Filtrer les éléments par date : mardi, 24 novembre 2020
mardi, 24 novembre 2020 21:35

Lingot volamena 1kg miteti-bidy 50 000euro

Pilo kely : Lingot volamena 1kg miteti-bidy 50 000euro (235 000 000ar) any ivelany, 180 000ar ny grama, na 180 000 000ariary ny kg ( 38 300euro)

Oviana moa ilay comptoir de l'or no hajoro?

Tafandria mandry e.
Patrick

(Tahirin-tsary volamena malagasy mivoaka par silence)

 

Publié dans Pilo kely
mardi, 24 novembre 2020 14:46

Economie : Madarail en chiffre

Le conseil d’Administration

Président du Conseil d’administration : Monsieur Patrick CLAES

Membres du Conseil d’Administration
Monsieur Naina ANDRIANTSITOHAINA
Madame Herisoa RAZANADRAKOTO
Monsieur Herintsalama RAJAONARIVELO
Monsieur Jean Martin RAKOTOZAFY
Monsieur Andriamampianina HAMBININTSOA
Monsieur Eric RAZANAMPARANY
Monsieur José ANDRIANASOLO
Monsieur Maminiaina RAVATOMANGA
Monsieur Rigobert RAKOTOARINIRINA
Monsieur Salimo MOMOD
Monsieur Hasnein HIRIDJEE
Secrétaire de séance : Maitre Zakazo RANAIVOSON

Publié dans Economie

10 000m3 isan'andro eo ny filana rano ho an’ny Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa. Tsy maharaka ny tolotra noho ny haintany sy fahasimban’ny tontolo iainana mitarika faharitran’ny rano.

Manoloana izany dia novatsian’ny Kaominina rano ny Hopitaly Manara-penitra Andrainjato ho fitsinjovana ireo olona marary izay tsaboina ao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Mitaraina ny ankamaroan’ny tantsaha any Soavinandriana Itasy fa tsy misy ny fanohanana na ny fanampiana azy ireo. Misondrotra be ny vidim-piainana ka na ny vidin’ny vary aza dia mila ho tsy zakan’izy ireo intsony.

Nidina tany an-toerana, ary “nahita maso izany aho”, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

“Rehefa nojereko, hoy ity farany, ny tetibolam-panjakana amin’iny taona 2021 iny na ny LFI 2021, dia hita taratra fa mbola tsy hisy mihitsy izany fanohanana ny tantsaha izany.

Ny tetibolan’ny ministeran’ny fambolena aza nihena 12,70% be izao raha ampitahana tamin’ny LFR 2020 teo”, araka ny fanamarihana nataony.

Publié dans Politique

Tra-tehaka tao amin'ny kijana Angorogabe Fokontany Andapinarosy, Kaominina ambanivohitra Anjalazala, Distrikan'Antsohihy ny 21 Novambra 2020 ny lehilahy telo voalaza ho mitazona omby maloto maromaro.

Tratra niaraka tamin'izy ireo koa ny basim-borona Baïkal iray, tsy misy antotan-taratasy, sy bala vita gasy iray, tranom-bala efa nipoaka iray.

Nisy koa kitozan-kenan'omby halatra iray gony sy tapany, ary koa omby tsy mazava miisa 52 norobain’ireo olon-dratsy tany Ambararaty any Mandritsara.

Naiditra ambalam-pamonjana ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Anjalazala ireo omby tsy mazava miisa 52. Nohazomina vonjimaika ao amin'ny tobim-paritry ny Zandary Antsohihy ireo olon-dratsy.

Nogiazana ao amin’ny tobim-paritra Antsohihy ny basim-borona, ny bala ary ny kitoza.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Lehilahy iray, nitazona basy poleta vita gasy, no nikasa hanafika toeram-pivarotana iray tao Tsihombe, ny alin’ny 19 novambra 2020.

Niroso tamin’ny fitsongoana dia avy hatrany ny Zandary vao nahazo fampandrenesana.
Nandositra ilay olon-dratsy ary nifanenjehana dia tratra. Azo tamin'izany ny famaky sy ny poleta vita gasy teny aminy.

Notazomina tao amin’ny Brigady Tsihombe ilay jiolahy sy ireo fitaovam-piadiana teny aminy, ary natao fanadihadiana. Karohina ireo mpiray tsikombakomba aminy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

24 novembre : Journée internationale de la Bible

 

Publié dans Fil info