Filtrer les éléments par date : lundi, 26 octobre 2020

Pilo kely: Anahidrano, Antsohihy Sofia, tanàna maro tantara, sarotra adinoina.
Tandrema fa masiaka Dady tanàna ein, aza misôma azy fa somainy.

Samy mandry monjogno.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Nitsimbadika ny tantara atsy Seychelles. Lasan’ny mpanohitra ny fitondrana, izay sambany tao anatin’ny 40 taona mahery.

Voafidy tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny salanisam-bato 54,90% i Wavel Ramkalawan, nanoloana ny filoha amperinasa Danny Faure. Ity farany izay nahazo 43,50%.
Telo ny mpifaninana, ka Alain 1,60% ny vato manankery no azon’i Alain St. Ange.

59 taona izao i Wavel Ramkalawan. Presbitera anglikana ity farany, ary fanindroany izao no nirotsahany hofidiana filoham-pirenena. Kandidan’ny Linyon Demokratik Seselwa (LDS, Union démocratique seychelloise) izy.

Niaiky ny fahareseny, ary niarahaba izao fahalanian’i Wavel Ramkalawan izao ny filoha Danny Faure.

Nahazo depiote 25 ihany koa ny antoko LDS, izay 2/3 ny toerana eo anivon’ny Parlemanta.

 

Publié dans Politique

Velon-taraina ny mpiasa fa toa voarirarira sy fahanana fampanantenana lava nefa tsy mivaha ny olana.

Nampanantena azy ireo ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Dr Sahondrarimalala Marie Michelle, andro vitsy monja taorian’ny nanendrena azy amin’io toerana io, fa hamaha ny olana faran’izay haingana mba tsy hampikatso ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC.

Vita ihany ny fanadinana, ary efa nivoaka aza ny valiny fa ny teo ihany no teo, tsy mivaha ny olana.

Mikasa ny hilanja sorabaventy eny amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena Anosy ireo mpiasa hitaky ny karaman’izy ireo.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 26 octobre 2020 12:20

Te ho katolika alohan'i Papa

Misy izany te ho katolika alohan'ny Papa, izy indray no be fanazavana momba ny resaka katolika sy Papa, ka governemanta katolika hoy izy ireo, taiza koa ny katolika no hanana governemanta izany. Mety maheno hoe ministre fiantsoana ny pretra lehiben'ny congregation sasany dia heverina fa minisitra anaty governemanta. 

Rehefa tsy hay le raha aleo ny tena katolika no iresaka azy.

Amin'ny manaraka isika, miresaka momba iny resaka fanambadian'ny mitovy fananahana iny, ny azo ambara hatreto dia ny Papa tsy miresaka sy maneho hevitra raha tsy misy ny hevitra vita an-tsoratra, io no antsoina hoe Encyclique, io Encyclique io dia taratasy alefan'i Papa ho an'ireo Eveka rehetra ho fampahafantarana ny hevitry ny Fiangonana momba loha-hevitra iray, misy amin'io Encyclique io ihany koa no ampitaina amin'ny Kristianina rehetra, ka miandry izay voasoratra izay aloha isika fa tsy mi com resaka an-gazety izay samy manana ny androhitany azy.

Publié dans Art et Culture

Miantso ny filoha Andry Rajoelina hanafaingana ny fanatanterahana ny fampanantenany mikasika ny fonja eto Madagasikara ny fikambanana iraisam-pirenena Amnesty International.

Publié dans A la Une

Maro ireo Orinasa nalain'ny fanjakana tamin'ireo tsy miankina, indrindra ireo teo ampelatanan'ny vahiny, fantatra tamin'iay hoe nationalisation. 

Misy ihany koa ireo najoro taty aoriana, ka nitondrana fanavaozana hatrany, ka nanomezana azy ireo fahaleovan-tena ara-pitantanana, fa nitazona petra-bola tao hatrany ny fanjakana, ary mbola manendry solon-tena hitantana ny Orinasa.

Ireo Mpikambana ao anaty filankevim-pitantanana aza dia mbola didy avy amin'ny fanjakana no manendry azy, rehefa avy natolotr'ireo vondron'asa manana solon-tena ao.

Vao miresaka orinasam-panjakana, dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny JIRAMA, ny Air Madagascar, ny Cnaps, ny Sirama, ny Secren sy ireo maro hafa.

Publié dans Editorial