Filtrer les éléments par date : samedi, 14 novembre 2020

Fa io ve na lahy na vavy tsy heloka mitovy sy sazy mitovy ihany, ary ny code pénal ve tsy efa miresaka sy manasazy izay olona mandratra olon-kafa na lahy mandratra vavy, na vavy mandratra lehilahy, na samy vavy na samy lahy, dia ho asiana fitsarana manokana momba ny "Genre" koa kelikely?


Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Fahombiazana ny fiarahana tamin'ny vahoakan'Antsirabe androany na dia tsy tafiditra tao amin'ny Magro Avaratsena aza, araka ny fizaram-baovao nataon’i Me Hanitra Razafimanantsoa.

Publié dans A la Une

Mpisoloky roalahy no tra-tehaky ny Zandary, nanao fanamiana sivily avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Mandritsara, teo am-periny manao ny asa ratsin’izy ireo, tao Ambalabe, Kaominina ambonivohitra Mandritsara.

Tratra teny amin’izy ireo ny vato roa kisarisary izay voalaza ao anatin’ny taratasy miaraka aminy fa “vatosoa na safira” miteti-bidy 40 000 000 Ariary.

Silaka tavoahangy no nanaovana ireo vato, ary asiana menaka sy atao anaty “sachet” ka zary manana endrika hafa sy mamiratra.

Efa maro no voasolokin'izy ireo.

Natolotra Fampanoavana ny 11 novambra 2020 teo izy roalahy ireto ka voatana am-ponja vonjimaika.

Mbola misy naman'izy ireo fahatelo karohina amin’izao fotoana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nitrangana haintrano tao atsinanan'ny tsena Ambohimandroso (RN7) Vakinankaratra ny marainan’ny 10 novambra teo.

Noho ny tsy fitandreman'ny tompon'ny trano nahandro sakafon'ny kisoa no niandohan’ny afo, ary nitarika haintrano.

May tsy nisy noraisina ny trano sy ny fitaovana tao anatiny. Tsy nisy aina nafoy fa olona folo no tsy manan-kialofana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tonga io tolakandro io teto Madagasikara, ary samy efa ao Toamasina, toerana hanatanterahana ny lalao miverina hatao amin’ny kianja Barikadimy, ny talata 17 novambra 2020 ny Barea an’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.

Tonga mialoha ny Ivoariana, ary naneho fa tsy hitsangatsangana no ahatongavany eto Madagasikara fa mbola haka isa telo.

Vonona hanarina ny lesoka sy handrombaka fandresena ihany koa ny Barea.

Nanomana fitsenana manokana azy ireo hatreny Ambalamanasa, ka hatrao amin’ny Hôtel Calypso hitoeran’ny ekipam-pirenena malagasy, ny vahoakan’i Toamasina tamin’ny fahatongavan’izy ireo io tolakandro io.

Publié dans Sport

Polisy monisipaly iray no naratra sy voakasi-tanana rehefa nandamina ireo mpivarotra amoron-dalana teo Analakely.

Efa tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nandamina ny raharaha ary efa napetraka ny fitoriana ilay tompon'andraikitry ny korontana.

Tsy azo ekena ny fikasihan-tanana ny mpitandro filaminana, hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Ho entitra ny Kaominina hoy izy amin'ny fampiharan-dalàna ho an'ireo tsy mety alamina sy mpanakorontana.

 

Publié dans Tselatra

Toerana roa ao Antsirabe renivohitry ny Faritra Vakinankaratra no nanaovan’ny mpitandro ny filaminana bemidina taorian’ny loharanom-baovao azon’izy ireo fa misy tambazotra mpivarotena amin’ny Internet.

Tra-tehaka tao Mahazoarivo, mbola teo ampanodinana sary amin’ny « camera » miaraka amin’ireo fitaovana maromaro fandrisika fahafinaretana ara-nofo ny andiany iray tolakandron’ny 10 novambra 2020.

Valo vavy izy ireo, ary tovovavy 17 taona ny iray amin’ireo.
Notanana avy hatrany izy ireo ary nogiazana ireo fitaovana.
Mbola misy andiany hafa ihany koa nanaovan’ny Zandary fikarohana tao Vatofotsy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Hihaona amin’ny vahoakan’Antsibe ao amin’ny Magro Avaratsena ireo Parlemantera avy amin’ny fanoherana, hotronin’ny vondrona Panorama sy ny RMDM.

Ity sabotsy 14 novambra ity no nambaran’izy ireo fa andro hihaonana, hanaovana tatitra ny zava-misy mikasika ny fiainam-pirenena sy ny fitantanan-draharaha, ny fanarahan-dalàna, ny sosialim-bahoaka, ny manodidina ny Covid-19…

Ny hita dia efa miatrana, misakana ny lalana miazo ny toerana kasain’ireto Parlemantera ireto hanaovana tatitra ny mpitandro ny filaminana hatry ny maraina teo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique

Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny diabeta ny teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena. Natao ny zoma 13 novambra, raha toa ka ny 14 novambra no ankalazana io andro io isan-taona.

Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no nikarakara ny hetsika izay niarahana tamin'ny AMADIA.

Nivoitra nandritra izany ny tokony hampahafantarana izany aretina izany amin’ny vahoaka, satria marobe ny voka-dratsy aterak’io aretina io. Ny tsy fahafantaran’ny ankabeazan’ny olona no manjary mandiso ny fitsaboana.

Marihina fa 4% ny tahan’ireo fantatra fa mararin’ny diabeta eto Madagasikara. Na izany aza dia mbola vitsy ireo olona voatily, satria olona 1 amin’ny 10 no nahazoana io taha io.

Nanatanteraka fitiliana diabeta faobe ho an’ny Solombavambahoaka sy ny mpiasan’ny Antenimieram-pirenena ihany koa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary fanentanana amin’ny dia

Publié dans Sociale

Fiara Sprinter iray, mpitatitra olona, avy any Fianarantsoa hiazo an’Antananarivo no nitsoaka "rotule" kodiarana iray anoloana ankavia, ary nivoaka ny làlana ka nifatratra eny amin'ny tamboho biriky.

Simba ny fiara, ary naratra ireo olona 15 tao anatiny, ary efa notsaboina eny amin'ny CHRD Ambatolampy.

Teny amin’ny lalàm-pirenena faha-7, PK 80 +180, Amparaky Fokontany Ihazolava, Kaominina Ambohimpihaonana, Distrika Ambatolampy no niseho ny loza ny 8 novambra 2020, tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany maraina.

Nanao ny fizahana ifotony ny loza ny Zandary ao amin'ny Brigady Ambatolampy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2