Tafika Malagasy: Havaozina sy hasiana fanitsiana ny rafitra
Tonga nanokatra ny atrikasa izay ataon'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy, teny amin’ny CCI Ivato ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian androany. Dinikasa entina manatanteraka ny rindran-damina amin'ny fanavaozana ny rafitry ny Tafika, izay natrehin'ireo mpikambana eo anivon'ny governemanta voakasika amin'ny sehatry ny fandriampahalemana.
Fambolen-kazo: Nisafidy an’Antsoantany ny ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy
Antsirabe faharoa no nosafidian’ny ministeran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy nanaovana ny fambolen-kazo, ho fandraisan’anjara amin’ny famerenana indray ny ala eto Madagasikara, ka ny toeram-pambolena hazo tao Ankofana, Fokontany Antsampanimahazo, Kaominina Antsoantany no nanaovana izany androany alatsinainy 20 janoary 2020.
Tonga taty an-toerana ny Minisitra Naharimamy Lucien Irmah nitarika ny delegasiona avy any amin’ny faritra hafa toa an’i Bongolava sy Itasy, Analamanga sy Vakinankaratra. Nambaran’ny Minisitra fa ankoatry ny fametrahana ho lovan'ny taranaka ny voly hazo dia ho fanoloana ireo hazo ampiasaina amin’ny fanamboarana ireo trano ara-tsosialy izay haorina ao ao amin’ity Kaominina ity ihany koa izao fambolen-kazo izao.
Iavoloha: Fihaonana tamin'ny mpanao gazety
Iavoloha: Fihaonan'ny mpanao gazety, ny tonian-dahatsoratra, ny tompon'ny orinasan-gazety tamin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin'ny lapa-panjakana Iavoloha ny alatsinainy 20 janoary 2020.
(Jereo Sary Tohiny)
Resabe « Panier garni »: « Tsy nisy teny hizara vola, fa solom-pen’akoho », hoy ny filoha Rajoelina
Nitondra fanazavana nanoloana ny resabe manodidina ny fanomezana « Panier garni » ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha androany alatsinainy 20 janoary 2020.
Nambarany fa nandritra ny Filankevitry ny minisitra farany talohan’ny faran’ny taona 2019 no nandraisana fanapahan-kevitra ny hanomezana « Panier garni » ireo mpiasa birao amin’ny ministera foibe, rehefa nofoanana ny tetibola fanaovana fety faran’ny taona sy fifampiarahabana noho ny taona vaovao eny anivon’ny ministera.
1,5 miliara Ariary ny tetibola natokana ho amin’izany ary « Panier garni » fa tsy vola no zaraina, hoy ny filoha fa fanararaotana na tsy fahaizana ny asany no nataon’ny minisitra sasany nandefa lisitra mpiasa ahian’ny ministera manerana ny Nosy.
Nahitsy ny filoha Andry Rajoelina nilaza fa « tsy nisy teny hizara vola, fa solom-pen’akoho ». « Fampakarana karama 13% no fanomezana lehibe ho an’ny mpiasam-panjakana », hoy izy nanamafy.
Governemanta: Nanamafy ny filoha Rajoelina fa hisy ny « remaniement »
Ho feno herintaona amin’ny 24 janoary ny nananganana ny governemanta izay mifamatotra amin’ny « contrat-programme ». Nampitahain’ny filoha Andry Rajoelina amin’ny ekipa baolina kitra ny zava-misy, misy ny nahomby, tao ny reraka ambony ihany, tao ny tsy afaka raha nihaona tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izy androany.
Nohamafisiny fa hisy ny fanovana ny Governemanta ary anatiny tanteraka amin’ny fanaovana tombana sy fijerena ny asan’ireo minisitra izy amin’izao fotoana izao.
Filankevitry ny tanànan’Antananarivo: Voafidy ho filoha i Andriamparany Guy Ralitera
Miatrika fivoriana voalohany ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo androany, ifidianana ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra. Telo ny kandida nifaninana ho filohan’ny Filankevitry ny tanàna dia Andriamparany Guy Ralitera narotsaky ny vovonana IRK, Andriambahoaka Faustin narotsaky ny antoko Tiako i Madagasikara. Filohan’ny filankevitry ny tanàna nandritra ny fitondran’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ity farany. Ralambomahay Toavina no kandida naroson’ny lisitra KOMBA, avy amin’ny Antoko Politika Madio.
Tonga avokoa ireo mpanolotsaina miisa 55 mandrafitra ny Filankevitry ny tanàna. Nahazo vato 28 ny IRK, 25 ny an’ny TIM ary 2 ny an’ny KOMBA. Fihodinana in-dray mihodina no natao. Voafidy ho filohan’ny Filankevitry ny tanàna, nahazo ny vato be indrindra i Andriamparany Guy Ralitera.
« Pompiers » Tsaralalàna: Natsahatra amin’ny asa ny « Chef de corps »
Tsy fandraisana andraikitra manoloana ny voina nitranga teny Avaradoha, nateraky ny tany nihotsaka no nandraisan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, fepetra nampitsahatra avy hatrany tamin’ny asany ny « Chef de corps » miandraikitra ny « Pompiers ».
Antananarivo Renivohitra: Mivory voalohany ny Mpanolotsain’ny tanàna
Miatrika fivoriana voalohany ny Filankevitry ny tanànan’Antananarivo anio alatsinainy 20 janoary 2020, araka ny fampiantsoana nataon’ny Prefen’Antananarivo taorian’ny famoahan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana ny vokatra ofisialy ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna ny zoma 10 janoary 2020 lasa teo.
Raha ny voalazan’ny lalàna, dia mivory voalohany ny filankevitry ny tanàna herinandro aorian’ny fivoahan’ny vokatra ofisialy. Ny zokiolona sy zandriolona no mitarika ny fivoriana fananganana ny birao maharitra.
Miisa 55 ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo, ka samy manana 25 avy ny IRK sy ny Tiako i Madagasikara, manana telo ny KOMBA (Antoko Politika Madio) ary iray avy ny tsy miankina Lalatiana Ravololomanana sy ny tsy miankina Tiana Laurence Randrianatoandro.
Mahajanga: Miaritra fahatapahan’ny herinaratra ireo be antitra maka vola fisotroan-dronono
Mikatso ny fizarana vola fisotroan-drononon’ireo be antitra mandray izany amin’ny Cnaps eto Mahajanga vokatry ny fahatapahan’ny herinaratra tamin’ity maraina ity. Tsy manan-tsafidy ireo zokiolona fa dia miaritra, na dia efa nisy namonjy filaharana vao maraina aza.
(Jereo Sary Tohiny)
FFKM: Dr Rakotonirina David, filohan’ny FLM indray no mitarika
Tontosa omaly ny famindram-pitantanana ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na FFKM, ka ny Pastora Dr Rakotonirina David, filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy na FLM indray no mitarika mandritra ity taom-piasana 2020 ity, nandimby toerana an’i Irako Andriamahazosoa Ami, mpitandrina, filohan’ny foibe Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM.
Ifandimbiasan’ireo filoham-piangonana efatra mandrafitra ny FFKM ny fitantanana isan-taona.
(Jereo Sary Tohiny)