Filtrer les éléments par date : mercredi, 14 octobre 2020

Pilo kely: Rafotsy be nita tatatra, manitatra ny efa mikatona

Ny firenen-drehetra miezaka mampiray sy manalehibe ny faritra, ao aza ny mampitambatra firenena maromaro mihitsy, isika indray miezaka manohy ny famakivakisana ny faritra, ka rehefa nisokatra ry Vatovavy sy Fito vinany, dia angataka koa ry Mahafaly sy Androy, dia hila kisa eo koa ry Analanjorofo sy ry Mangoro, ry Vakiniadiana sy ry Tsy Mahafotsin'Ambatolampy, ry Sojabe Mahajanga mbola miketrika.

Ka iza tokoa moa no tsy hila fandrosoana aingana, satria ny politika ampiharina eto dia izay renivohitra no mahazo ny rehetra, nefa tokony omena ny fokontany ny fahefana sy ny 50% ny teti-bola, dia faritra vitsy sisa mandravona sy mandridra azy.

Tafandria mandry e.
Patrick

Publié dans Pilo kely

Araka ny andininy faha - 75 voalaza ao amin’ny Lalàmpanorenana, dia mivory indroa isan-taona ny Antenimieram-pirenena, ka ny fivoriana faharoa amin’izany dia ny Talata fahatelo amin’ny volana oktobra, fivoriana izay natao indrindra handinihana ny Teti-bolam-panjakana ho amin’ny taona manaraka.

Hanomboka ny 20 oktobra 2020 ho avy izao izany fivoriana ara-potoana faharoa izany. Hotanterahina eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny fanokafana ny fotoam-pivoriana, manomboka amin’ny 10 ora sy sasany maraina.

 

Publié dans Politique
mercredi, 14 octobre 2020 15:35

Ny 14 oktobra no tena fetim-pirenena malagasy

Isaky ny 14 oktobra fa tsy isaky ny 26 jona no tsara mifampiarahaba noho ny fahatongavan’ny fetim-pirenena ny Malagasy.

Ny datin’ny faha-14 oktobra no tena fetim-pirenena malagasy fa tsy ny faha-26 jona, araka ny mahazatra ny maro isan-taona tsy akory.

Manambara izay mazava tsara, ny hitsivolana 60-062 tamin’ny 20 jolay 1960, araka ny voarakitra ao amin’ny Gazetim-panjakana tamin’ny faha-23 jolay 1960.

Mbola mitoetra ho lalàna manankery eto amin’ny tany sy ny fanjakana hatrany izany hitsivolana izany.
Tsy mbola nisy mihitsy ny hitsivolana manafoana ny fisiany hatramin’ny anio.
Ny datin’ny faha-14 oktobra rahateo no taloha fa tsy ny faha-26 jona.

Publié dans Politique

Tao Anahidrano – Antsohihy, androany Alarobia 14 oktobra 2020, ny Filoha Andry Rajoelina nametraka fehezam-boninkazo teo amin’ny fasan'ny Filoha Philibert Tsiranana, Rain'ny fahaleovantena, ho fahatsiarovana sy fankalazana ny andro nanambarana ny maha Repoblika an'i Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Hatao any Anahindrano Antsohihy, fiaviana sy ilevenan’i Philbert Tsiranana, filohan’ny Repoblika voalohany ny fankalazana anio.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 14 octobre 2020 14:49

Fitsarana: Nandresy i Jaovato

Araka ny didim-pitsarana navoakan'ny Filoha voalohany ny Fitsarana ambony eto Antananarivo, dia nanamafy ny fandresen'i Laisoa Jean Pierre dit Jaovato teo anivon'ny fitsarana ambaratonga voalohany, nitsipaka ny fangatahan'ilay mpandraharaha karana Bezokiny Christian Claude, hangeja ny vola any amin'ny banky, ny fananan'i solombavam-bahoaka voafidy tany Antalaha teo aloha.

Publié dans A la Une

14 octobre : Journée Mondiale pour la normalisation.

 

Publié dans Fil info