Fantatrao ve: Ahoana ireny trosam-panjakana ireny?

  • vendredi, 31 juillet 2020 11:13
  • Super User

Ny firenena iray dia toa ny tokantrano, orinasa ihany, misy ny fandaniana isa-tsokajiny, karaman'ny mpiasa, hofan-trano, jirama,, téléphone, solika, écolage, fampianarana, fahasalamana, fandriam-pahalemana.

Etsy ankilany, raha orinasa, dia mila mamokatra mba hidiram-bola, tsy afaka amokatra anefa raha tsy misy fitaovam-pamokarana, mila lalana, tetezana, barazy, masomboly, zezika...

Raha firenena dia mbola betsaka ireo asa sosialy ilana fandaniana, ireo vola ampandehanana ireo andrim-panjakana, ireo vondrom-bahoakam-paritra, ny resaka politika, fifidianana...

Mila vola miditra izany ny fitondrana mba ahafahana mandoa ireo fandaniana rehetra ireo.
Ny fidiram-bolan'ny Firenena iray dia ny Hetra, izany hoe ny vola alain'ny Fitondrana amin'ny Malagasy, na amin'ny alalan'ny vatakaraman'ny tsirairay, 20%, na amin'ny alalan'ny TVA 20%, isaky ny mividy entana isika dia ny 20% amin'iny, amin'ny ankapobeny, dia alain'ny fitondrana.

Ny mpivarotra izany no mpanango-ketram-panjakana, izay mandrotsaka izany any amin'ny kitapom-bolam-panjakana. Mampigadra ary mpanodikodim-bolam-panjakana izany ireo mpivarotra tsy mandoa TVA, satria tsy volany iny fa an'ny Fanjakana.

Misy ihany koa ny ladoany, izay vola alaina amin'ny entana avoaka, indrindra ireo afarana avy any ivelany.

Misy ihany koa ireo hetra aloan'ny orinasa amin'ny tombom-barotra azony, ary ireo vola aloan'ny patron orinasa amin'ny vola raisiny, vokatry ny asa tao amin'ny orinasa.

Matetika anefa, betsaka kokoa ny fandaniana noho ny vola miditra, satria raha ny eto Madagasikara, dia 15% n'ny mponina fotsiny no mandoa Hetra, marobe ireo sehatr'asa izay ivelan'ny ara-dalàna, informel, ka dia tsy misy mandoa Hetra na TVA.

Misy ihany koa ireo fanamboarana foto-drafitrasa lehibe, toa ny fanamboaran-dalana, tetezana, hopitaly, sekoly, barazy, famokarana herinaratra... no ilana vola be nefa tsy misy ny eo an-tanan'ny fitondrana.

Dia mitanila izany ny vola miditra, sy ny vola mivoaka. Ka tsy maintsy mitrosa izany ny fanjakana mba hampifandanja ny miditra sy ny mivoaka.

Ny fanisana na comptabilité publique moa dia miankina amin'ny teti-bolam-panjakana izay tapahana sy faritana mialoha isan-taona, ka ny député no manapaka izany, rehefa avy nankatoavin'ny sénat ihany koa. Ny volana oktobra ny taona hitsahina no andinihina ny teti-bolan'ny taona manaraka. Misy fanitsiana io teti-bola io ny vola mey amin'ilay taona hitsahina, izay ny parlemanta hatrany no manapaka azy.

Misy karazany maro izany ny trosam-panjakana.

Ny roa lehibe ihany no jerentsika:

A- Trosa anatiny:

1- Manana banky foibe isika, ka izy no mahita ny paikady andaminana ny trosa. Misy ireo banky eto an-toerana izay azony atao ny mitrosa amin'ireo. Ny banky foibe dia mametraka hoe iza no sahy hividy BTA, Bons de Tresor par voie d'Adjudication, izay efa misy taha na taux apetrany, ka izay mahasaha vato ambony no raisiny. Matetika tsy maharitra ela ny amerenan'ny fanjakana io vola io.

Ohatra, efa fantampantan'ny Trésor fa misy vola hiditra amin'ny hetra aloan'ny Grande mine, nefa ny karaman'ny mpiasam-panjakana tsy ampy, dia manao io findramam-bola tselika io izy. Misy zana-bola hatrany anefa ireny vola indramina ireny. Mety any amin'ny 6-10% isan-taona any.

Iza no afaka mandray anjara amin'izany

Etablissements financiers ;
Institutions financières ;
Compagnies d’Assurances ;
Sociétés d’investissement ;
Entreprises privées (SA, SARL...) ;
Entreprises publiques ;
Particuliers.

Maturités (durée du placement na fetra fametraham-bola)
4 semaines ;
12 semaines ;
24 semaines ;
52 semaines.

Izany hoe amin'ny alalan'ny bankinao dia ny tsirairay, na ny orinasa, dia afaka mi bloqué vola hoy isika, ka hividianana BTA, dia tapitra ny fetr'andro dia miverina ny renivola miaraka amin'ny zana-bola. Io izany no petra-bola azo antoka indrindra ho an'olon-tsotra.

Samihafa amin'ny bourse io izay mety mahazo tombony ianao raha niaka-bidy ilay action n'ilay orinasa nametrahanao ny volanao, ary mety ho very vola kosa raha banky ropitra na nihen-danja ilay orinasa nividiananao action.

2- Afaka mamorona karazana Bon hafa ihany koa ny fanjakana hiantsoany izay te hametraka petra-bola ao aminy, ohatra ireny hoe Bons du Trésor FIHARY (BTF), izay ny Trésor Public no nanao an'io.

Iza no afaka mandray anjara ?

Particuliers
Entreprises, sociétés
Institutions financières bancaire et non bancaire
Autres

9-11% eo ny zana-bola omeny izay mandray anjara, 1-3 taona ny vola no apetraka any, ary 200 000ar - 20 000 000ar no afaka atao petra-bola raha kely indrindra.

B- Trosa ivelany

Matetika ny vola madinidinika no zakan'ny trosa anatiny, ary vola miodina aingana latsaky ny 5 taona, izay tsy mahasehaka ny filana amatsiana ireo fanamboarana fotodrafitrasa, izay ny fotoana anamboarana azy fotsiny dia efa mahoatra ny 5 taona, ohatra barazy lehibe anaovana fambolena na famokarana herinaratra. Dia mila famatsiana lehibe.

Maro ireo Banky mampitrosa vola, anisan'ny fantatsika ny Banky iraisam-pirenena na Banque mondiale. Izy anefa tsy mampitrosa vola raha tsy misy toky omen'ilay firenena mitrosa, ka dia apetrany avokoa ireo fepetra maro be na conditionalité.

Ny FMI na ny Fond monétaire International dia mijery ny fahamarinan-toeran'ny vola iraisam-pirenena, afaka mamatsy vola ihany koa izy raha mitsingevana ny volan'ny firenena iray, fa izy ihany koa no ataon'ireo mpampindram-bola hafa fitaratra arakaraky ny naoty omeny ilay firenena, izany hoe toa ny agence de notation, na foibe mametraka ny naotim-pitokisana ilay firenena iray.

Ohatra, tsara tantana ve ny vola ampindramina, mipaka any amin'ilay tetikasa ve ny vola sa voahodina, ahoana ny resaka kolikoly...

Ny olana amin'ny fampindramam-bola avy any ivelany manko, dia raha tsy mahaloa trosa ilay firenena, dia tsy misy azo atao aminy eo, tsy afaka atao antoka ny tanin'ilay firenena, ka dia mitady toky ny banky mpampitrosa.

Ao ny Banky afrikanina, ny Banky Arabo, Ny banky Eoropeanina, ny AFD raha ny an'ny Frantsay, ny Banky Sinoa, ny Rosianina, sy ny maro hafa.

Misy no miankina amin'ny naoty omen'ny FMI vao miditra, misy kosa samy Firenena no mifampiraharaha (Accord bilatéral).

Ohatra ny Frantsay mety manana tanjona te hitazona ny Nosy Malagasy, dia miandry mahazo izy, rehefa sahirana ianao dia manome kely izy, dia sarotra aminao ny anenjana aminy, satria ny karaman'ny mpiasanao miankina aminy, raha tsy voaloa anefa ny karaman'ny mpiasam-panjakana dia azo antoka fa hirodana ny fitondrana.

Misy ihany koa ireo mampitrosa vola ivelan'ireny banky mahazatra ireny, io ilay antsoin'izy ireo hoe financement parallèle, fa ady ara-toekarena io, misy kosa anefa ireny banky na mpampindram-bola miara-mipetsapetsa amin'ny mpampihorohoro na terroriste sy mpivarotra basy na rongony antsokosoko ireny.

Matetika manao fifanarahana hafa izy ireny, ohatra mamatsy fanamboaran-dalana izy, fa omena azy kosa ny hitrandraka volamena, ny harena an-dranomasina na mitrandraka pétrole.

Misy kosa fifanarahana samy firenena, ohatra ny Chine izao manana ilay tetikasa goavana be, autoroute de la soie, izany hoe manamboatra lalana manodidina izao tontolo izao izy, indrindra fa manodidina Eoropa, miditra amin'ny Canal de Suez, avaratry Océan Indien hifaneraseran'ny varotra any aminy, ka vatsiany vola ny fanamboaran-dalana, aéroport, port samihafa.

Fantatry Chine fa izy no be mponina indrindra maneran-tany, ary any aminy avokoa ny ozinina manamboatra ny filan'izao tontolo izao, na lamba, na sakafo, na teknolojia, nefa tsy manana akora izy, i Afrika anefa no tena manana akora, manana solika, dia manao tetikasa maro izay hifanarahana amin'ny Afrika izy.

Manahoana ny zana-bola amin'ireny fampindramam-bola iraisampirenena ireny

Matetika dia 30-50 taona ny fetra famerenana azy ireny, ary eo amin'ny 1-6% eo ny zana-bola isan-taona.

Izany hoe raha vola 20 000 000$ ohatra no indramina amin'ny zana-bola 1% isan-taona, dia 5 000 000$ eo ny zana-bola, izany hoe lasa 25% izany ny tena sandan'ny vidin'ilay trosa.
Na dia afaka 10 taona aza vao manomboka mandoa ny trosa, matetika ny zana-bola avy dia aloa.

Ohatrinona ny trosan'ny Madagasikara

Mitentina 4.5 milliards de dollars na 15 000 miliara ariary ny taona 2018

Faran'ny taona 2018 dia nahatratra 11 449,7 miliara ariary na 3 452,9 millions USD ny trosa ivelan'i Madagasikara, izay 76.7% n'ny trosa rehetra, raha heverina ahatratra 11 732.3 miliara ariary izany ny taona 2020. Trosa nifanarahana tamin'ny fifanarahana amin'ireo mpamatsy vola Organismes multilatéraux.

Ny trosa anatiny kosa, izay trosa avy eto an-toerana, dia mandrakotra ny 23.3%, mitentina 3 483.9 miliara ariary, na 1 050.6 millions USD ny taona 2018, ary novinaina ho 3 877.2 miliara ariary ny taona 2019. (Loharano Teti-bola 2020).

Ny mpitondra izany tsy misy hoe mahitahita lalana amatsiam-bola ny tetikasa izay ataony, fa ny Malagasy tsirairay hatrany sy ny taranany efa teraka na mbola hateraka no miantoka ny famerenana ireo trosa, ankoatr'ireo vola izay mety hitany amin'ny famatsiana tetikasa tsy averina, fa ireny misy sandany avokoa.

Ny mpitondra voafidy izany dia mpitantana ny volan'ny isan-tokatrano ihany ho tombotsoa iombonana, fa tsy mpanao asa soa ka isaorana hatrany antapon-doha.

Mirary soa e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.