Covid-19: Azo ampiasaina hanampy ny mpampianatra sy ireo mpiasam-panjakana

  • lundi, 27 juillet 2020 12:26
  • Zakaria

Maro ireo mpampianatra na mpiasam-panjakana, na mpiasa sekoly tsy miankina, no tsy miasa noho ny fihibohana amin'ireo faritra misy izay fepetra izay.

Maro ihany koa ireo mpiasam-panjakana no mijanona an-trano mihiboka ho an'ireo manao service minimum.

Maro anefa ny mety ilana azy ireo, hanampy amin'ny ady amin'ny valanaretina.
Ohatra amin'izany, ireo laboratoire dia tsy maharaka, sady manao fitiliana no manao asana sekretera sy miantso ireo olona avy natao fitiliana. Na hanao ny antontanisa samihafa.

Tsy voahofana amin'ny ady amin'ny aretina izy ireo, tsy voatery alefa hiatrika ny ady amin'ny aretina, fa afaka kosa hofanina aingana amin'ny fanampiana ireo dokotera sy mpanampy mpitsabo.

Ny mpiasam-panjakana efa mahazo ny karamany, ireo tsy miankina kosa omena karama, sady manampy ireo sekoly izany, no hanampy ireo miatrika ny valan'aretina.

Ny mpampianatra eny amin'ny Oniversité afaka mandinika ireo fepetra mahomby fiatrehena ny toe-karena, ny sosialy, na mandritra izao fihobohana izao na anomana ny zavatra rehetra atao aorian'ny valanaretina.

Azo ampiasaina ireo sekoly tsy misy ankizy mianatra ho lasa toeram-piasana. Azo atao ny manao réquisition fournisseur téléphonie sy internet mba ampidirana internet amin'ireny toerana ireny, ka afaka hiasana, lavitry ny aretina any amin'ny hopitaly, azo atao ny manao installation plateforme téléphonique, hiasan'izy ireny anampy ny Tafika sy ny mpitsabo.

Mirary soa e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.