Pilo kely : Izay nandia ny oniversité dia tokony hanaja ny foto-pisainana mandrafitra ny oniversité

  • lundi, 04 janvier 2021 21:08
  • Super User

Filozofika aloha ny Oniversité fa tsy trano, rindrina, sy table banc na bourse.

Ny oniversité dia toerana handrafetana ny foto-pisainana sy fikarohana tsy misy fetra, ka manaja ny etika sy ny mahaolona, ny fahamarinana ary ny fanajana lalàna.

Toerana itoeran'ny fahalalahan-tsaina. Izay no ilazana azy hoe Univers. Ary izay no mahatonga ny toerana arovana tsy hidiran'ny mpitandro filaminana na hery famoretana.

Arovana izay fahalalana ara-tsaina tsy misy fetra izay. Izay no mampisy ny hoe Anjerimanontolo.

Foto-pisainana aloha izany ny Oniversité vao trano sy bourse.
Misy fiantsoana ireo sampana ao anatiny hoe "Faculté", izay midika hoe " Fahafaha-manao, fahaiza-manao".

Ny zavatra rehetra atao eny amin'ny Oniversité izany dia tokony hifanentana amin'izay toe-tsaina mifototra amin'ny fahatsarana sy fahamarinana ary fanarahan-dalàna sy fenitra izay avokoa.

Tsy hianarana io, fa rehefa mandalo ny Oniversité ianao dia mamolavola anao io fisainana io, ka hanaja ny toerana ianao, izay toerana feno fahanginana sy fahafahana ary fanetre-tena, satria kely ianao mihoatra amin'ny zavatra maro mbola tsy hain'ny Olombelona.

Izay nandia ny Oniversité, nefa tsy manaja izay foto-pisainana izay, ireo Mpampianatra na Mpianatra, na ireo manam-pahaizana nivoaka ny Anjerimanontolo nefa feno kolikoly dia tsy mendrika ny hitondra izay anarana Universitaire izay.

Tafandria mandry e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.