Fantatrao ve: Manodidina ny 9.5% ny zana-bolan'ny Banky Foibe

  • mardi, 28 janvier 2020 11:03
  • Super User
  • Sary nindramina fampiaingoana

Ny Banky foibe, arakaraky ny politikam-bola apetrany, mba tsy ampitotongana ny sandam-bola Malagasy mihoatra amin'ny vola vahiny, arakaraky ny fidangan'ny vidim-piainana sy ny toe-karena, arakaraky ny politika apetrany amin'ny famatsiam-bola sy ny fampiasam-bola dia mametraka ny antsoina hoe "Taux directeur", na sandan'ny fampindramam-bola.

Ny Banky Foibe dia tsy Banky mpampindram-bola, fa misahana ny fandrindrana ny vola. Ireo samy banky mpikirakira volan'ny mpanjifa, na Banque primaire, na ireny Banky hitatsika isaky ny sisin-dalana ametrahana sy hakana vola ireny, no misahana ny fampindramam-bola.

Misy anefa izy ireny, tsy ampy ny eo an-tanany dia mifampindram-bola izy samy banky, na rehefa tena tsy manana ireo, dia afaka mindrana amin'ny Banky Foibe ihany izy ireo, fa fotoana fohy, ka io Taux directeur io no sandan'ny fitrosana ataony amin'ny Banky foibe.

Ry zareo samy banky kosa dia mifampindrana ambany kely noho io, fa ny banky kosa rehefa ampindrana amin'ny mpanjifa, na amin'ny orin'asa dia maka tombony, mampindram-bola ambonin'io Taux directeur io.

Matetika ny banky dia mikajy ny vola ampindraminy:

Taux d’intérêt= Taux directeur + Taux d'inflation + Taux de risque non remboursement + bénéfice

Izany hoe kajian'ny banky io zana-bola apetrakin'ny Banky Foibe + Ny tahan'ny fidangan'ny vidim-piainana + Tahan'ny mety tsy famerenan'ny mpanjifa ny vola + Tombom-barotra alainy.

Ny Banky dia manana tahan'ireo vola tsy voaverin'ny mpanjifa, ka dia efa alainy mialoha, tsinjarainy amin'ny mpindram-bola manaraka daholo izany mety tsy famerenam-bolan'ny sasany izany. Izany hoe ny mpindram-bola ihany no mamerina ny vola tsy voaverin'ny hafa.

Ankehitriny dia manodidina ny 19% isan-taona ny zana-bola alain'ny banky. Raha toa kosa 72% no alain'ny micro crédit (Matetika dia lazainy fa 6% ihany ny zana-bola micro crédit, fa 6% isam-bolana izy io = 6%*12 = 72% izany no tena zana-bola alain'ny micro crédit, izay tena efa fanjanaham-bola na usure mihitsy)

Atsy amin'ny nosy rahavavy Maurice dia manodidina ny 5-6% ny zana-bola ampitrosain'ny Banky, any Europe dia manodidina ny 2-5%, ny fanorenana trano aza misy 0%, vatsian'ny Livret A, na ireo vola tehirizin'ny mpanjifa tsy dia ahetsika, dia izay no ampiasain'ny fanjakana anampiana amin'ny fanorenana trano honenana.

Eto amitsika izany, ankoatran'ny antoka takian'ny banky dia azo atao hoe midangana ny vidim-bola, na ny zana-bola satria raha mindrana 50 000 000Ariary hividianana sprinter ohatra, izay averina ao anatin'ny 3 taona (Satria ny fiara dia tombanana lany vidy afaka 5 taona), dia mahatratra 9 500 000 Ariary isan-taona ny zana-bola aloa, izany hoe 28 500 000 Ariary ao anatin'ny 3 taona, raha atao kajy tsotra.

Izany hoe mamerina 50 000 000Ariary + 28 500 000Ariary = 78 500 000 Ariary ao anatin'ny 3 taona.

Izany hoe manenjika vola 2 180 555 Ariary isam-bolana mandritra ny 36 volana, volan'ny banky fotsiny, ankoatran'ny vola lany amin'ny mpiasa, ny solika, ny kojakoja fanolo ho an'ny fiara, sy ny hetram-panjakana.

Vitsy ny orinasa mahazaka izany, ka dia lasa aingon'entana ho an'ny maro fotsiny izany ny resaka fampindramam-bolan'ny banky hatreto. Tsy mahagaga izany raha fampindramam-bola hividianana fourniture scolaire, vacances no tena omen'ny banky ireo izay manana karama raikitra isam-bolana (Crédit à la consommation), fa vitsy ny crédit d'investissement, na Fihariana, izay io no mampisy fitombon'ny hari-karena eo amin'ny firenena iray.

Ka lasa fiteny izany ny hoe ny banky dia natao amatsiana ny efa manana ihany raha ny eto Madagasikara.

Mirary soa e
Patrick

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.