Filtrer les éléments par date : mercredi, 21 octobre 2020
mercredi, 21 octobre 2020 20:20

Pilo kely: Kilalo vita sinoa, mola sady tsala

Analeo tsy mahay laha tsala, kilalo vita sinoa tsala sady mola, analeo mivily 500 mila leebook d'olizina, mafy mahalitsa 2ans, nefa anao mivily kilalo leebook vita sinoa 50mila, mahazo folo, na simba 6 mois tsy manin a, misolo impolo anao, kolera samihafa vao lany volanao, to zay nividy d'olizinina.

Mila leebook sinoa anao, mahazo, mila adidas anao, misy tsala vita sinoa, mila puma, mis puma, mila Balea, misy kilalo Balea.

Bonne nuit dédiée amin'ny namana miteny sinoa zay.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Nampahafantatra i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara fa ny alakamisy 22 oktobra no hanolorany ny anaran'izy 25 mirahalahy izay voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny fampivondronana amin'ny novambra ho avy io, mialoha ny hiatrehana ny lalao mandroso sy miverina amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.

 

Publié dans Sport

Le Parlement de Madagascar est en pleine deuxième session ordinaire depuis mardi.

Il s’agit de la dernière pour les sénateurs en exercice dont le mandat expirera en février 2021.

Le projet de destitution du Sénat était l’un des faits ayant marqué la vie de cette institution cette année.
Auguste Philippe Randrianandrasana, sénateur de Madagascar élu pour la province de Fianarantsoa, s’est levé pour diriger une fronde anti-Rakotovao à cette fin.

Dès janvier, la faction a mené une intense campagne médiatique pour préparer l’opinion.
Des soi-disant occurrences d’irrégularité ont été étalées au grand jour pour reprocher le bureau permanent de la Chambre haute du Parlement.

Publié dans Editorial

Tontosa ny talata 20 Oktobra 2020 ny fanaovan-tsonian’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Syndicat des Industries de Madagascar (SIM) sy ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asatanana (MICA) ho fampandrosoana ny indostria eto Madagasikara, indrindra eny anivon’ny Distrika.

Misy ny tetikasa ODOF « Distrika Iray Indostria Iray » imasoan’ny minisitera.

Teboka lehibe ao anatin’izany ny fampiroboroboana ireo vokatra Vita Gasy sy ny famerenana ny fanjifana ny Vita Gasy amin’ny alalan’ny « Label Malagasy Ny Antsika ».

Hisitraka fanohanana ara-teknika avy amin’ny SIM ary fanampiana ara-pitaovana ho amin’ny fanodinana vokatra avy amin’ny MICA ireo indostria madinika sy salantsalany izay hipetraka eny anivon’ny Distrika amin’ny alalan’ny tetikasa ODOF.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Tsy mitsaha-mihombo ny tsy fahampiana ara-tsakafo any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara. Manoloana izany dia manolotra vola mitentina 2,5 tapitrisa dolara ho an'ny UNICEF sy ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny sakafo (PAM), ny governemanta amerikana amin'ny alàlan'ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) hitsaboana ireo zaza latsaky ny dimy taona taona ianjadian'ny tsy fanjarian-tsakafo antonony sy mahery vaika.

Nisy fanadihadiana natao tamin'ny volana aprily 2020 izay nahafahana naminavina fa zaza maherin'ny 119 000 no ho voan’ny tsy fanjarian-tsakafo antonony, ka mihoatra ny 19 000 amin’izy ireo no ho tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any amin'ny Distrika enina any atsimo amin'ity taona ity.

Mitarika ny fahafatesan’ny 44% an’ireo zaza latsaky ny dimy taona farafahakeliny eto Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo.

Publié dans Sociale

Ny andro voalohan’ny fanadinana bakalôrea, dia tonga tao amin’ny toeram-piadinana ny tovolahy iray, hiatrika ny taranja filozofia.

Tsy tena kandida anefa ilay tovolahy fa nisolo kandida, izay olona mitovitovy aminy, mba hiatrika io taranja io.

Tsikaritry ny mpiambina nandritra ny fisavana anefa fa tsy mitovy amin’ilay tovolahy tonga io ny sarin'ilay tena mpiadina ka dia noraisim-potsiny ity tovolahy mpisandoka ity.

Natolotra ny Polisy avy hatrany ilay mpisandoka ho mpiadina bakalôrea.

 

Publié dans Tselatra

Lehilahy iray tonga hiatrika ny laza adina matematika tao Farafangana omaly maraina. Ny sariny ny tao amin'ny taratasim-pamantarana ny mpiadina.

Rehefa nojeren’ny mpiambina ny mombamomba ilay mpiadina dia tsikaritra fa tokony ho vehivavy ilay manala ny fanadinana fa tsy lehilahy.

Tra-tehaka teo ilay lehilahy izay fantatra fa vadiny ihany io nokasainy hosoloina tamin’ny fiatrehana ny taranja matematika io.

Mpampianatra (Maitre FRAM) ilay lehilahy.

Ankoatra izay dia mpiadina miisa roa ihany koa no nifanome vakiraoka ka tratran'ny mpiambina ary voatery najanona tsy nanohy ny laza adina matematika intsony.

 

Publié dans Tselatra

21 octobre : Journée mondiale des vers de terre.

 

Publié dans Fil info