Filtrer les éléments par date : jeudi, 29 octobre 2020

Rehefa vadinao manao paozy hafahafa iny, mba miteny mi menace anao, za tsy hiaraka aminao paozinao io, angaha ahoany, ianao indray asainy mitondra ilay sac mavesatra tsy hainao aby raha anatiny ao.

Bonne nuit e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Nanao fanambarana ny alarobia 28 oktobra i Ahmad Ahmad fa kandida hirotsaka hofidiana ho filohan’ny Kaofederasiona afrikana ny baolina kitra na CAF. Ity teratany malagasy ity moa izao no filoha amperinasa, nitondra nandritra ny efa-taona ity vovonan’ny kitra ity aty Afrika.

Namoaka fanambarana ny andron'io ihany ny federasiona malagasy ny baolina kitra na FMF, fa manolotra an’i Ahmad Ahmad ho kandida hofidiana filohan’ny CAF.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Nihotsaka tampoka ny rihana amin’ny ampahan-trano izay asiam-panavaozana eo amin’ny Arcade Analakely, amin’ny andaniny andrefana.

Nisy olona naratra, nisy voatsindry tao ambany korontana. Niditra an-tsehatra nanao famonjena teo an-toerana ireo mpamonjy voina ainan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

 

Publié dans Tselatra

Voasambotry ny Zandary avy ao amin'ny Tobin-jana-paritra (Poste Avancé) Zandarimariam-pirenena ao Etrotroky, ny 28 oktobra 2020 i Zelema na i Iaban'i Zamisy. Anisan'ireo gadra maro nitsoaka avy tao amin'ny Fonjaben'i Farafangana izy.

Loharanom-baovao avy tamin'olona tsara sitrapo no nahafantarana ny toerana niafenany.

Ny alahady 23 aogositra 2020, no vaky ny fonjan’i Farafangana. 88 ireo voafonja tafatsoaka. Voasambotra ny 49, 24 no lavo, ary 16 ireo mbola atao hazalambo.

Valisoa 2 tapitrisa Ariary isaky ny gadra voasambotra, no omen’ny Fanjakana izay olona manome loharanom-baovao ahazoana misambotra ireo gadra nitsoaka ireo.

 

Publié dans Tselatra

Mikorontana ny tsena na Bazar be Antsohihy, renivohitry ny faritra Sofia. Toa jerem-potsiny, ary tsy misy sahy mandray andraikitra raha ny fahitana azy.

Re fa efa niezaka nandamina ihany ny fiadidiana ny tanànan'Antsohihy fa tsy tontosa izany noho ny sakana nataona depiote iray ny volana Jolay 2020 teo. Vokany, mikorontana ny tsena, tsisy mpandamina. Eny afovoan-dalana ny mivarotra anana.

Ahiana ny mety hisian’ny loza amin'ity toerana ity raha mitohy, na koa tsy misy fandraisana andraikitra.
Iza ary no andrasana handamina, sa rehefa misy manakana dia tsy misy sahy mijoro mandray andraikitra intsony ?

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Taorian’ny fanambarana natoan’ny filoham-pirenena Frantsay omaly fa miverina amin'ny fihibohana indray ny ao Frantsa, noho ny firongatry ny coronavirus indray.

Maneho ny ahiahiny i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra na Barea. Ao Frantsa daholo, hoy izy, ny ankabeazan'ireo mpilalaon’ny Barea no milalao. Miisa 17 be izao izy reo. Mikatona anefa ny sisintany ao Frantsa ankoatra ny firenena Eropeana.

Publié dans Sport

Nohatsaraina sy nohamafisin’ny teo anivon'ny "Etat-Major Mixte Opérationnel" na ny EMMO ny paikady hiarovana ny vahoaka sy ny fananany eto Antananarivo-Renivohitra.

Misy ny hetsika "PAPANGO" ifarimbonan’ny Zandary sy ny Tafika ary ny Polisy manatanteraka, hiarovana ireo toerana sy Fokontany rehetra ahiana hisian'ny asan-jiolahy, na atoandro na alina.

Ankoatra ny fisafoana ataon'ireo mpitandro filaminana mandeha an-tongotra na amin'ny fiara, dia mandray fanairana na antso vonjy ihany koa izy ireo.

Laharana antsoina raha misy ahiana 034 05 700 68.

 

Publié dans Tselatra

Nandray fepetra ny fanjakana frantsay manoloana ny firongatry ny valanaretina Covid-19 indray. Nanao fanambarana halina ny filoha frantsay Emmanuel Macron fa mihiboka ny ao Frantsa manomboka anio misasak’alina ka hatramin’ny 1 desambra 2020, hisakanana ny fihanak’io valanaretina io.

Na izany aza mianatra ny mpianatra, miasa ny mpiasa, azo vangiana ireo toerana fitaizana beantitra. Voarara ny fivorivoriana ankalamanjana sy ny ivelan’ny fianakaviana.

Mitondra fanamarinana na “attestation” amin’ny fivezivezena ivelan’ny trano fonenana. Sationany amin’ireo fepetra noraisina ireo.

Tsy mbola voakasik’io kosa ireo departemanta ivelan’ny taniben’i Frantsa.

 

Publié dans Tselatra

29 octobre : Journée mondiale des accidents vasculaires cérébraux.

 

Publié dans Fil info

Affection qui se caractérise par l'accumulation de cellules de la peau jusqu'à former des plaques sèches et irritantes.

Le psoriasis serait un trouble du système immunitaire. Il peut se déclencher suite à une infection, à un stress ou au froid.
Les symptômes les plus courants sont des rougeurs sur la peau et parfois dans la région des ongles ou des articulations.

Le traitement vise à éliminer les écailles de peau et à stopper la production trop rapide des cellules de la peau psoriasique. La photothérapie, les pommades topiques et les médicaments peuvent également soulager.

 

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2