Filtrer les éléments par date : mercredi, 07 octobre 2020
mercredi, 07 octobre 2020 22:27

Pilo kely: Merci Rajao RN13

"Tsy hiverina aty atsimo zaho raha tsy vita ny RN13" nandritra ny fampielezan-kevitra, niova indray hoe "Tsy hanao politika intsony zaho raha tsy vita ny RN13" rehefa lany filoham-pirenena andriamatoa Andry Rajoelina.

Fa na izany Merci Rajao RN13, ny fitondrana teo aloha notarihan'i Hery Rajaonarimampianina no nahavita ny fifampiraharahana ara-bola rehetra momba io lalam-pirenena RN13 io, hiriana ho vitan'ny fitondrana mandimby.

Tsy azo atao loranjy kosa ny lokon'ny marquage au sol an, tsy maintsy fotsy iny.

Lalam-pirenena faha 13, mampitohy an'i Ihosy - Tolagnaro, mamakivaky ny faritra Ihorombe, Androy ary Anosy. 493km ny halavany.

Tafandria mandry e.
Patrick

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Pilo kely

Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana iray nitaingina bisikilety, handeha hiasa androany maraina, nofaohin’ny taxibe manao zotra Ambohimangakely – Ankadimbahoaka.

Teny amin’ny lalana By Pass - Antananarivo, misy ireo mpikirakira vato, atsimon’ny Domaine Alasora no niseho ny loza.

Nasaina nesorina haingana teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny faty, fa handalo eo ny fiara mitondra ny filoham-pirenena hiazo ny lapam-panjakana Iavoloha.

Nakisaka nankeo an-tsisindalana ilay faty, avy eo dia ny fiara fitondrana marary an’ny Kaominina Alasora no naka azy teo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Tovovavy iray, 22 taona, no nataon'ny andian-jiolahy, mitam-piadiana nanafika, takalon'aina tao Anandrobe Kaominina Bejofo, Distrika Ambatondrazaka, Faritra Alaotra-Mangoro, ny alin'ny 05 oktobra 2020.

Jiolahy miisa sivy no nanafika, ka vola 5 hetsy Ariary sy finday miisa telo no lasan'izy ireo. Nentin'izy ireo natao takalon'aina ny tovovavy iray zanaky ny tompotrano.

Nanao ara-dia avy hatrany ny Zandary, nampian'ireo Fokonolona teo an-tanàna. Tsy lasa lavitra fa teo Ambatomarozafy Fokontany Anandrobe ihany dia navotsotr'izy ireo ilay tovovavy, rehefa tsapan'ireo jiolahy fa ho mafy ny fifandonana.

Mbola karohina ireo olon-dratsy.

 

Publié dans Vaovao

Ny volana martsa 2020, fito volana lasa izay, no nandray karama farany ireo mpiasan’ny FOFIFA (Foibe Fikarohana momba ny Fambolena sy Fiompiana Ampiharina ho Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra).

Mampiana-janaka, niaritra ny fihibohana noho ny hamehana ara-pahasalamana, manofa trano, mamelom-bady aman-janaka… Mitaraina ireo mpiasan’ny FOFIFA fa tena mijaly tsy misy isarongitina intsony ka manaitra ny mpitondra fanjakana hamaha ny olana.

Raha nandalo tao Antsirabe renivohitry ny Faritra Vakinankaratra ny filoham-pirenena ny 28 Aogositra 2020, nametraka ny vato fototry ny Abatoara ao Tsivatrinikamo, dia nilaza fa tena mampalahelo tokoa ny zava-misy ka nanome herinandro ny Minisitry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono ho tsy maintsy voaloa avokoa ny karaman'ny mpiasan’ny FOFIFA manerana an’i Madagasikara fa indrindra ny tao Antsirabe.

Publié dans Sociale

Nanao hetsika fanairana ny mpitondra ireo mpanabe, mpiasa birao ECD sy « vacataire » eo anivon’ny lisea teknika na LTP Ambatondrazaka ny talata 06 oktobra.

Mitaraina izy ireo fa sivy volana izao tsy nandray karama, nefa hiditra indray ity ny taom-pianarana vaovao 2020-2021.
Nametraka sorabaventy teo anoloan’ny vavahady ihany koa izy ireo ho fanamafisana ny fitakiana.

 

 

Publié dans Tselatra

Nampiantso mpanao gazety teny amin’ny tranombokim-pirenena ny teo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ny alalan’ny Tale jeneralin'ny Serasera mpisolo-toerana sy ny tale jeneralin’ny kolontsaina, mahakasika ireo hira nasaina nesorina tamin’ny hainoaman-jery misokatra ho an’ny besinimaro.

Hira telo hatreto no nesorina nanomboka ny taona 2019.

Nanao antso avo izy ireo ho fanentanana sy fampatsiahivana ho amin’ny fandraisan’andraikitry ny mpanakanto amin’ny fanabeazana ny fiaraha-monina mba tsy hiaotra amin’ny mamohafady amin’ny fiaraha-monina amin’ny famoronana ny kanto.

 

Publié dans Art et Culture
mercredi, 07 octobre 2020 20:50

7 octobre

Journée mondiale d'action pour le travail décent.

 

Publié dans Fil info