Filtrer les éléments par date : vendredi, 13 novembre 2020
vendredi, 13 novembre 2020 13:50

Efa misokatra moa izany ny sisin-tany?

Rehefa mapanankanto malaza vahiny moa izany dia mahazo mivoaka ny Nosy be andeha hanao fampisehoana sy lanonana mitety an'i Madagasikara?

Nigadona tamin'ny sidina tao Nosy be ny mpanan-kanto afrikanina atsimo, Nomcebo Zikode, ka niakatra an'Antananarivo tamin'ny fiaramanidina Tsaradia, ary izao nihazo an'i Sambava izao indray.

Hanomboka ao Sambava ny fampisehoana, hitohy ao Toamasina sy Mahajanga, ary hiafara ao amin'ny Coliseum Antananarivo

Nazava ny fepetra napetraky ny Filoham-pirenena fa tsy misy mahazo mivoaka ny Nosy be ireo miditra ao Nosy be, ary avy dia mody any aminy avy eo.

Gaga anefa fa ny fitondram-panjakana, izay soloan'ny prefet sy maire tena mihitsy no mitsena ity mpanan-kato ity ao Sambava, izay nanokafana ny salon d'honneur, miaraka amin'ny samboadin'ny Ben'ny Tanàna sy akanjo fitafy ofisialin'ny préfet.

Tsy manao aro vava orona akory aza izy ireto izay vahiny tsy hay avy aiza avy, tsy misy test PCR tonga aty Sambava, ny tao Nosy be mbola tsy hay? Mifampikasoka amin'ny olona maro izay liana te hijery sy hifandray tanana sy maka sary selfie mihitsy.

Publié dans Pilo kely

Toa misosa sy mahazatra fotsiny ny mitaingina fiarakodia.

Amin'ny ankapobeny dia misy kodiarana 4 ny fiarakodia iray, izay iny no mampifandray ilay fiara sy ny tany.

Raha jerena anefa iny kodiarana iny, dia tsy izy iray manontolo miodidina no mitehina sy mikasika amin'ny tany, fa ampahany kely amin'ny velarany fotsiny ihany, ka rehefa miodina ny kodiarana dia mifandimby mikasoka amin'ny tany fotsiny ilay velaran'ny kodiarana.

Raha atambatra ny velaran'ireo kodiarana 4 mikasika amin'ny tany, dia mitovy amin'ny velaran'ny felatanana roa, ka ny felatanana iray dia mitovy amin'ny velaran'ireo kodiarana eo aloha mikasika amin'ny tany, ary felatanana faharoa kosa ny kodiarana roa aoriana.

Izany hoe, ny fiara milanja, 2 taonina eo, raha fiara madinika, dia mitombona amin'ny felatanana roa amin'ny tany, voizina handeha hatrany ammin'ny 120 -200km/h amin'ny alalan'ilay felatanana roa, ary ajanona tsy hikorisa amin'ilay felatanana roa raha tiana hijanona, rehefa manindry hisatra amin'ny fiara.

Publié dans Art et Culture

Endrika toy izany ny zava-misy eny amin'ny Antenimieram-pirenena.

Araka ny andininy faha-75 voalaza ao amin’ny Lalàmpanorenana, dia mivory indroa isan-taona ny Antenimieram-pirenena, ka ny fivoriana faharoa amin’izany dia ny Talata fahatelo amin’ny volana oktobra, fivoriana izay natao indrindra handinihana ny Teti-bolam-panjakana ho amin’ny taona manaraka.

Nanomboka ny 20 oktobra 2020 ny fivoriana ara-potoana faharoa ny Antenimieram-pirenena.

Hatreto anefa ny 13 novambra dia mbola tsy eny am-pelatanan'ireo Solombavam-bahoaka ny volavolan-dalàna mahakasika ny teti-bolam-panjakana ny taona 2021, izay ny Governemanta no tokony hanolotra mialoha izany.

Mbola mandalo ihany koa amin'ny Loholona moa io tolo-dalàna io.

Publié dans Editorial

Hiatrika ny fivoriambe fanao isan-taona ny vovonam-pirenena ivondronan’ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana (Alliance Voahary Gasy na AVG) eto Madagasikara anio zoma 13 novambra tontolo andro.

Ao amin'ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray ao Tsaralalana, izay tsy lavitry ny lapan'ny tanànan'Analakely, no hanatanterahana izany.

Ny fahatsapana fa tsy mety ny mitazam-potsiny manoloana ny fandringanana mihoapampana ny ala sy ny zavamaniry ary ireo biby tsy manampaharoa noho ny savoritaky ny taona 2009 no nahatonga ireo Malagasy mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ho nifanatona haingana ka nanangana ny AVG.

Feno 11 taona ny nijoroan’ity firaisamonim-pirenena, izay sarotiny dia sarotiny tokoa amin’ny fiarovana sy ny fitantanana ny harena voajanahary eto Madagasikara ity.
Nankalaza ny faha-10 taona nisiany izy nanomboka tamin’ny taon-dasa, ary nitohy tamin’ity taona 2020 efa madiva hivalona ity.

Publié dans Vaovao

Avotry ny miaramilan'ny ZRPS ALPHA 2, ny 7 novambra teo, tao Bevovotany Distrikan'Isandra, ny tovovavy iray nataon'ny dahalo takalon'aina.

Lavo nandritra ny fifandonana tamin'ireo miaramila kosa ilay dahalo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Asa an-terivozona imasom-bahoaka mba ho fananarana.

Haseho ny fiarahamonina ireo mpanao herisetra ara-pananahana, na ireo mpanolana, sy ireo mpanao herisetra amin’ny maha-lahy na maha-vavy (Violences basées sur le genre – VBG).

Hafainganina ho isan-kerinandro ny fitsarana ireo raharaha momba ny VBG.

Nisongadina ireo omaly nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo teny amin'ny birao fiasany eny Faravohitra.

 

Publié dans Sociale

La vasectomie est une méthode de stérilisation masculine. C’est une opération mineure qui consiste à couper et bloquer les canaux déférents qui transportent les spermatozoïdes à partir des testicules.

Elle est pratiquée sous anesthésie locale dans le bureau du médecin et dure environ 10 minutes.

 

Publié dans Fil info