Filtrer les éléments par date : lundi, 16 novembre 2020
lundi, 16 novembre 2020 22:18

Alaviro ireo namana manana fijery mihiba

Io saintsika io dia miasa tsy baikoina, na matory aza ianao dia miasa foana izy io.
Raha misy tanjona tianao ho tratra, dia eritrereto iny tanjona iny, raiso an-tsaina tsirairay ny fomba anatratraranao azy.

Esory an-tsaina ilay eritreritra mihiba, satria voatanan'ny saina iny, ka dia ho amafisiny hatrany iny mihiba iny, ka hitarika hakiviana ho anao.

Raha mijery mihabo ianao dia hijery mihabo ihany koa io sainao io, ka hibaiko ny vatanao rehetra ho mihabo sy atanjaka anatanterahinao ny tanjonao.

Azo atao ny manisy sary ho peta-drindrina ao antranonao ho hitan'ny masonao hatrany ny tanjonao, ohatra Plan trano, na modely fiara, na tracteur, na fambolena.

Alaviro ireo namana tsy sasatry ny manakivy sy mijery mihiba, tsy izy no resenao lahatra amin'ny tanjona tianao tratrarina fa ny sainao miasa mangina izay manira-tena mihiba na mihabo arakaraky ny baiko omenao azy.

Tafandria mandry e.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Hasiam-panamboarana ilay tetezam-by eo Tanjombato, mandika an'Ikopa.

Ho tapaka io tetezana io manomboka rahampitso 17 novambra 2020 manomboka amin'ny 05 ora maraina ka hatramin'ny 19 novambra 2020.

Ho azo ifanenana ilay tetezana "béton" etsy amin'ny ilany.

Hisy lamina hapetraky ny mpitandro ny filaminana sy ny Kaominina Tanjombato handrindrana antsakany sy andavany ny fifamoivoizana eny an-toerana.

Ny tsara dia mamonjy ny By Pass ireo fiara vaventy.

 

 

Publié dans Tselatra

Tapaka sahady ny RN33 Bis, taorian’ny orana in-droa nilatsaka ny herinandro lasa iny. Vao miandoha anefa ity ny fahavaratra dia fijaliana no iainan’ny vahoakan’Ambatoboeny, amin’ny lalana.

Eo amin’ny PK 12 Soaniaviana no mikatso ny fiara.
Ny takaitra navelan’ny ranobe teo aloha mbola eny, ary vao mainka aza potika.

Tsiahivina fa nampanantena ary nilaza imasom-bahoaka ny tsy maintsy hanamboarana an’io lalana Ambatoboeny-Andranofasika io, ny Praiminisitra Ntsay Christian raha tonga tao Ambatoboeny niaraka tamin’ireo delegasiona mafonja, ny 25 martsa 2019.

Miandry ny fanatanterahana izany ny vahoaka aty an-toerana, izay mahatsiaro mijaly noho io faharatsian-dalana io, satria tena miantraika amin’ny toe-karena sy sosialin’ny mponina ary koa ny fandriampahalemana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Maro ny antony mety te hiasana tena. Ao ny mitady asa nefa tsy mety mahita, ao kosa no manana finiavana te ahaleo tena hanao ny fitadiavany manokana, ao no te hanangana ny orinasany.

1- Fahasalamana

Tsy mora ny manangana orinasa, ary hisahana mpiasa maro rehefa avy eo. Mila jerena dieny mialoha ny ara-pahasalamana. Tsy voatery ho olona matanjaka akory, na hoe raha misy aretina mitaiza dia tsy ho afaka anana ny orinasan'ny tena, fa fantaro mialoha ny toe-pahasalamana.

Mety hiasa saina betsaka, mety hanao asa vatana ary hisy stress betsaka, mety tsy ho ampy toro-maso, tara sakafo, tsy hanana congé sy week-end. Mety hiakatra tosi-drà mihitsy.

Mila alamina izany io resaka fahasalamana io, mba tsy hiantraika amin'ny toe-batana ny asa atao.

Publié dans Editorial
lundi, 16 novembre 2020 07:58

Semaine mondiale de l'entrepreneur

Semaine mondiale de l'entrepreneur:
La troisième semaine de novembre qui est retenue pour cette manifestation.

 

Publié dans Economie

16 novembre : Journée Internationale de la tolérance.

 

Publié dans Fil info

Izay maharitra vadin’andriana. Izay no mahalaza ny tranga misy eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Fahagagana ho an’ny mpitantana ao anatiny ny mahita olona aty ivelan’ny Lapa milaza fa tsy mahaloa karama ity andrimpanjakana ity, mihoatra lavitra izany aza ny fanelezam-baovao hafa milaza, na tsy mamoaka porofo mazava aza, fa misy fanodinkodinam-bola ao.

Voafaritra mazava araka ny Lalampanorenana fa Andrim-panjakana ny Antenimieram-pirenena. Izay koa no mitarika fa tsy maintsy manaraka ny fitsipika ny fitantanam-bolam-panjakana ny fikirakirana vola, fa tsy misy vola mandehandeha na mivoaboaka ho azy.

Misy ny dingana samihafa arahina amin’ny fahazoam-bola, ary ialohavana fanamarinana ataon’ny fanjakana ihany koa vao misy fivoaham-bola. Mety handany fotoana izany. Ary misy ihany koa ny fanamarinana avy amin'ny mpitantam-bola hafa indray aorian'ny fandaniana, contrôle à priori ataon'ny contrôle financier alohan'ny fandaniana, ary contrôle posteriori ataon'ny Trésor rehefa handray vola.

Etsy andaniny dia ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola no mamaritra ny vola iasana sy ihodinana ary andoavana karama sy tambinkarama samihafa, eny amin’ny Antenimieram-pirenena.

Publié dans Politique