Filtrer les éléments par date : lundi, 12 octobre 2020

Nidoboka any Tsiafahy ilay tovolahy, 26 taona, tratra nanolana, nanao fanararaotana ara-nofo sy ara-tsaina ary nanaparitaka sary mirakitra izany tamin'ny tambajotran-tserasera Facebook rehefa natolotra ny Fampanoavana Antananarivo ny 12 oktobra 2020, taorian’ny fanadihadiana nataon'ny sampana miady amin'ny fandikan-dalàna an'habakabaka an'ny Zandarimaria.

Anisan'ny vesatra nanenjehana azy ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo zaza tsy ampy taona ; famoronana sy fanaparitahana sary mamoafady maneho zaza tsy ampy taona ; fanaovana fihetsika mamoafady imasom-bahoaka.

Tsy manana rohim-pihavanana amin'ilay zaza ity tovolahy ity fa mpifanolo-bodirindrina aminy.

Manaraka fitsaboana sahaza azy ilay zaza araka ny toromariky ny mpitsabo.

 

 

Publié dans Vaovao

Pilo kely: Fanjakana miady amin'ny piraty CD nefa mangalatra sary mandefa fb live Barea - Burkina Faso miainga avy any Maroc

Mirary soa andresy ny Barea e.

Tafandria mandry
Patrick

Publié dans Pilo kely
lundi, 12 octobre 2020 18:47

Pilo kely avant match Barea

Pilo kely avant match Barea: Raha teto Antananarivo ve no nankalazaina ny 14 oktobra fa tsy tany Sofia dia natao jour férié - chômé?

Bon match e
Patrick

Publié dans Pilo kely

Nanao fampahafantarana ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananan'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy fa ny andron'ny 14 Oktobra 2020 dia natao ho andro iasana tahaka ny andro rehetra ihany.

Mitsingerina ny andron'ny 14 Oktobra ny nanambarana ny Repoblika Voalohan'i Madagasikara. Hisy fankalazana amin'ny fomba tsotra hatao any Anahidrano Antsohihy, toerana nahaterahana sy ilevenan’i Philibert Tsiranana, filoham-pirenena voalohany.

Ho avy any an-toerana ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina.

 

Publié dans Tselatra

Ho tanterahina any El Jadida - Maroc anio alatsinainy 12 Oktôbra 2020, amin’ny 7ora alina, ora eto Madagasikara, ny lalao ara-pirahalahiana, tafiditra amin’ny fanomanana ny CAN ifanandrinan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Etalons - Burkina Faso.

Ny fanapahan-kevitra handefasana mivantana na tsia ny lalao dia miankina amin’ny fifanarahana eo amin’ny federasionan’ny Baolina kitra Malagasy sy ry zareo Maraokana, fa tsy miankina velively amin’ny TVM, hoy ny fanambarana nataon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Raha tonga amin’ny fifanarahana dia hafaliana ho an’ny Televiziona Malagasy sy ny ORTM ny mandefa mivantana ny lalao, hoy hatrany ny fanambarana.

 (Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Notolorana ny mari-boninahi-pirenena "Commandeur de l'Ordre National Malagasy" i Jaojoby Eusèbe.

Mpivoy ny gadona salegy, ary nitondra izany hatrany ampitan-dranomasina i Jaojoby Eusèbe, ary ambara ho Mpanjakan'ny salegy mihitsy aza izy.

Nandritra ny fankalazana ny faha-50 taona niakarany an-tsehatra, teny amin'ny Jao's Pub Ambohipo, omaly alahady 11 oktobra 2020, no nanaovana ny lanonam-panjakana nanolorana an’ity mari-boninahi-pirenena ity.

 

 

Publié dans Art et Culture

Les partisans du feu Pr Albert Zafy tiendront sur la Place de la démocratie au jardin d’Ambohijatovo, Antananarivo, une série de manifestations autour de la célébration du 62e anniversaire de la naissance de la République Malagasy.

Placées sous l’égide du président Andry Rajoelina, toutes les manifestations sont ouvertes au public dans l’après-midi du 13 octobre jusqu’au 18 octobre.
La cérémonie d’ouverture officielle aura lieu mardi 13 octobre 2020 à 9 h 30.

Pour les journalistes invités à couvrir l’événement, la mise en place pour l’inauguration de la stèle dédiée au père de la démocratie, suivie d'une exposition, sera terminée à 9 h 30.

L’exposition restera ouverte au public du 14 au 18 octobre 2020 de 10 h à 17 h.

Publié dans Politique

Les conseillers sont souvent ignorés, voire snobés dans le cadre de la décentralisation à Madagascar.

La création de l’Associations des jeunes maires Analamanga (AJMA) et de l’entité similaire pour Toliara à la veille des sénatoriales en est une preuve évidente.

Les initiateurs de cette entreprise auraient peut-être pensé que les maires sont les seuls détenteurs du pouvoir au niveau communal.

Les conseillers sont pourtant les véritables administrateurs des communes, des régions et des provinces, qui constituent les collectivités territoriales décentralisées (CTD) de la République de Madagascar aux termes de l’article 3 de la Constitution.

Le paragraphe premier de l’article 143 de la loi fondamentale le reconfirme en stipulant que les CTD de la République sont les communes, les régions et les provinces.

Publié dans Editorial
lundi, 12 octobre 2020 11:11

Kitra : Barea vs Etalons Burkina Faso

Hotanterahina anio any Maroc ny lalao ara-pirahalahiana hihaonan'ny Barea an'i Madagasikara sy ny Etalons Burkina Faso.

 

Publié dans Sport

Anio 12 oktobra ny andro farany fametrahana firotsahan-kofidiana.

IRD sy ny MMM, izay samy antoko ao amin'ny fitondrana ihany aloha hatrateto no manana lisitra hifaninana

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2