Toamasina: Nanao fitsidihana ny seranan-tsambo ny Governora

  • vendredi, 31 juillet 2020 13:42
  • Sary: Faritra Atsinanana

Nikarakara fotoana manokana ny Fitaleavan’ny SPAT tarihin’Andriamatoa Tale Jeneraly AVELLIN Christian Eddy sy ny ekipany, nandraisana ireo tompon’andraiki-panjakana eto Toamasina, notarihin’ny Governora RAFIDISON Richard Théodore, ny Préfet-n’i Toamasina RAZAFIARISON Jean Jugus, ny Ben’ny Tanàna RAKOTONIRINA Nantenaina, ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Dokotera VAVY Céléstine, ny Lehiben’ny Komandy iraisam-paritry ny Zandarimariam-pirenena ny kolonely RABEMANANTSOA Josh. Izany hoe ireo tompon’andraikitra vao nandray andraikitra tamin’ity taona ity avokoa izy ireo.

Programa tamin’izany :
- Fitsidihana ireo tetik’asa lehibe an-dalam-panamboarana,
- Fitsidihana ireo foto-drafitrasa efa misy,
- Tao amin’ny efi-trano fivorian’ny SPAT, nanao famelabelarana narahin-tsary ireo vina sy tanjona tanterahin’ity orin’asa SPAT ato anatin’ny taona maromaro. Narahina fifanakalozan-kevitra izany.

Izao fitsidihana sy fihaonana izao dia nahitana taratra ny toerana lehibe sahanin’ity orinasam-panjakana ity, indrindra koa fa ireo fanamby lehibe miandry.

Marihina fa ny Governoran’y Faritra Atsinanana dia notronin’ireo mpiara-miasa aminy, ny Tale Jeneralin’ny orin’asa SPAT kosa dia notronin’Andriamatoa Tale jeneralin’ny Orin’asa MICTSL sy tale ary mpiara-miasa aminy.

Izao fitsidihana izao dia natao ny alakamisy 30 jolay 2020.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.