300 000ar ny kojakoja sy vola ilaina mampiditra mpianatra

  • mercredi, 30 septembre 2020 20:53
  • Super User

Pilo kely: 300 000ar ny kojakoja sy vola ilaina mampiditra mpianatra iray hianatra, miandry Tosika Fampianarana ireo Ray aman-dreny, na amin'ny miankina na ny tsy miankina amin'ny fanjakana.

Mila jerena manokana ity fampianarana izay teren'ny Lalampanorenana mihitsy ny ampianarana maimpaimpoana ny zaza hatramin'ny kilasy T9 (3ème) Ambaratonga voalohany (Andininy 24).

Jereo ireo mpampianatra, indrindra ny FRAM, jereo ny sekoly sy ny fotodrafitrasa, aza atao tapi-maso volom-boasary fotsiny, jereo ny programam-pampianarana mifototra amin'ny fampandrosoana isam-paritra.

Na miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana dia mampianatra zaza Malagasy avokoa ireo ka mila fanohanana.

Manao izay anjara biriky vitako aho anampiana ny fampianarana, io no lalana tokana mampandroso antsika, rehefa mahay ny vahoaka, izy ihany no ampandroso ny tenany sy ny fianakaviany.

Tafandria mandry e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.