Filtrer les éléments par date : lundi, 02 novembre 2020

Pilo kely: Ny teny hoe "Ministre" dia azo tamin'ny teny latinina hoe "Minus" na "inférieur" na ambany, mpanompo.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Olona miisa 600 eo no mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA eto Boeny raha ny fanisana farany. Somary nangina ny fanentanana tato ho ato satria naompana any amin’ny fitsaboana ireo marary ny ampahany betsaka amin’ny teti-bola.

Hisy hetsika hatao eto Mahajanga. Hisy fitetezana ireo tobim-pahasalamana mandritra ny 2 andro, hijery ny fanatanterahana eny ifotony ny ady amin’ny VIH/SIDA.

Hanao atrik’asa roa andro aorian’izay, handrefesana ny asa vita sy hamaritana ny ezaka ho tratrarina ho an’ny manaraka.

 

Publié dans Tselatra

Niakatra Fitsarana tao Antalaha androany 2 novambra ilay raharaha laza adina sandoka niparitaka tamin’ny tambazotra facebook talohan’ny bakalôrea 2020 teo.

Olona efatra no nosamborina sy notanana amponja vonjimaika nanomboka ny 17 oktobra noho io raharaha io, ka lehilahy mpampianatra Histo-Géo ao amin’ny Lycée Horace François Antalaha sy tovolahy telo, mpianatra tokony niatrika bakalôrea teo.

Nivoaka ny didy, natsahatry ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha ny fanenjehana azy ireo. Afaka madiodio izy efa-mianaka.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana haintrano goavana tao amin’ny vakim-paritra Amboanio eto Farafangana ny alin’ny alahady hifoha ity alatsinainy 2 novambra ity.

Tokony ho tamin’ny 10 ora alina no niandoha ny afo. Niezaka namono araka izay tratry ny heriny ny mponina sady niantso ny mpamonjy voina. Tara fahatongavana ireto farany, nony tonga anefa dia tsy nisy rano fa vao nampiditra avy amin’ny ranomasina ka nampitaraina mafy ny mponina.

Nihanaka ny afo, nandrava trano hatrany amin’ny 82 tafo sy ny entana maro. Tsy nisy ny ain’olombelona nafoy fa omby roa no maty nandritra ity haintrano ity, izay namela traboina 270.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Voasambotry ny Polisy tetsy Anosibe Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra ny tovolahy 16 taona tompon’antoka tamin’ny fanolanana zazavavikely 07 taona, izay nitarika tamin'ny fahafatesan’ity farany.

Nitaraina tamin'ny Ray aman-dreniny ilay zazavavy kely 07 taona ny 19 Oktobra lasa teo fa marary an-doha sy narary kibo lava ka notsaboina teny amin'ireny mpanao ody gasy ireny, saingy tsy nety sitrana.

Rehefa noentin'izy ireo namonjy CSB II indray ilay zaza dia voalaza fa niharan'ny fanolanana ka nasain'ny mpitsabo tao namonjy haingana ny hopitaly Befelatanana. Namonjy ilay zazavavy kely, ka nanao izay ho afany tamin’ny fitsaboana azy ny mpiasan’ny fahasalamana fa tsy tana ny ainy.

Publié dans Vaovao
lundi, 02 novembre 2020 12:36

Sandam-bola Ariary: Mila fepetra aingana

Tsy nitsahatra nitotongana ny MGA na Ariary tao anatin'ny volana vitsy izay, somary niatsara kely izy faran'ny volana oktobra, raha 4545.29 Ariary ny 1 euro, ary 3897.25 ariary kosa ny 1 dolara amerikanina ny 30 oktobra lasa teo.

Isaorana ny namana nanao fanadihadiana momba ity sandam-bola ity, na ny sary ny fanadihadiana:

"Raha jerena ny Analyse Graphique EUR & MGA (Euro, mifanehatra amin'ny Vola Malagasy):

Ny taha ambany indrindra tamin'ity taona ity dia tamin'ny herinandro 17 febroary 2020, ary ny taha ambony indrindra kosa dia tamin'iny herin'andro ny 19 oktobra 2020 lasa teo.

Publié dans Economie

Anatin’ny fitsarana ireo taratasim-panadinana izao ny dingana misy ny bakalôrea 2020. Vita ny herinandro lasa iny ny andiany faharoa ho an’ny sokajy teknika, izay nanakatona tanteraka ny adina an-tsoratra.

Raha ny fanazavan’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Elia Béatrice Assoumacou izay tompon'andraikitra voalohany amin’ity fanadinam-panjakana hahazoana diplaoma izay lakile hidirana amin’ny anjerimanontolo ity, dia andrasana amin’ny 14 novambra ny voka-panadinana.

Misy mangataka hatramin’ny telo andro fanampiny eo ny faritra sasany, hoy izy, noho ny fahataran’ny fahatongavan’ireo taratasim-panadinana.

 

Publié dans Sociale

Ny alin’ny 1 novambra ny sidina farany an’ny Air Madagascar, nofaritan’ny fanjakana, nitondra ireo Malagasy tavela tany ivelany, hody an-tanindrazana. Tonga tamin’io sidina io ihany koa ny filoha Andry Rajoelina rehefa avy nanotrona ny vady aman-janany tany Frantsa nandritra iny herinandron’ny fialantsasatry ny “Toussaint” iny.

Ahiboka avy hatrany miandry valin’ny fitiliana PCR atao azy, ireo rehetra tonga avy any ivelany, ho fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny Covid-19.

Hiatrika mivantana ny fiainam-pirenena indray ny filoha. Hanamarika ny amin’ity herinandro ity ny ho fitokanana ny fanarenana ny Rova sy ireo fotodrafitrasa vaovao naorin’izao fitondrana izao ao Anatirova. Nofidiana ny datin’ny 6 novambra hanatontosana izany, mifanandrify indrindra amin’ny tsingerintaona faha-25 (1995-2020) nahamay ny tao Anatirova.

Publié dans Politique

2 novembre : Journée internationale de la fin de l’impunité pour les crimes commis contre des journalistes

 

Publié dans Fil info
lundi, 02 novembre 2020 08:14

2 novembre : Fête des Morts

C'est une tradition qui honore les défunts.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2