Communale Antananarivo Renivohitra: Naina Andriantsitohaina élu Maire
Le Tribunal Administratif a rendu son verdict ce jour pour l'élection des maires et conseillers pour le Faritany d'Antananarivo.
Le candidat de l'IRK, Naina Andriantsitohaina est élu Maire d'Antananarivo Renivohitra.
C'est un opérateur économique, parmi les 10 premiers riches à Madagascar.
Il était ministre des affaires étrangères, avant d'être candidat au maire, il était Président du conseil d'administration de la banque BMOI (Banque Malgache de l’Océan Indien), il a dirigé le GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar) et le SIM (Syndicat des Industries de Madagascar).
Il a 57 ans. Il a affirmé de réaliser tout ce qu'il a promis lors de la campagne électorale.
(Voir Suite Photos)
Mahajanga: Avotra soamantsara ireo Kaomaorianina miisa 13 nafefiky ny ranomasina nandritra ny 14 andro
Kaomaorianina nandeha vedety avy any Anjouan ho any Mohéli no nafefiky ny ranomasina noho ny andro ratsy. Tamin’ny 28 desambra 2019 izy ireo no niainga tany Moheli, dia androany vao hitan'ny mpanjono teny Ampahazony Mahajanga. Simba ny moteran’ny lakana nitondra azy ireo, ka natopatopan’ny ranomasina nandritra ny 14 andro teny.
Miisa 13 izy ireo no tao anatiny, nahitana vehivavy bevoka iray sy zazakely iray izay samy avotra avokoa, saingy hita fa tena reraka tokoa. Nentina ao amin'ny Espace Médical Mahajanga izy ireo atao fanaraha-maso ny toe-pahasalamana.
Niara-nisalaha tamin'ny fanavotana ireto teratany Kaomaoriana ireo ny ekipa TVHFB sy ireo Zandary ao amin'ny Brigade Port ary ny APMF.
Antananarivo Renivohitra: Voafidy ho Ben’ny tanàna ilay mpandraharaha Naina Andriantsitohaina
Navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana androany 10 janoary 2020 ny vokatra ofisialy amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsaina tato amin’ny faritanin’Antananarivo natao ny 27 novambra 2019.
Fitaterana nasionaly: Maro ireo mpandraharaha nijanona
Mandalo fahasahiranana tanteraka ny sehatry ny fitaterana, lafo dia lafo ny haba alain'ny fanjakana amin'izy ireo, ka maro ireo nijanona tsy nanohy ny asa.
Ny fiara, matetika sprinter, na mitovitovy amin'izay, dia tsy latsaky ny 40 000 000 Ariary ny vidiny, vokatry ny haba-tseranana midangana alaina amin'ireo mpanafatra fiara, mbola eo ny seza sy ny fitaratra raha fiara mbola vao avadika mpitatitra olona.
Ny vidin'ny kojakoja fanolo ny fiara dia mihalafo avokoa, tsy afaka ametaka ireny piesy mora vidy nefa mora simba ireny izahay hoy ireo mpitatitra, satria ain'olona maro ny hiantsorohana.
Ny vola alaina amin'ny hetra isan-taona, dia manodidina ny 12 000 000 Ariary.
Toy izao ny kajy ataon'ny mpitaky hetra:
Ambohimanarina: 40 ora tsy misy herinaratra
Mitaraina ny mponina amin’ny faritra sasany eny Ambohimanarina, Boriborintany faha-6 Antananarivo Renivohitra fa efa mananika ny 40 ora no tsy nisy herinaratra ny faritra misy azy ireo.
Manao fanairana amin’ny tambazotran-tserasera facebook izy ireo mba hanafainganana ny famerenana ny jiro tsy hiandry ny mpajifa hitroatra.
Fitaterana – Zotra 157: Tsy ankasitrahan’ny mpamily sasany ny fanitaran-jotra mandeha « Gare Routière » Andohatapenaka
Nitokona tetsy Anosibe androany maraina ireo mpitatitra amin’ny taxi-be zotra157, mampitohy an’i Manjakaray amin’Anosibe-Antananarivo, tsy mankasitraka ny fanitaran-jotra vaovao mandeha « Gare Routière » Andohatapenaka.
Naato vonjimaika aloha io fanitaran-jotra io, miandry fifandaminana vaovao.
Oram-be teto Antananarivo: Niampy isa ireo namoy ny ainy
Nahitana faty natsingevan’ny rano tetsy Ankazomanga-Antananarivo omaly maraina. Vehivavy 26 taona eo izy, maty nandritry ny oram-be izay nitranga ny alarobia teo.
Nampiasa lakana ny Polisy nandeha nisintona azy avy ao anaty rano.
Nitombo ho dimy izany izao ny isan’ny olona namoy ny ainy tamin’iny oram-be teto Antananarivo iny, roa maty nihotsahan’ny tamboho, roa maty an-drano, ary iray maty main’ny herinaratra nentin’ny taribin’ny Jirama nidaboka tamin’ny tany.
Mpianatry ny CEG Ratsimilaho nisy namono: Dimy lahy, iray sekoly aminy, tazomina am-ponja
Tovolahy kely miisa 05, eo amin'ny 14 ka hatramin'ny 16 taona, samy "classe de 5ème" ao amin'ny CEG Ratsimilaho ihany no voasambotry ny Polisy taorian'ny nahafatesana tovolahy iray classe de 6ème ao amin'io sekoly io. Niady tamin'ity farany izy ireo, ka ny iray no nidaroka tamin'ny hazo ka nahafaty azy io. Nihaiky ny heloka vitany ilay nidaroka.
Natolotra ny Fampanovana misahana ny Zaza tsy ampy taona omaly tolakandro ny raharaha taorian'ny famotorana nataon'ny Polisy.
Efa alina vao nivoaka ny didy. Nampidirina am-ponja vonjimaika ny efatra tamin'izy ireo, vono olona no vesatra nanenjehana azy ireo. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny iray.
Iran: Manahy ny Kanadianina nyAngilisy ary ny Amerikanina fa voadaroka misila ilay fiaramanidina Boeing 737
Raha mitohy ny fanangonana ireo potik'ilay fiaramanidina nianjera ny marainan'ny alarobia lasa teo niainga tao Téhéran Iran, hiazo an'i Kiev, ka nodoboka 3minitra taorian'ny fiaingany, dia nanao fanambarana ny praiminisitra kanadianina Justin Trudeau, fa maro ireo vaovao eo ampelatanan'ny sampana fitsikolovana fa ahiana ho tifitra misila, izay nandritra ny fanafihan'ny Iranianina ny tobim-pamaharana amerikana tany Irak, no nahavoa ity firamanidina nitondra mpandeha sy mpanamory 176, izay maty avokoa, ary maro amin'ireo no mizaka ny zom-pirenena kanadianina sy iraniana.
Nanisy resaka toy izay ihany koa ny filoha amerikanina Donald Trump sy ny praiminisitra angilisy Boris Johnson, izay nisy Angilisy 4 maty tao anatin'ilay fiaramanidin'ny Kompania Ukraine International Airlines (UIA).
Vary: Atsaraina ny tekinika fambolena dia ampiditra 30 milliards $ ho antsika
Hoy i Père De Laulanie, izay nametraka ny tekinika fambolem-bary, ketsa 8 andro hoe, tsy trondro akory ny vary ka alona rano.
Matetika dia hitatsika ireny tanim-bary feno rano manasa-dranjo ireny, toa ny mifanohitra amin'izay indray aza no manahiran-tsaina.
Nefa ny vary, dia tafiditra amin'ny kilasim-bokatra misy vaoniny, graminée, misy tonony. Ny katsaka, ny fary, ny tsaramaso ve dia alona rano?
Fambolena mila hafanana izy, ka ny rano dia ampangatsiaka azy.
Ka tsy mahagaga raha 2 tonnes/ha fotsiny ny vokatra eto amintsika.
Atao izany izay ahatonga matihanina ny mpamboly eto amintsika, omena fiofanana, omena tekinika, omena tany midadasika, fampitaovana vaventy, tohadrano sy lakan-drano, zezika, masomboly.