Filtrer les éléments par date : mercredi, 22 janvier 2020

Miaramila iray mamo toaka no nidaroka ka nandratra miaramila iray namany, miasa ao Sakaramy, Distrikan’Antsiranana II. Nototan’ilay miaramila mamo ny vato ny lohan’ity namany, ka vaky ny handriny. Ny harivan’ny talata 21 janoary 2020 tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany no niseho ny fandratrana niniana natao ity.

Tsaboina ao amin’ny hopitaly miaramila Antsiranana ilay maratra, karohina kosa ilay nahavanon-doza. Nanokatra fanadihadiana ny Zandary avy ao amin’ny brigadin’i Sakaramy.

 

Publié dans Vaovao

Tra-tehaky ny Polisy eto Morondava renivohitry ny Faritra Menabe, nandritra ny fisafoana natao halina, tamin’ny toerana roa samihafa, ny mpangalatra akoho sy mpangalatra « cyclo-pousse ». Nikasa hitsoaka ireo saingy tsy lasa lavitra dia voasambotra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Trano iray vita amin’ny biriky teo Anosikely Avaratra eto Maevatanana, renivohitry ny Faritra Betsiboka no nirodana tampoka androany alarobia 22 janoary 2020, tokony ho tamin’ny 5ora maraina, nihotsaka noho ny hamandoana ateraky ny ora-mikija tato ho ato.

Na teo aza ny famonjena nataon’ny olona sy ny Zandary teto an-toerana, dia olona roa, vehivavy avokoa, 32 taona sy 12 taona, namoy ny ainy nony tonga teny amin’ny hopitalibe CHRR Betsiboka. Avotra kosa ny zazalahy iray.

Efa eo anivon’ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’izy mianaka, taorian’ny fanamarinana nataon’ny dokotera.

 

Publié dans Vaovao

Noho ny rotsakorana tsy mihato, ka miteraka fihotsahan'ny tany sy fiakaran'ny rano, dia nanambara ny avy ao amin'ny ATT, fa dia miato vonjimaika ny fitaterana an-tanety mankany Mahajanga sy Antsiranana ny alarobia 22 janoary sy ny alakamisy 23 janoary 2020.

Ho an'ireo mpampiasa lalana kosa dia betsaka ireo lalana simba sy tapaka:

* Lalam-pirenena faha-efatra (RN4) mampitohy an'Antananarivo sy Mahajanga:

Anelanelan'Ambondromamy sy Mahajanga:

- Anjinja: Làlana tapaka

- Ankarafantsika: Làlana tototry ny fasika

- Tanambao Andranolava: Fiakatry ny rano

Publié dans Tselatra
mercredi, 22 janvier 2020 11:32

Malaimbandy: Miaramila iray maty an-drano

Nanao fisafoana niaraka tamin’ireo namany tao Antanimboanjo, Kaominina Malaimbandy, Distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe ity miaramila kilasy faharoa ity, ny atoandron’ny alatsinainy 20 janoary 2020.

Raha ny loharanom-baovao dia nisara-dia tamin’ireo namany ity miaramila ity nanararaotra nisaika tao amin’ny reniranon’i Sakena noho ny hafanana, ka tamin’izay no niseho ny loza. Omaly talata 21 janoary 2020 tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro no hita teo amoron-drano ny nofo mangatsiakany niaraka tamin’ny basy teny am-bozonany.

Nanokatra fanadihadiana ny Zandary hamantarana ny antony marina nitarika ny fahafatesan’ity miaramila ity.

 

Publié dans Tselatra

Manomboka amin’ny enina ora hariva ka tramin’ny valo ora alina eo, izany hoe adin’ny roa isan’andro, no misy jiro eto Analalava, Faritra Sofia.

Tsy maharaka ny fitaterana ny solika ilain’ny foibe famokarana herinaratra an’ny Jirama, dia izay no fototry ny olana. Misy akony eo amin’ny fandriampahalemana ny fahamaizinan’ny tanàna, ka mitaky fandraisana andraikitra avy amin’ny fitondrana foibe ny vahoaka.

(Sary nindramina: Fiantsonana sy fakana solika Antsohihy amatsiana an'Analalava)

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nirotsaraka nifanome tanana tamin’ny Fokonolona nanamboatra ny lalana tapaka tety Ampasikabe Kaominina Andranofasika, Distrikan' Ambatoboeny ny miaramila ao amin'ny ZRPS DELTA raha nandre fa simba ny lalana noho ny firotsahan'ny orana tafahoatra ka nampitohana ny fifamoivoizina amin'iny lalam-pirenena fahaefatra iny.

Mbola mikija ny orana aty an-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

"Contexte

Par rapport au reste du pays, le sud de Madagascar connaît des sécheresses cycliques qui menacent la sécurité alimentaire des populations. De manière générale, les performances de l’agriculture malgache sont restées faibles en raison, principalement, des faibles rendements, du mauvais état des infrastructures de base et d’une insuffisance de crédit rural. Pour lever ces contraintes, le gouvernement a mis au point des politiques et stratégies sectorielles qui prévoient notamment la réhabilitation des périmètres irrigués tels que celui de Bas Mangoky.

Le périmètre du Bas Mangoky se trouve dans le District de Morombe, dans la Région Sud-Ouest de Madagascar à 220 km au nord de la ville de Tuléar. Le périmètre est alimenté en eau par le fleuve Mangoky qui est le plus grand fleuve de Madagascar à travers une prise d’eau située à 20 km en amont de celui-ci. L’aménagement du périmètre a commencé dans les années soixante. Avant la réhabilitation, le périmètre du Bas Mangoky était géré par la société d’Etat Samangoky. Le périmètre du Bas Mangoky est actuellement le seul à Madagascar qui est équipé de canaux d’irrigation bétonnés et autoportés jusqu’au niveau des parcelles.

Publié dans Sociale
Page 2 sur 2