Faritra Atsinanana: Fizahan-tany

  • samedi, 01 août 2020 08:25
  • Sary nomena

Nanao fitsidihana ny Canal des Pangalanes tapany 20km miala an’i Toamasina mianatsimo, ny Governoran’ny Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore sy ny Préfet RAZAFIARISON Jean Jugus ary ny Talem-paritra sy mpiara-miasa vitsivitsy.

Ny Ben'ny tanànan'ny Kaominina ambanivohitra Amboditandroho ANDRIANARY Thierry Didier sy ny ekipany ary ny mpanao tolotra ara-pizahantany CHRISMIA TOURS/EDEN GARDEN no nitarika ny fitsidihana.

Izao hetsika izao dia manamarika ny lanja manokana apetraky Faritra Atsinanana amin’ny sehatry ny Fizahan-tany, izay tsy maintsy hatosika sy hampiroboroboina, mba ahafahana mametraka ireo vokatra ara-pizahan-tany, toa ny Lakandranon’i PANGALANES, mba ho isan’ny fanoitry ny fampandrosoana aty amin’ny faritra Atsinanana.

Ny lakandranon’i Pangalanes izay manan-karena tantara sy vakoka ary natiora.

Ny Governora RAFIDISON Richard Théodore dia hametraka komitim-paritra manokana miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra, ny paik’ady hanatratrarana izany vina izany.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.