Famokarana vary: Ampy antsika ny vary eto an-toerana

  • dimanche, 09 février 2020 16:24
  • Super User

Tsy mino aho hoe tsy ampy antsika Malagasy ny vary vokatra eto.

Tsy mbola nahita aho hoe lany ny vokatra eny an-tsena, na nisy nilaha-bary, ny vary stock afarana atao vary mora no misy mpilahatra.

- Ka maninona tsy vary gasy no vidiana dia amidy mora?

- Maninona tsy ny lalana amoaham-bokatra no amboarina, any amin'ny faritra maro mamokatra in-telo isan-taona, nefa dorana ny vary satria tsy tafavoaka.

- Maninona tsy ny kubota sy ny tracteur no zaraina, na amidy mora, na amidy averina tsikelikely ny vola, ho an'ny tantsaha?

- Maninona tsy ampiana amin'ireny zezika Bio vita malagasy ireny ny tantsaha, fa simbaina amin'ny zezika simika, sady manimba tany no hanimba ny vokatra.

- Maninona tsy itarina io tany 5% ambolem-bary io, izay mamokatra 4 000 000 tonnes/isan-taona izao. Raha akarina 15% fotsiny, dia efa mampiditra devise amintsika any amin'ny 2 milliards de dollar. Tsy ilaina intsony amin'izay ny fanafarana 400 000tonnes vary isan-taona any ivelany.

Resaka hafa mihitsy ny kéré any atsimo, ary azo foanana izany kéré izany.

Tena mahavelon-tena isika fa resaka bizina fotsiny io fanafarana vary any ivelany io.

Atao matihanina ny tantsaha mpamboly vary, fa tsy atao mpanao zaridaina, izay tsy manaiky hanaraka ny fepetra fambolena dia tsy ampiana, izay tsy manana tany mihoatra ny 1ha, dia omena raha vonona, raha tsy vonona dia tsy ampiana, ireo vonona hiditra amin'ny tena asa fambolem-bary ara-dalàna no ampiana sy atosika, vatsiana vola, fitaovana, zezika, hitadiavana tsenam-barotra.

Tokony ahatratra 4-7tonnes isaky ny ha ny famokaram-bary fa tsy latsaky ny 1tonne isaky ny Ha ohatran'ny hita etsy sy eroa.

Anjaran'ny fanjakana no manamboaratra ireo barazy, tatatra fitsinjarana rano, ny lalana sy tetezana.
Atsangana ireo orin'asa sy kaoperativa lehibe mpamboly vary.
Asiana Banky Malagasy izao hanohana manokana ireo tantsaha manaiky ny hampiatra ireo fepetra fambolena.

Efa betsaka izay fanentanana sy fampianarana izay, fa tsy hiandry ny mafy hatoka tsy mety hiova, ampio ireo tanora mpianatry ny Agro sy Polytech,, ampio ny sampam-pikarohana FOFIFA, sokafy ny Lycée agricole amin'ny faritra mpamboly vary toa an'i:

Avaratra:
Faritra DIANA: Antsiranana, Ambilobe, Nosy be, Ambanja
Faritra SAVA: Sambava, Antalaha, Vohémar, Andapa

Avaratra andrefana Mahajanga:
Faritra Maintirano,
Lemaky Marovoay sy Ambato Boeny
Lemaky Sofia: Mampikony, Port Bergé, Antsohihy
Faritry Befandriana, Mandritsara, Bealanana.

Atsimo andrefana:
Morondava, Morombe, Bas Mangoky

Afovoan-tany:
Vakinankaratra
Fianarantsoa
Analamanga
Itasy
Bongolava

Atsinanana:
Miainga Maroantsetra midina hatrany Vangaindrano

Faritra ALAOTRA

Tsy ekeko ny fanomezana na fampindramana na fampanofana ny tanintsika ho an'ny vahiny.

Raha misy vahiny te hampiasa vola amin'ny fambolena dia aoka hiara-hiasa amin'ny Orin'asa Malagasy izy, fa tsy isika Malagasy no ho lasa mpiasan'ny vahiny eto amintsika.

Stratezika ny vary, fototry ny sakafotsika Malagasy, tsy ankinina amin'ny vahiny.

Vitatsika io.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.