Filtrer les éléments par date : mardi, 21 janvier 2020

Miteraka fahatapahan’ny lalam-pirenena faha-13 ny fihotsahan'ny làlana lehibe eo amin'ny PK114+800 miazo an’i Betroka.

Mijery ny hametrahana haingana làlana vonjy maika vaovao hiverenan’ny fifamoivoizana ny Talem-paritra Atsimo Andrefana eto amin'ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy sy ny mpiara-miasa aminy.

 

Publié dans Tselatra

Tapaka vonjimaika ny lalam-pirenena faha-4, eo Befotoana Ankarafantsika - PK 480, noho ny fihotsahan'ny fasika eo ambony arabe.

Mifarimbona manala ny fasika manakana ny làlana ny Talem-paritry ny asa vaventy Boeny, ny Prefen’i Boeny, ny Zandarimaria sy ny BNGRC Boeny miaraka amin'ny Fokonolona mba hiverenan'ny fifamoivoizana haingana.

 

Publié dans Tselatra

Voasokajy ho faritra mena noho ilay andro ratsy mitondra oram-be sy tafio-drivotra ny faritra Boeny. Nandray fepetra ireo solontenam-panjakana manoloana izany, nampiato ny fampianarana manerana ny DRENETP Boeny manomboka anio, ary tsy mahazo miandrika ihany koa ireo mpampiasa ranomasina.

 

 

Publié dans Tselatra

Nahazo fiantsoana avy amin’ny Brigade Criminelle Spéciale eo anivon’ny Zandarimaria Toby Ratsimandrava i Harifidy Ramanandraibe, mpanao gazety mpamakafaka politika ao amin’ny haino aman-jery tsy miankina i-BC Antananarivo.

Raharaha fitoriana momba tany eny Nanisana no nihainoana azy, ary afaka namonjy fodiana izy taorian’izay.

Fanindroana izao i Harifidy Ramanandraibe natao fanadihadiana, tato anatin’ny roa herinandro izay. Tamin’ny voalohany dia mahakasika ny fanahiana ho manafina fitaovam-piadiana no antony nisavàna ny tranony sy nanaovana fanadihadiana azy teny anivon’ny BC Polisim-pirenena Anosy, ny alahady 12 janaory 2019.

 

 

Publié dans Politique
mardi, 21 janvier 2020 09:22

21 janvier

Journée internationale des câlins.

 

Publié dans Fil info
Page 2 sur 2