainana, fa miodikodina eo, eny mihemotra mihitsy aza.
Mety misy fahaverezana asa, tsy fahafahana fanadinana, famoizana havana akaiky, fisarahana amin'ny olon-tiana, tsy fisian'ny fahafinaretana iaina intsony mihitsy aza ny an'ny sasany. Toa mikatona avokoa izay aleha. Teraka ny fahakiviana.
Zavatra mety hitranga avokoa izany. Zava-dehibe ny mivavaka amin'Andriamanitra ho an'izay mino.
Masahia manova fiainana, ka ny zavatra manodidina anao no iangan'izany. Tsy voatery hanam-bola, na ovaina fotsiny aza ny fipetraky ny fanaka ao an-trano, ny fitodiky ny fandriana, ny seza sy ny lakozia.
Fotoana iray iny anadiovana ihany koa ny trano, anariana ireo zavatra tsy ilaina, ampirimanana ireo taratasy. Ilàna fotoana kely izay, fa ilaina izay anovana ny maso sy ny fijery, satria io zavatra jerenao isan'andro io no mibaiko ny sainao mangina.