Pilo kely: Ny mpangalatra akoho ihany no aseho vahoaka

  • mardi, 05 janvier 2021 21:08
  • Super User

Rehefa mpangalatra akoho dia malaky aseho ny sary, na takonana aza ny masony, fa rehefa mpanondrana volamena, mpanondrana sokatra, mpividy taolam-paty, mpampanofa basy kalaky, dia lasa tsy fantatra tampoka teo na ny anarany aza, nefa dia olona miondrana amin'ny fiaramanidina be izao.

Kay moa efa nisokatra ny sisintany mandeha any Afrika atsimo? Dia lazaina fa reseau henjana be ilay ao ambadika, ka maninona no tsy gadraina aby ny nanome alalana izany fiaramanidina hivoaka eto an-toerana izany, ireo douanier sy zandary ary police de la frontière.

Miandry anarana izahay.

Efa eto ihany, mba tenenonareo ao amin'ny présidence ireny olona milaza fa avy amin'ny présidence dia tsy savaina eny Ivato ireny, toa misy mpitandro filaminana manaraka manao escorte mihitsy aza, milanja sakosy mavesatra mandeha fiaramanidina manokana, mety mpisoloky izy ireny fa mailo nareo ao.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.