Lalam-pihariana hazo: Nisy ny fihaonana nitadiavam-bahaolana teo amin’ny ministera sy ny mpandraharaha

  • samedi, 12 septembre 2020 15:14
  • Sary nindramina

Ny volana janoary 2019 ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy - MEDD - dia namoaka naoty laharana N°01/19/MEDD izay mandrara ny fitrandrahana ny hazo. Tafiditra tao anatin’izany na ny hazo sarobidy na ny hazo tsotra.

Vokatr’izany dia mandalo kirizy mavesatra ireo orinasa ara-dalana mpisehatra amin’ny fitrandrahana sy fanodinana hazo eto Madagasikara, ary efa misy ny manakatom-baravarana vokatry ny tsy fisian’ny akora ho ampiasaina.

Nangataka fihaonana tamin’ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy izy ireo mba hijerena miaraka ny vahaolana amin’ny seham-pihariana sahaniny.

Notanterahina ny zoma 11 septambra izany fihaonana nitadiavam-bahaolana teo amin’ny roa tonta izany, izay notarihin’ny Minisitra Raharinirina Baomiavotse Vahinala, sy ny tompon’andraikitra avy amin’ireo orinasa maro, toy ny : Hazovato, Bonet, Tropical Woods, GNEFEM, Kidoro, Eben Menuiserie, Kinga,…

Nisy ihany koa ny solontena avy any amin’ny Faritra Boeny sy Atsimo Andrefana ary ny solontenan’ny mpikaroka avy ao amin’ny ESSA.

Ny sasany amin’ireto orinasa ireto izay manodina hazo ary manondrana izany any ivelany.

Nanambara Ramatoa Ministra fa efa eo am-pijerena ny fomba ahafahana mamoaka ireo tahirin-kazo tsotra ny Ministera ankehitriny mba ahafahana mamatsy ireto orinasa ireto. Notsindriany mazava anefa fa ny hazo tsotra ihany no voakasik’izay fa ny hazo sarobidy dia tsy mbola azo kitihina.

Raha ny fampahafantarana natao nandritra ity fihaonana ity dia tsy mahasahana ny filana intsony ny hazo misy, ka tsy maintsy mifanome tanana amin’ny Fanjakana ireo orinasa mpitrandraka sy mpanodina hazo ireto amin’ny fambolen-kazo, ary ireo hazo izay ilain’izy ireo amin’ny fihariana ataony no voleny, satria izay no politikan’ny fambolen-kazo entin’ny Ministera manomboka izao.

Namporisika ihany koa izy ny tokony hivondronan’ireo orinasa ara-dalana rehetra manerana an’i Madagasika mba ahafahana mamantatra azy ireo satria mbola ny 20%n’ireo orinasa ireo no voasolotena ao anatin’ity vondrona nihaona tamin’ny MEDD ity.

Ho ampahafantarina ao anatin’ny filankevitry ny Governemanta sy ny filankevitry ny Minisitra ny sedra andalovan’ireto orinasa ireto mba ahafahana maka vahaolana maharitra ho azy ireo.

Mamelona mpiasa maro ity seha-pihariana iray ity, hoy hatrany ny Minisitra, ka tsy maintsy itadiavana vahaolana. Fitrandrahana maharitra araka ny tokony ho izy no apetraka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.