Filtrer les éléments par date : lundi, 23 novembre 2020

Raha jerena ny vidin'entana eto amintsika, indrindra fa ireo entana hafarana avy any ivelany, toy ny hita amin'ireny centre commercial ireny, dia vidin'entana 1.5-2 avo heny amin'ny vidin'ny amarotana azy any ivelany. Azo azavaina izay amin'ny haba, sy ny fitaterana ilay entana avy any ivelany mandeha aty.

Izany hoe lafo fianana indroa avo heny noho ny any an-dafy izany ny antsika, nefa ny karama sy ny vola miditra Ariary, izay efa ho 5000 ar ny Euro ary 4000ar ny dolara.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Ny 18 septambra 2020 tao Antaimby, Fokontany Antanifotsy, Kaominina ambonivohitr’i Sambava, Faritra SAVA ny moto tsy mataho-dalana iray marika MADA no very.

Nahazo fampitam-baovao ny Zandary avy ao amin'ny Tobin-janam-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Bemaranja fa ao Beramanja io moto io sy ny tovolahy nahiana mafy ho nangalatra azy.

Nanao ny fikarohana ifotony ireo Zandary tao Beramanja ny 22 novambra 2020 ka tra-tehaka niaraka tamin'ilay moto nangalariny ilay tovolahy nahiahiana, ary niaiky avy hatrany ny heloka vitany.

Hatolotra ny tompony tsy ho ela ny moto.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Zazavavy kely iray, 13 taona, no maty natelin’ny rano Maevarano, tao Befotaka Avaratra, Distrika Analalava, Faritra Sofia, ny tolakandron’ny alahady 22 novambra 2020.

Hisasa sy hanasa lamba no namonjeny renirano, saingy nibolisatra dia nilentika.

Efa adim-pamantaranandro telo taty aoriana vao hita, saingy efa tsy avotra intsony ny ainy.

Mpianatra ao amin'ny EPP Befotaka Avaratra ilay zazavavy kely namoy ny ainy ity.

 

Publié dans Vaovao

Tambazotran-jiolahy iray ahitàna jiolahy miisa 15 no saron'ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Miarinarivo.

Notafihan'ny andian-jiolahy ny tokantrano iray tao Anorankely Fokontany Anorambe, Kaominina Ambatomanjaka, Distrika Miarinarivo, Faritra Itasy ny alin'ny 10 novambra 2020.

Lasan'ireo jiolahy tamin'izany ny vola mitentina iray tapitrisa Ariary teo ho eo, ary namoizan'aina olona iray izay mpitondra fivavahana.

Lonilonim-pianakaviana mahakasika ny famarotana lova no antony ny fanafihana, ka ny zanany sy ny zafikeliny ihany no nanao izany.

Olona miisa 15 no voarohirohy amin’ity raharaha ity, ka efa voasambotry ny zandary ny 12, mbola karohina kosa ny 03.

 

Publié dans Vaovao

Vehivavy iray mitondra vohoka enim-bolana no namoy ny ainy ny zoma 20 novambra 2020 tao Anony, Kaominina Vohitraivo, Distrika Amparafaravola.

Avy nisafo tany amin’ny hopitaly ilay ramatoa io andro io, no niharan’ny herisetra ara-nofo teny an-dalana hamonjy fodiana.

Tsy namelan’ireo olon-dratsy mihitsy raha tsy afaka ny ainy, ary tamin’ny fomba feno habibiana no nanatanterahana ny famonoana azy satria dia nodidiana antsy ny tendany.

 

Publié dans Tselatra

Tra-tehaka tao Ambohibary Distrika Moramanga teo ampanolanana zazavavy kely vao 13 taona monja ny rangahy iray, 45 taona, mpamily, ny 19 novambra 2020.

Nisy zazavavy kely 5 hafa efa voaolany talohan’io, ka misy kambana vao 10 taona, ny zandrin'ireo kambana vao 9 taona, zazavavy hafa 8 sy 12 taona.

Efa nozahan'ny mpitsabo avokoa ireo zaza voaolana ka manaraka ny fitsaboana.

Efa eo ampelantanan’ny Zandary ilay mpanolana.

 

Publié dans Tselatra

Voasazy tsy ho afaka hisehatra amin’ny tontolon’ny baolina kitra mandritra ny dimy taona, miampy onitra 832 tapitrisa Ariary (185 000 Euros) i Ahmad Ahmad, Filoha amperinasa ny Kaonfederasiona Afrikanina ny baolina kitra.

Publié dans A la Une

Maro ny antony mety ilana siniben-drano, na anangonana ranon'orana, na anaovana fitehirizana rano avy any anaty vovo, na kely loatra ny tsindrin'ny rano na pression rano Jirama ka ilana ampiakarina ambony mba hisitraka rano ny eny amin'ny rihina ambony.

Mitovitovy avokoa ny fanamboarana azy, fa miankina amin'ny tiana ampiasana azy.

1- Inona no safidy akora anamboarana azy

Ny tsotra indrindra dia ny mividy ny efa vita amin'ny plastique ireny, fa somary lafo ny vidiny. Indraindray misy fofona ny plastique.
Azo atao koa ny mampiasa ireny barika plastique manga ireny, na ireny carré fotsy misy vy manamafy ireny, diovy tsara amin'ny savony vovony, fa matetika barika avy nasiana akora simika izy ireny.

Raha misafidy ny anamboatra azy amin'ny béton, na biriky nolalorina ciment kosa dia mety ihany koa.

Publié dans Editorial

Nisitraka fanomezana avy amin'ny anaran'ny antoko Freedom ireo ankizy sahirana karakarain'ny Centre du Jour, an'ny S.O.S Village d'Enfants eo Mahazoarivo-Antsirabe.

Ny Alahady 22 novambra no nanalorana izany, notarihin-dRtoa Rakotondrazafy Lalatiana, filohan'ny antoko.

Fitaovana ahafahan'ireo zatovo manampy azy amin'ny fiofanana arak'asa ataony ireto natolotra ireto, toy ny milina fanjairana ho an'ireo zatovovavy, fitaovana ho an'ny fanorenana sy fandrafetana kosa ho an'ny zatovolahy.

Nambaran'ny Dr Aimé Joachin, Talen'ny toby fa manampy be ireo ankizy tezaina ny fahazoana ireo fitaovana ireo.

Ankizy miisa 150 no ao amin’ity toby ity, ary mpampianatra sy tompon'andraikitra ara-tsosialy miisa 11 no miahy sy manabe azy ireo, izay tsy kilasy mandry akory fa mianatra ivelan'ny Toby.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Fiara fitaterana iray mpitatitra olona manao zotra Ambositra – Tsiroanomandidy no tra-doza teo anelanelan'Analavory sy Ankadinondry omaly Alahady maraina, raha hiazo ny renivohitr’i Bongolava.

Niala lalana ilay fiara ary nivadibadika. Naratra ny ankamaroan’ny mpandeha.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2